Back to top

Sabbath Bible Lessons

“Indro, avy faingana Aho!”

 <<    >> 
Sabata 19 Aogositra 2017 Lesona 8
Fifandraisana Manokana Amin’ i Jesosy “Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” (2 Korintiana 5:17).
Atolotra ho vakiana:   Tanamasoandron’ ny Fahasalamana, Boky voalohany, pp. 45- 48; 
  Selected Messages, book. 1, pp. 40–48. 
“Rehefa mitodika eo amin’ Ilay Masoandron’ ny Fahamarinana isika, rehefa mifandray amin’ i Kristy, dia hitomarataratry ny fahazavana avy amin’ ny fanatrehany masina ny fanahy iray manontolo.”—Thoughts From the Mount of Blessing, p. 40.

1. MAMIRAPIRATRA EO ANIVON’ NY HAIZINA NY HAZAVANA Alahady 13 Aogositra
a. Ahoana no hilazan’ ny Soratra Masina ny toerana tsy misy fanantenana misy antsika? Joba 14:4; Romana 3:23; 8:7. “Tsy azontsika samy irery atao ny mitsoaka avy ao amin’ ny tevan’ ny fahoriana izay niletehantsika. Ratsy ny fontsika nefa tsy haintsika ovàna izy.”—Tena Hasambarana, p. 20.“Maro ireo tsy sambatra satria tsy masina izy ireo. Ny fahadiovan’ ny fo, ny fahatsoran’ ny saina, ireo irery ihany no azon’ Andriamanitra tahiana. Rehefa kolokoloina ny fahotana, dia tsy hamokatra na inona na inona afa-tsy ny tsy fahasambarana izany any amin’ ny farany.”—Testimonies, vol. 6, p. 53. b. Noho ny fitiavany sy famindram-pony lehibe dia inona no zavatra nasehon’ Andriamanitra antsika fa ho avy amin’ ny andro farany? Ary manao ahoana no fiantraikan’ izany eo amin’ ny fanandramam-piainana lalovantsika? Romana 3:24–26; 8:1–4. “Ny Tompo sy Mpamonjy dia nametraka ny fiandrianany, ny hareny sy ny voninahiny, ary tonga nitady antsika, mba hahafahany manavotra antsika amin’ ny fahoriana ka hanao antsika hitovy Aminy. Nanetry ny Tenany Izy ary nandray ny natiorantsika mba ahafahantsika mianatra Aminy, ka, hakantsika tahaka ny Fiainany izay feno fanoloran-tena sy fandavan-tena; ary koa mba ahafahantsika manaraka Azy tsikelikely hatrany an-danitra.”—Ibid., vol. 2, p. 170.

