Back to top

Sabbath Bible Lessons

“Indro, avy faingana Aho!”

 <<    >> 
Fitarihan-teny Ny resaka momba ny fiverenan’ i Kristy fanindroany, izay voatondro im-betsaka ao amin’ ny Baiboly, no fanantenana nahafinaritra niainan’ ny fiangonana nandritra ny vanim-potoana nifandimby rehetra. Izany no fanalahidy fototra ho an’ ny hafatra farany, dia ny fahamarinana ankehitriny, izay natao homena an’ izao tontolo izao. “Ny fahatakarana ny fanantenana momba ny fiverenan’ i Kristy fanindroany no fanalahidy hanokafana ny tantara rehetra sy hanazava ny lesona ny ho amin’ ny ho avy rehetra.”—Evangelism, p. 220. Amin’ ny maha vahoaka miandry fatratra ny fiverenan’ i Kristy antsika, dia tokony hibanjina tsara an’ ireo famantarana tsirairay izay manondro izany toe-javatra izany isika. Izany fiverenany izany no trangan-javatra lehibe indrindra eo amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao. Na izany aza anefa dia tsy tokony halaim-panahy hametraka daty ny amin’ izany fiverenan’ ny Tompontsika izany isika, resahana amintsika kosa fa, amin’ ny fijerena ireo famantarana nomen’ ireo mpamimany sy ireo apostoly ary Kristy tenany mihitsy (indrindra ao amin’ ny Matio 24), dia tokony hahalala isika fa ny fiverenan’ i Kristy fanindroany dia efa tena akaiky mihitsy, ary ankehitriny aza dia efa tena eo am-baravarana. Araka ny voalazan’ ny apostoly Petera, dia tsy ho natao hiandry fotsiny isika, fa natao hanafaingana mihitsy ny fihavian’ ny Tompo (2 Petera 3:12). Azontsika atao ankehitriny ny “manafaingana” izany Fiverenany izany amin’ ny alalan’ ny fiomanantsika hihaona Aminy (Lioka 12:36–38; Asan’ ny Apostoly 3:19, 20; 2 Petera 3:14) sy amin’ ny alalan’ ny fanaovantsika ny asa izay nankininy amintsika (Lioka 19:12, 13, 15; 14:23; Matio 24:14). Raha manao antsirambina ny fanaovana izany isika, dia anisan’ ny ho voatazona ho tompon’ andraikitra amin’ ny “fahaelan’ ny” fiverenan’ ny Tompo. Raha mbola eo am-pianarana ireto lesona ireto isika, dia hanana tombotsoa lehibe handini-tena manokana avy amin’ ireto fanontaniana ireto ny mpianatry ny Sekoly Sabata rehetra hoe: amin’ ny alalan’ ny fiainako, dia “manafaingana” sa “mampitarazoka” ny fihavian’ ny Tompo aho? Raha hitako porofo fa anisan’ ny “mampahaela” ny fihaviany aho, ahoana no ahafahako mitodi-doha eo amin’ ny fiainako ka hanaovako dingana vaovao indray? Ka hamantarako amin’ ny foko manontolo izay tena takian’ ny Tompo hataoko? Hisy valiny mazava tsara ho an’ ireo fanontaniana ireo ato anatin’ ity lesona ity. Tsy ampy ho antsika ny mino fotsiny ny fiverenan’ i Kristy tsy ho ela intsony, na hoe mahafantatra fotsiny izay rehetra voasoratra momba izany ka mitory izany amin’ ny hafa. Maro be ireo mpino ny hafatry ny anjely telo no mizotra ao amin’ ny “lalana tery” nefa mihevitra ny tenany ho “miditra ao amin’ ny lalana malalaka”. Mamita-tena sy mamitaka ny hafa izy ireo. Ny tsy firehan’ izy ireo dia mitarika ny mpanota hanamafy ny fony ka hanana fialan-tsiny manao hoe: “tsy misy mampiavaka antsika, mitovy isika; mitovy ny fitafiantsika sy ny resaka tenenintsika ary ny zavatra ataontsika” (Testimonies, vol. 1, p. 128). Ny olona toy izany dia “holanjaina amin’ ny mizana ka ho hita fa tsy ampy lanja” (Early Writings, p. 37). Ity lesona ankehitriny ity dia hampiseho amintsika ny fomba hialantsika amin’ izany toe-panahy mitotongana izany. Enga anie ny fianarantsika an’ ireto lesona ireto mba hitarika ny tsirairay avy amintsika ho amin’ ny fanoloran-tena lalina kokoa ka hahatonga hampanakaiky kokoa antsika an’ i Kristy sy isika samy isika. Andeha hiray hina miaraka amin’ ny fanelanelanana ataon’ ny Fanahy Masina isika ho amin’ ny famaranana izao asa izao, ka hahatonga antsika ho vonona ho amin’ ilay fanantenana lehibe tahaka an’ ireo vahoakan’ Andriamanitra marina tamin’ ny 1844. Departemanta Sekoly Sabata ao amin’ ny Foibe eran-tany
 <<    >>