Fanantenana be voninahitra, manome fifaliana “Indro, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina” (Joda 14, tapany farany).
Atolotra ho vakiana:
Hery Mifanandrina, pejy 313 - 317.
“Ho an’ ny vahoakan’ Andriamanitra izay navela hitoetra ela tokoa teto amin’ ity “lohasaha aloky ny fahafatesana” ity, dia misy fanantenana sarobidy miteraka fifaliana entin’ ny teny fikasana momba ny fisehoan’ Ilay “fananganana ny maty sy fiainana” izay hampody ilay noroahiny.’ ”—Hery Mifanandrina, pejy 313
1. VOAHETSIKY NY TENY FAMPANAN-TENAN’ ANDRIAMANITRA Alahady25 Jona
a. Inona no zavatra naseho tamin’ ny fahitana an’ ilay patriarka fahafito nandimby an’ i Adama? Tamin’ ny fomba ahoana no nampihetsehan’ izany fahitana izany azy tamin-kery tokoa? Joda 14, 15.“Nentin’ Andriamanitra tamin’ ny fanahy ho aty amin’ ny taranaka velona taorian’ ny safodrano Enoka ka nasehony azy ny zava-dehibe hitranga izay misy hifandraisany amin’ ny fiverenan’ i Kristy fanindroany sy ny fiafaran’ izao tontolo izao….“Naseho azy tamin’ ny fahitana ny momba ny hahafatesan’ i Kristy sy ny hiverenany amim-boninahitra, izay andrasan’ ny anjely masina rehetra, hanavotra ireo vahoakany avy ao am-pasana. Hitany ihany koa ny faharatsian’ izao tontolo izao amin’ ny fotoana hiverenan’ i Kristy fanindroany: hisy taranaka miavonavona sy feno fireharehana ary hanao izay tiany, handà an’ Andriamanitra Tokana sy Jesosy Kristy Tompo, hanitsakitsaka ny lalàna sy hanao tsinontsinona ny asa fisoronana. Hitany ireo olo-marina mitafy haja sy voninahitra sy ireo ratsy fanahy izay nohesorina tsy ho eo anatrehan’ ny Tompo ka nolevonina tamin’ ny afo.“Lasa mpitory ny fahamarinana Enoka ka nampahafantatra ny olona izay nasehon’ Andriamanitra taminy”—Patriarchs and Prophets, pp. 85, 86.
2. FAMPANANTENANA MAHAFALY Alatsinainy26 Jona
a. Soritsorito ny fomba nanehoan’ ireo vahoakan’ Andriamanitra tao amin’ ny Testamenta Taloha ny fanantenany momba ny fiverenan’ i Kristy indray. Salamo 50:1–4; 96:11–13.“Ny fihavian’ i Kristy izay hampiditra ao amin’ ny fanjakan’ ny fahamarinana no aingam-panahy nanesika ny mpanoratra masina hanao ireo fanambarana kanto sy manetsi-po indrindra. Ireo mpanao tononkalo sy ireo mpaminany ao amin’ ny Baiboly dia namisavisa an’ izany tamin’ ny alalan’ ny teny tomarataratry ny afon’ ny lanitra.”—Hery Mifanandrina, p. 314.b. Fiteny manandratra manao ahoana no namariparitan’ ny mpaminany Habakoka ny fiverenan’ i Jesosy? Habakoka 3:3–6.c. Fampanantenana mampahery sy mampionona manao ahoana no tafaverina tamin’ ireo mpino ao amin’ ny Testamenta Taloha, ary manao ahoana no tokony hisian’ ny fiantraikan’ izany amintsika ihany koa? Asan’ ny Apostoly 1:10, 11.“Ny fampanantenana nataon’ ny Mpamonjy teo am-piaingana teo an-tendrombohitra Oliva, fa tsy maintsy hiverina indray Izy,dia nanome hazavana ny ho avy rehetra ho an’ ny mpianany, nameno fifaliana sy fanantenana ny fon’ izy ireo izany ka tsy ho levon’ ny alahelo sy ny fisedrana hiseho.”—Ibid., p. 302.“[Asan’ ny Apostoly 1:11.] Sarobidy manao ahoana noho izany io fampanantenana io ho an’ ireo mpianatra vonton’ alahelo fa hahita indray an’ i Jesosy izay tena tiany fatratra izy ireo. Sarobidy toy izany koa io fampanantenana io ho an’ ireo tena mpanara-dia an’ i Kristy marina. Tsy hisy olona tena tia an’ i Jesosy marina halahelo fa ho avy indray Izy. Ary arakaraky ny hanatonan’ izy ireo ny fihavian’ Ilay Zanak’ olona, no hiandrasan’ ireo tena tia an’ i Jesosy marina amin’ ny fanantenana feno fifaliana sy hiomanan’ izy ireo ho vonona hibanjina Ilay tian’ ny fanahiny sy efa maty hamonjy azy ireo.