Mitombo Ho amin’ny Antso Avo Lehibe “Fa handatsaka rano amin’izay mangetaheta Aho, ary riaka amin’izay tany karankaina; eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin’ny terakao.” (Isaia 44:3).
Atolotra ho vakiana:
Testimonies, vol. 1, pp. 179–184;
Testimonies, vol. 8, pp. 14–23.
“Nahoana no tsy noana sy mangetaheta ny fanomezan’ ny Fanahy isika kanefa izany no fomba hahazoantsika hery? Nahoana no tsy miresaka momba izany isika? Na mivavaka ho amin’ izany na mitory momba izany? Nahoana ?”—Testimonies, vol. 8, p. 22.
a. Inona no faminaniana mitondra heviny manokana amin’ ny fiomanana hihaona amin’ ny Tompo? Malakia 4:5.“Amin’ izao vanim-potoana misy antsika izao, mialoha kely ny fiverenan’ i Jesosy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra, dia miantso ny olona rehetra Andriamanitra mba hanomana vahoaka ho afaka hijoro amin’ ilay andro lehiben’ ny Tompo.”—The SDA Bible Commentary [E. G. White Comments], vol. 4, p. 1184.b. Ahoana no nanazavan’ i Jesosy tamin’ ny mpianatra ny fampiharana voalohany an’ io faminaniana io ary ahoana no ifandraisan’ izany amin’ ny asa ataontsika ankehitriny? Matio 17:11–13.“Ireo manomana ny lalana ho amin’ ny fiverenan’ i Kristy fanindroany dia aseho ara-tandindona amin’ ny alalan’ i Elia, tahaka an’ i Jaona tonga tamin’ ny fanahin’ i Elia nanomana ny fihavian’ i Kristy voalohany. Tsy maintsy hetsehina ny resaka lehibe momba ny fanavaozana, ary tsy maintsy sokafana ny sain’ ny olona rehetra. Ny fahalalana onony amin’ ny zavatra rehetra dia mifandraika amin’ ny hafatra hampiviliana ny vahoakan’ Andriamanitra hiala amin’ ny sampiny sy ny fitiavan-komany ary ny rendrarendrany momba ny fitafiana sy ny zavatra hafa.”—Testimonies, vol. 3, p. 62.
2. MPAMBOATRA NY LALAN’ NY TOMPO Alatsinainy11 Septambra
a. Inona no hafatra nahery vaika notorian’ i Jaona mpanao batisa ary nahoana no mifanaraka tsara amin’ izay ataontsika ankehitriny izany? Lioka 1:16, 17; Matio 3:2, 8.“Hitan’ i Jaona mpanao batisa fa voafitaka ny vahoakany, afa-po amin’ ny tenany ary matory ao amin’ ny fahotana. Naniry mafy ny hamoha azy ho amin’ ny fiainana masina kokoa izy. Ny hafatra izay efa nomen’ Andriamanitra azy mba ho entiny dia natao hanaitra azy hiala amin’ ny torimasony sy hahatonga azy hanana tahotra masina noho ny faharatsiana lehibe eo aminy. Tsy maintsy asaina aloha ny tanin’ ny fo vao afaka hitady fanasitranana amin’ i Jesosy. Tsy maintsy fohazina ny olona hahita ny loza mananontanona azy avy amin’ ny ratran’ ny fahotana.“Tsy nandefa mpitondra hafatra hanasoaso ny mpanota Andriamanitra. Tsy hafatry ny fiadanana afaka handrotsirotsy ny olona tsy nohamasininy ao anatin’ ny toky mahafaty no nalefany. Enta-mavesatra no apetrany eo amin’ ny feon’ ny fieritreretan’ ny mpanao ratsy, ka manindrona ny fanahiny amin’ ny zana-tsipikan’ ny fandresen-dahatra.”—Ilay Fitiavana Mandresy, pp 91.b. Manomeza ohatra vitsivitsy manambara fa ny hafatr’ i Elia dia natao hamerina amin’ ny laoniny ny fianam-pianakaviana; tafiditra ao anatin’ izany izay nolazaina mialoha tao amin’ ny asan’ i Jaona mpanao batisa. Malakia 2:13–17; 4:6.“Fantatr’ i Jaona fa eo an-dalana hanambady ny vadin’ ny rahalahiny Heroda, kanefa mbola velona ny vadin’ io vehivavy io, ka niteny tamim-pahitsiana tamin’ i Heroda izy fa tsy ara-dalàna izany.”