2. NY FITIAVAN’ ANDRIAMANITRA ANTSIKA Alatsinainy 14 Aogositra
a. Hazavao ny fahafenoan’ ny drafi-pamonjena. 1 Korintianina 1:30; 2 Korintianina 5:19–21. “Nanolotra ny Tenany Kristy, ho fanati-panavotana, mba hamonjena izao tontolo izao very. Natao araka izay mendrika antsika Izy, mba hahatonga antsika ho azo atao araka izay mendrika Azy. Nohelohina noho ny fahotantsika Izy, fahotana izay tsy nandraisany anjara, mba hahatonga antsika hamarinina amin’ ny Fahamarinany, izay tsy niombonantsika Taminy. Niaritra ny fahafatesana izay tokony ho antsika Izy, mba hahazoantsika ny fiainana izay avy Aminy. ‘Ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika’(Isaia 53:5).“Nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika Kristy, mba hahafahantsika mijoro am-pahamendrehana eo anatrehan’ ny kianjan’ ny lanitra. Jereo ny Zanak’ Andriamanitra tao an’ efitry ny fakam-panahy, tao anatin’ ny fotoana nampahalemy Azy indrindra no notafihan’ ny fakam-panahy mahery vaika indrindra Izy. Jereo Izy nandritra ny taona maro nanaovany ny asany, notafihan’ ny herin’ ny ratsy tamin’ ny lafiny maro. Jereo Izy tao anatin’ ny fahoriana lalina teo ambony hazo fijaliana. Niaretany ho antsika izany rehetra izany .”—Testimonies, vol. 8, pp. 208, 209. b. Iza no afaka manandrana izany fitahian’ ny fitiavan’ Andriamanitra izany? Matio 11:28; Jaona 6:37. “Tsy mitaky ezaka ara-tsaina mafy na fijaliana ny fanatonana an’ i Kristy; fa manaiky tsotra ny drafi-pamonjen’ Andriamanitra izay nomeny mazava ao amin’ ny Teniny. Misokatra ho an’ ny rehetra izany fitahiana izany. . .“Amin’ ny alalan’ Ilay Anarana ambony noho ny anarana rehetra, ilay anarana tokana nomena ny olona hahazoany famonjena, no ahafahantsika mitaky ny teny fikasan’ Andriamanitra, manao hoe: ‘ Tompo o! avelao ny heloko; apetrako eo an-tananao ny tanako mba hanampinao ahy, ary mila izany aho fa raha tsy izany dia ho faty. Mino aho ankehitriny.’ ”—Selected Messages, bk. 1, pp. 333, 334.“Ny fahatsapana lalina ny filàntsika sy ny halehiben’ ny faniriantsika ny zavatra angatahantsika no tokony hameno ny vavaka ataontsika, fa raha tsy izany dia tsy hohenoina ny vavaka ataontsika. Kanefa tsy tokony ho kivy isika na hampitsahatra ny vavaka ataontsika satria tsy azontsika eo no ho eo ny valiny. ‘Ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny’. (Matio 11:12). Ny fakàna an-keriny resahana eto dia midika hoe fitozoana masina, tahaka ny niseho tamin’ i Jakoba. Tsy ilaintsika ny hiasa amin’ ny herin’ ny tenantsika amin’ ny fahatsapana mafy, fa amim-pahamoràna, amim-paharetana, no tokony handefasantsika ny fangatahantsika eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana.”—That I May Know Him, p. 272.

3. FIAINAM-BAOVAO AO AMIN’ I KRISTY Talata 15 Aogositra
a. Inona no fihetsika sy fitondran-tena lasa hita maso rehefa mitoky amin’ i Kristy isika? 2 Korintiana 5:17; Galatiana 5:6; Filipiana 2:12, 13. “Ny finoana izay mitarika antsika ho amin’ ny fifandraisana velona amin’ i Kristy dia miseho amin’ ny fanaovana Azy ambony indrindra sy ny fahatokiana tanteraka ary ny fanoloran-tena feno. Miasa amin’ ny fitiavana io finoana io ary manadio ny fanahy. Miasa eo amin’ ny fiainan’ ireo mpanara-dia an’ i Kristy izay mitandrina marina ny didin’ Andriamanitra izany; satria ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny olombelona no vokatry ny firaisana velona amin’ i Kristy.”—Selected Messages, bk. 1, p. 334.“Tsy misy afa-tsy ny herin’ Andriamanitra irery ihany no afaka manavao ny fon’ ny olombelona sy mambabo ny fanahy amin’ ny fitiavan’ i Kristy, izay niseho ombieny ombieny miaraka amin’ ny fitivana an’ ireo izay nanolorany ny Ainy… Rehefa voaova fo ho an’ Andriamanitra ny olona iray, dia misy fisainana vaovao miforona ao aminy, ary misy hery manainga vaovao omena azy, ka lasa tia ny zavatra tian’ Andriamanitra izy…“Fa ireo miandry fanovàna mahagaga kosa mba hanovana ny toetrany kanefa tsy manao ezaka voafaritra mazava tsara avy amin’ izy ireo handresena ny fahotana dia ho diso fanantenana. Tsy misy na inona na inona tokony hatahorantsika raha mbola mibanjina an’ i Jesosy isika, tsy misy antony tokony hisalasalana fa Izy dia afaka mamonjy izay rehetra manatona Azy marina; fa ny tokony hatahorantsika fatratra dia sao hiverina hahazo laka indray ilay natiorantsika taloha, ka hahatonga ny fahavalo hamelatra fandrika ka hahatonga antsika ho lasany babony indray.”—Ibid., pp. 336, 337. b. Inona no faniriana tokony hameno tsy tapaka ny fon’ ny mpino tsirairay avy? Ary ahoana no hahatonga izany hampipetraka tsara antsika eo amin’ ny fototra azo antoka? Jaona 15: 4, 5, 10; Romana 6: 6, 10, 11. “Rehefa niforona io firaisana amin’ i Kristy io, dia tsy maintsy hazonina… tsy fiendrena sendrasendra izany na firaisana tapatapaka. . . .“Ny mitoetra ao amin’ i Kristy dia midika fandraisana mitohy ny Fanahiny, fiainana milefitra tsy misy fepetra ho amin’ ny fanompoana Azy.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 730.“Ny fampiasana ny sitrapo araka ny rariny, dia mety hampisy fiovana tanteraka ao amin’ ny toe-piainana. Raha manolotra ny sitraponao ho an’ i Kristy ianao, dia manolotra ny tenanao hiandany amin’ Ilay hery izay ambony noho ny hery sy ny fanapahana rehetra amin’ izao tontolo izao. Hahazo hery avy any ambony hanohana anao hiorina mafy ianao; ary noho ny fanolorana lalandava ny tenanao ho an’ Andriamanitra, dia ho hainao ny hivelona amin’ ny fiainam-baovao, dia ny fiainana miantehitra amin’ ny finoana”.Ny Tena Hasambarana, p57