“Ho avy Jesosy! Kanefa tsy hoe hihaino ny faharatsian’ ny taranak’ olombelona, na handre ny fifonana hataon’ ny mpanota, na hamela ny helony; fa hanapaka izay ho anjaran’ ny tsirairay avy na ho amin’ ny fiainana na ho amin’ ny fahafatesana. Ireo izay niaina tao amin’ ny fahotana dia hijanona ho mpanota mandrakizay. Ireo izay niaiky ny helony tamin’ i Jesosy tao amin’ ny fitoerana masina, nanao Azy ho namany sy tia ny Fisehoany, no hahazo famelana ny helony rehetra, ary ireo, izay, nanadio ny fanahiny ‘tamin’ ny fankatoavana ny fahamarinana’ no hitoetra madio sy masina mandrakizay.”—The Youth’s Instructor, April 1, 1854.
3. MENDRIKA NY FIOMANANA MATOTRA ATAONTSIKA Talata27 Jona
a. Ahoana no hahazoantsika fampaherezana avy amin’ ny fanantenana nasehon’ i Paoly?Titosy 2:11–13.“Vahiny sy mpivahiny miandry sy manantena ary mivavaka ho amin’ ilay fanantenana mahafinaritra isika, dia ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Raha mino izany isika ka mampihatra izany eo amin’ ny fiainantsika, dia fihetsika matotra manao ahoana no haterak’ izany finoana sy fanantenana izany!? Fifankatiavana manao ahoana no hiseho!? Fiainana masina manome voninahitra an’ Andriamanitra manao ahoana no hiainana! Ary noho ny fanomezantsika lanja ny valisoa ho azontsika dia hisy fisarahana manao ahoana ho hita mazava amintsika sy izao tontolo izao?”—Evangelism, p. 220.“Nosoritan’ ny Tompo fa ny vahoakany dia tokony hampifantoka ny masony amin’ ny lanitra, miandry ny fisehoana be voninahitry ny Tompo sy Mpamonjy antsika dia Jesosy Kristy. Raha mbola eo am-pifantohana amin’ ny raharaham-barotra isan-karazany ny mason’ izao tontolo izao, ny antsika kosa tokony hitodika any amin’ ny lanitra; tokony hanakatra lalina hatrany hatrany any amin’ ny harena misitery be voninahitry ny lanitra ny finoantsika, manakaiky ilay tara-pahazavana sarobidy sy masina avy eo amin’ ny fitoerana masina any an-danitra mba hamirapiratany ao am-pontsika, tahaka ny hamirapiratany eo amin’ ny tavan’ i Jesosy. . .“Fanirian’ ny Tompontsika ny hiambenantsika, ka rehefa ho avy Izy ka handondona dia ho afaka hamoha ny varavarana ho Azy avy hatrany isika.”—Testimonies, vol. 2, pp. 194, 195.b. Hanao ahoana ny fisehoan’ i Jesosy amin’ ireo niandry Azy fatratra? Hebreo 9:28 (tapany farany).“Amin’ ny fiafaran’ ny asa fanelanelanana ataon’ i Kristy dia hiseho ‘tsy amin’ ny ota, fa ho famonjena’ (Hebreo 9:28) amin’ ireo vahoakany izay niandry Azy Izy ka hitahy azy ireo ho amin’ ny fiainana mandrakizay.”—The Great Controversy, p. 485.“Hiverina tahaka ny nampiakarana Azy nankany an-danitra Jesosy, fa kosa hiampy famirapiratana izany. Hiverina miaraka amin’ ny Voninahitry ny Rainy Izy, ary ny anjely masina rehetra hiaraka Aminy eny amin’ ny lalany. Ho solon’ ny satroka tsilo mahatsiravina nandoaka ny vatany, dia satroboninahitra mamirapiratra no hipetraka eo amin’ ny handriny masina. Tsy hiseho tahaka ny lehilahy ory sy zatra fahoriana Izy, fa hamirapiratra mihoatra lavitra noho ny mitataovovonana ny famirapiratany. Tsy hanao fitafiana tsotra Izy fa akanjo fotsy botsiaka , hitomarataratry ny hazavana tsy hay lazaina.”—The Youth’s Instructor, April 1, 1854.