—Early Writings, p. 154.c. Inona no mamariparitra ny ‘fanahy sy herin’ i Elia’ ary iza no mitory izany hafatra izany ankehitriny? 1 Mpanjaka 18:17, 18, 21; Apokalypsy 12:17.“Maro no tsy sahy manameloka faharatsiana satria matahotra sao ho very ny toerany na ny fitiavan’ ny olona azy. Ary ho an’ ny hafa dia kilasiana ho isan’ ny tsy hatsaram-panahy ny fananarana fahotana. Ny mpanompon’ Andriamanitra dia tsy tokony hanafangaro na oviana na oviana mihitsy ny eritreritry ny tenany manokana amin’ ny fananarana izay natao omeny; fa manana andraikitra miezinezina kosa anefa izy haneho ny Tenin’ Andriamanitra tsy misy tahotra na fiangarana. Tsy maintsy miantso ny fahotana amin’ ny tena anarany tokoa izy. Ireo mandangolango fahotana na tsy miraika amin’ izany dia mamela ny anaran’ Andriamanitra halam-baraka eo anivon’ ny vahoakany, noho izany dia isaina ho isan’ ny mpandika lalàna koa izy ireo, ary voasoratra any an-danitra toy ny mpandray anjara amin’ ilay asa ratsy.”—The Signs of the Times, April 21, 1881.
3. ILAY ASA FARANY Talata12 Septambra
a. Ahoana no azo amintinana ny antso avo maika amin’ izao fotoana izao? Apokalypsy 14:6–13; 18:1–4.“Rehefa hamita ny asany eto an-tany ny Tompo, dia hasandratra indray ny lalàn’ Andriamanitra. Ny fivavahana diso dia hanenika eran-tany; hitombo ny tsy fahamarinana, hihamangatsiaka ny fitiavan’ ny maro, tsy hisy mpahalala ilay hazo fijaliana tany Kalvary, ary handrakotra ny vohon’ ny tany tahaka ny lamba-paty ny haizina; mety hirohotra amin-kery hanohitra ny fahamarinana ny fihetseham-bahoaka; mety hioko handevona ny vahoakan’ Andriamanitra ireo teti-dratsy mpiverimberina, ary amin’ ny fotoana fara tampon’ ny loza no hanandratan’ ny Andriamanitr’ i Elia ny olona ho fiasana izay tsy ho azo ampanginina ny feony. Ao amin’ ny tanàn-dehibe mifanizina, ao amin’ ny toerana izay hitenenan-dratsy indrindra ny Tsitoha, no hampandrenesana ny fananarana mafy. Hiampanga am-pahasahiana ny firaisan’ ny fiangonana amin’ izao tontolo izao ny olona nirahin’ Andriamanitra. Hiangavy ny lehilahy sy ny vehivavy hiala amin’ ny fitandremana ny andro fitsaharana nataon’ olombelona izy ireo ka hitandrina ny tena Sabata marina.”—Mpaminany sy Mpanjaka, pp. 152, 153.b. Inona no zavatra tsy maintsy hita porofo miharihary eo amin’ ny fiteny sy ny fiainantsika? Jaona 1:29; 14:12; 2 Korintiana 4:5–7.“Ny taratra farany avy amin’ ny fahazavan’ ny fahasoavana, ny hafatra farany mitondra famindram-po ho entina amin’ ny taranak’ olombelona, dia fanambarana ny toetra amam-panahy feno fitiavana. Tokony hampibaribary ny Voninahiny ny zanak’ Andriamanitra. Ny fiainan’ izy ireo sy ny toetra amam-panahiny dia tokony hanambara izay efa nataon’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ho azy.“Tokony hamirapiratra amin’ ny tenim-pahamarinana ary amin’ ny asam-pahamasinana ny Fahazavan’ Ilay Masoandron’ ny Fahamarinana.”—Henoinareo ny Fanoharana, pp. 365.c. Ahoana no fomba ahavitan’ ity asan’ Andriamanitra ity? Zakaria 4:6; Isaia 28:21.“Hiasa amin’ ny fomba hafa tsy mahazatra mihitsy ny Tompo amin’ ity asa farany ity ary amin’ ny lalana mifanohitra tanteraka amin’ ny drafitr’ olombelona mihitsy no hiasany.”—Evangelism, p. 118.