4. MITOMBO AMIN’ NY FAHASOAVANA Alarobia 16 Aogositra
a. Rehefa milefitra tanteraka eo amin’ i Kristy ombam-bavaka mba hohazavainy ny fontsika dia inona no fiovana ho hita eo amin’ ny toetra? Galatiana 5:22, 23; Salamo 119:18. “Amin’ ny alalan’ ny fibanjinana no hahatonga ho voaova; ary arakarakaraka ny hisaintsainantsika ny fahatanterahan’ Ilay Modely masina no hananantsika faniriana ho voaova sy havaozina tanteraka hifanaraka amin’ ny endriky ny fahamasinany. Amin’ ny alalan’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra no hahatongavan’ izany fanovàna eo amin’ ny toetra izany ka hahatonga ny zanaky ny tsy fanarahana ho tonga zanak’ Andriamanitra; niala avy amin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana, ka lasa tonga manana toe-panahy sy mahay manavaka ny zavatry ny fanahy. Manilo-tsaina azy ny fahendren’ Andriamanitra ka mahita zava-mahafinaritra ao amin’ ny lalàn’ Andriamanitra izy. Rehefa voaova ho amin’ ny fahamarinana ny olona dia hanomboka ny asa fanovan-toetra. Hihamitombo hatrany ny fahatakarany zavatra. Ary rehefa tonga zanaky ny fanarahana izy dia lasa manana ny sain’ i Kristy ka ny Sitrapon’ Andriamanitra no lasa sitrapony.”—Selected Messages, bk. 1, p. 338. b. Nahoana no fanalahidy lehibe tokoa amin izany dingana izany ny fandinihana Baiboly sy fanahin’ ny faminaniana amin’ ny fo vonona tsara? Salamo 119:24–27. “Tsy ireo manohitra am-pahibemaso ny ‘Fanambarana’ ihany, na ireo mikolokolo fisalasalana momba izany ihany no eo amin’ ny toerana mampidi-doza tsy akory. Fa ny manao antsirambina izany fahazavana izany dia mitovy amin’ ny mandà izany ihany.”—Testimonies, vol. 5, p. 680.“Hoy ny mpanao Salamo: ‘Fanilon’ ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao’. Kanefa tsy tanteraka izany teny izany raha toa ka tsy sokafana sy tsy ianarana ilay teny”—The Review and Herald, January 4, 1881.“Ny fibanjinana mandrakariva an’ i Jesosy amin’ ny mason’ ny finoana no hampahery antsika. Hanao ny fanambarana sarobidy indrindra Andriamanitra ho an’ ny vahoakany noana sy mangetaheta. Hahita izy fa Mpamonjy ny tenany manokana Kristy. Rehefa mivelona amin’ ny Teniny izy, dia hitany fa fanahy sy aina izany. Mamono ny toetra ara-nofo araka izao tontolo izao ny Teny, ary mizara aina vaovao ao amin’ i Kristy Jesosy. Tonga eo amin’ ny fanahy amin’ ny maha Mpananatra Azy ny Fanahy Masina. Noho ny fiasan’ ny fahasoavany manova, dia tafafindra eo amin’ ny mpianatra ny herin’ i Kristy; manjary olom-baovao izy. Maka ny toeran’ ny fankahalana ny fitiavana, ka mandray ny fitovizana amin’ Andriamanitra ny fo. Izany no atao hoe ‘mivelona amin’ ny Teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra’. Izany no mihinana ny mofo izay nidina avy tany an-danitra.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 412