4. MIANDRY AM-PAHARETANA NY FIVERENANY Alarobia28 Jona
a. Inona tao amin’ ny toritenin’ i Lotera no mifanaraka tsara amin’ ny fampianaran’ i Paoly momba ny fitsarana amin’ ny andro farany? Hebreo 9:27.“Hoy i Lotera: “mino marina aho, fa tsy hisy telon-jato taona vao ho tonga ny andro fitsarana.Tsy ho zakan’ Andriamanitra ary tsy ho azony zakaina mihoatra noho izany ity izao tontolo izao ratsy fanahy ity”. “Mihantomotra ilay andro lehibe izay handresena ny fanjakan’ ny fahavetavetana”.—Hery Mifanandrina, p. 317.b. Inona no faharesen-dahatra nanan’ ireo mpanavao fivavahana hafa, ary inona no tokony ho vaindohan-draharahantsika ihany koa amin’ izao fotoana izao? Apokalypsy 16:15.“‘Tsy lavitra ny fiafarany ity izao tontolo izao efa antitra ity’ hoy Melanchton. Mibaiko ny kristiana i Calvin ‘tsy hisalasala, fa haniry mafy indrindra ny andro hiavian’ i Kristy, izay toe-javatra feno hasambarana indrindra ho azy’; koa dia ambarany fa “ny fianakaviam-ben’ ny mpino dia hiara-hanandrandra io andro io”. “Tsy maintsy noana an’ i Kristy isika, tsy maintsy mikatsaka isika, mibanjina”, hoy izy ‘mandra-piposak’ ilay andro lehibe, izay hanehoan’ ny Tompo amin’ ny fahafenoany ny voninahitry ny fanjakany“ Moa ve tsy nentin’ ny Tompo Jesosy tany an-danitra ny nofontsika? Hoy i Knox, ilay mpanavao fivavahana avy any Ekaosy; ary moa ve tsy hiverina Izy? Fantantsika fa hiverina tokoa Izy, ary tsy ho ela”. I Ridley sy Latimer, izay nahafoy ny ainy ho an’ ny fahamarinana, dia nibanjina tamim-pinoana ny fihavian’ ny Tompo. Izao no nosoratan’ i Ridley: ‘tsy isalasalana, -inoako izany, koa dia lazaiko- fa madiva hifarana ity izao tontolo izao ity. Aoka isika hiara-miantso amin’ i Jaona, mpanompon’ Andriamanitra, amin’ ny fontsika rehetra, amin’ i Kristy Mpamonjy hoe: “eny, avia, Jesosy Tompo!” Hery Mifanandrina, p. 317.“Tsy ho ela intsony ny fiverenan’ i Kristy eto amin’ ity tontolo misy antsika ity. Aoka izany no ho ivon’ ny hafatra rehetra.“Ilay fanantenana mahafinaritra momba ny fisehoan’ i Kristy, amin’ ny fanehoana manetriketrika, dia ilaina resahana matetika amin’ ny olona. Ny fiandrasana ny fisehoan’ ny Tompontsika dia hitarika antsika hanao ny zavatry ny tany ho zava-poana sy tsy misy dikany….“Tsy azon’ ireo mpanompon’ Andriamanitra atao intsony ny miteny tahaka ny tamin’ny andron’ i Daniela hoe: ‘Mbola ho ela ny fotoana voatondro’. Ankehitriny izany ary ao anatin’ ny fotoana fohy mandra-pahavitan’ ireo vavolombelon’ Andriamanitra ny asany hanomana ny lalan’ ny Tompo.”—Testimonies, vol. 6, p. 406.