5. MAMPITOMARATARATRA FAHAZAVANA Alakamisy 17 Aogositra
a. Inona no zavatra tena ilaina maika, ho an’ izao tontolo izao anaty haizina? Matio 5:14–16. “Tombotsoa ho an’ ny fanahy tsirairay ny ho tonga fantsona velona ahazoan’ Andriamanitra mampita ho an’ izao tontolo izao ny haren-tsarobidin’ ny fahasoavany sy ny haren’ i Kristy tsy hita lany. Tsy misy irin’ i Kristy mihoatra noho ny manana mpanompo izay maneho ny Toetrany sy vonton’ ny Fanahiny. Tsy misy ilain’ izao tontolo izao mihoatra noho ny fitiavan’ ny Mpamonjy aseho amin’ ny alalan’ ny olombelona. Ny lanitra manontolo no miandry antsika ho fantsona izay hahazoany mampidina ny diloilo masina ho fifaliana sy ho fitahiana ho an’ ny fon’ olombelona. .”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 367. b. Inona no tokony hifantohana eo amin’ ny fiainantsika? Ary inona no ho vokatr’ izany? Galatiana 2:20; Isaia 60:1–3. “ Ny hoe miafina ao amin’ i Kristy dia midika hoe mifidy izay baikon’ i Kristy irery ihany; noho izany izay zavatra mahaliana Azy dia lasa mahaliana anao ihany koa. Ny mialoka Aminy dia midika hoe manao izay Sitrapony irery ihany. Izany no fepetra hahatonga antsika ho mpianatra, ary raha tsy mahafeno izany fepetra izany ianao dia tsy hahita fitsaharana na oviana na oviana.’ ”—Selected Messages, bk. 1, p. 110.“Amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina, dia fahazavana ny Tenin’ Andriamanitra raha tonga hery manavao ao amin’ ny fiainan’ ny mpandray Azy. Avy amin’ ny fampitsiriana ao am-pon’ izy ireo ny foto-kevitry ny Teniny no ampivelaran’ ny Fanahy Masina ao amin’ ny olona ny toetra mampiavaka an’ Andriamanitra. Tokony hamirapiratra eo amin’ ireo mpanaraka Azy ny fahazavan’ ny voninahiny, dia ny toetra amam-panahiny izany..”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 363.

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA Zoma 18 Aogositra
1. Hazavao ny toerana manahirana misy ny taranak’ olombelona,ary inona no azo atao amin’ izany? 2. Nahoana no tsy ampy ny firaisana amin’ i Kristy tsindraindray? 3. Inona no holazainao amin’ ny olona iray diso fanantenana ny amin’ ny filazantsara? 4. Inona no anjara andraikitry ny Baiboly sy ny Fanahin’ ny Faminaniana eo amin’ ny fanamasinana antsika? 5. Hazavao hoe amin’ ny fomba ahoana no hahatonga ny hery miasa mangina avy aminao ho lasa famelombelomana ho an’ ny hafa.
 <<    >>