5. MIASA EO AM-PIANDRASANA NY ANDRO NAMPANANTENAINA Alakamisy29 Jona
a. Hazavao ny andrikitr’ ireo tena matotra momba ny fihaonana amin’ ny Mpampianatra am-pilaminana rehefa hiverina Izy. Amosa 4:12 (tapany farany); Zefania 2:3.“Hoy Kristy : ‘fantatro ny asanao’(Apokalypsy 2:2). Fantany raha miaina amin’ ny fianana feno fahatanterahana ianao sy tia ny miresaka sy misaina momba Azy ka mahita fifaliana amin’ ny fiderana Azy. Iriantsika ve ny hahazo ny lanitra amin’ ny farany ka hikambana amin’ ireo mpihiran’ ny lanitra? Ho tahaka ny hidirantsika ao am-pasana ihany ho hivoahantsika ao raha ny resaka toetra no resahana… Izao no fotoana fanasana sy fipasohana. Izao no fotoana hanasana ny akanjontsika sy hamotsiana azy amin’ ny ràn’ ny Zanak’ ondry.“Rehefa nanatona an’ i Kristy ny mpanora-dalàna ka nanontany: ‘Ahoana no hataoko handovako fiainana mandrakizay?’ dia izao no valiny : ‘tandremo ny didy’. Izany no fanontaniana tsara napetrak’ ilay mpanora-dalàna ary dia nahazo valiny tsara sy sahaza izany ihany koa izy.”—Manuscript Releases, vol. 9, p. 262.b. Inona no fihetseham-po lalina ananan’ ireo tena manantena marina amin’ ny fony rehetra ny teny fikasana fa ho avy indray tsy ho ela intsony Izy? Apokalypsy 22:20.“Te hanome voninahitra an’ Ilay mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianana aho. Tiako hanako mafy dia mafy any amin’ ny kianjan’ ny lanitra ny feoko. Ho tonga any ve ianao? Raha izany dia tsy maintsy mampianatra ny feonao hidera Azy ety an-tany ianao; rehefa izany dia ho afaka hikambana amin’ ireo antoko mpihiran’ ny lanitra ianao ka hihira ny hiran’ i Mosesy sy ny Zanak’ ondry. Hanampy antsika anie Andriamanitra, ka hameno antsika amin’ ny hery rehetra, mba hahafahantsika manandrana sahady ny fifalian’ ilay tontolo ho avy.”—The Ellen G. White 1888 Materials, p. 128.
FAMERENANA ATAON' NY TENA MANOKANA Zoma30 Jona
1. Inona no tokony hoheveriko momba ny halalin’ ny faharetako miandry ny fiverenan’ i Jesosy?2. Nahoana no manome hery antsika ny fampanantenana momba ny fiverenan’ i Jesosy?3. Nahoana no zava-dehibe ny mamboly faniriana lalina hizara izany fahamarinana izany amin’ny hafa?4. Nanao ahoana no nanehoan’ ireo mpanavao fivavahana tamin’ ny taonjato faha-16 ny finoany momba ny fiverenan’ i Jesosy?5. Vonjena amin’ ny finoana isika, koa maneho inona eo amin’ ny finoantsika ny fanoloran-tena marina?