4. AHOANA NO FOMBA HANDRAISANA ILAY “FAMELOMBELOMANA” Alarobia13 Septambra
a. Inona no tokony hotsaroantsika mandrakariva momba ny fanalahidy ilaina mba handraisana amin’ ny fahafenoany ny herin’ ny ranonorana farany avy amin’ ny Fanahy Masina? Isaia 57:15.“Hisy eo anivontsika mandrakariva ny olona izay hitady hifehy ny asan’ Andriamanitra, ka hanao didiko fehy lehibe mihitsy aza ny amin’ ny hoe izao na izatsy no hetsika tokony hatao; kanefa ny asa dia handeha eo ambany fitarihan’ ny anjely izay miray amin’ ny hafatry ny anjely fahatelo izay natao homena izao tontolo izao. Hampiasa lalana sy fomba maro Andriamanitra, izay hampiseho fa mandray an-tanana ny familiana eo am-pelatanany mihitsy Izy.”—Evangelism, p. 118.“Ny olona manana talenta iray dia mety ho tonga amin’ ny toerana iray izay tsy ho tratran’ ireo manana roa na dimy mihitsy. Ny lehibe sy ny kely dia samy nofidiana ho fanaka hitondra ny loharanom-piainana ho an’ ireo fanahy karakaina. Aoka ireo mpitory teny tsy hametraka ny tanany eo ambonin’ ireo mpiasa manetry tena ka hiteny hoe: ‘Toy izao no tsy maintsy fomba fiasanao na aza manao mihitsy’. Esory ny tananao ranadahy. Aoka ny tsirairay avy samy hiasa araka ny tontolo misy azy avy, miaraka amin’ izay fitaovana ananany, ka hanao izay azony atao amin’ ny fombany feno fanetren-tena. Atanjaho ho amin’ ny asa ny tanany. Tsy fotoana hampisehoana ny toetran’ ireo fariseo izao ka hifehifehezana. Avelao Andriamanitra hiasa amin’ ny alalan’ izay tiany hiasana. Tsy maintsy handeha ny hafatra .”—Testimonies, vol. 5, p. 462.b. Nahoana no homena ny ranonorana farany? Ary nahoana isika no tokony hanana faharisihana avy amin’ ny hery nanosika ireo mpianatra voalohany? Asan’ny Apostoly 1:8; 4:33; Jeremia 30:5–7.“Mariho fa taorian’ ny firaisan-tsaina tanterak’ ireo mpianatra, rehefa tsy nisy ady toerana ho ambony intsony teo amin’ izy ireo, vao nomena ny Fanahy. Niray hevitra tanteraka izy ireo. Najanona daholo ny fahasamihafana rehetra. . . .“Tsy nangataka fitahiana ho an’ ny tenany manokana ireo mpianatra. Notambesaran’ ny enta-mavesatr’ ireo fanahy hafa izy ireo. . . .“Aoka samy hamela ny fisaratsarahana rehetra ny kristiana ka hanolotra ny tenany ho an’ Andriamanitra mba ho famonjena izay very. Aoka hangataka amim-pinoana ny teny fikasana izy ireo dia ho avy izany.”—Ibid., vol. 8, pp. 20, 21.“Rehefa hivadika ho antso avo lehibe ny hafatry ny anjely fahatelo ka hisy hery sy voninahitra lehibe hiaraka amin’ ny famaranana ny asa, dia handray anjara amin’ izany voninahitra izany ny vahoakan’ Andriamanitra. Izany ranonorana farany izany no hamelombelona sy hanatanjaka azy ireo ho afaka handalo amin’ ilay fotoam-pahoriana lehibe.”—Ibid., vol. 1, p. 353.
5. MAHAFINARITRA LOATRA! Alakamisy14 Septambra
a. Inona no tombotsoa eo anoloantsika manomboka izao? Titosy 2:13; 2 Korintiana 6:1, 2.“Ry anadahy sy rahavaviko, apetrao ny drafitrao; araraoty ny fotoana rehetra ahafahanao miresaka amin’ ny mpiray vodirindrina aminao na mpiara-miasa aminao, na mamakia zavatra ho azy ireo avy ao amin’ ny boky misy fahamarinana. Ampisehoy fa zava-dehibe voalohany aminao ny famonjena ny fanahy izay nanaovan’ ny Tompo sorona lehibe tokoa.“Rehefa miasa hamonjy ireo fanahy very ianao dia manana anjely miaraka aminao. Arivoarivo sy alinalina ny anjely miandry fiaraha-miasa amin’ ny mambry ny fiangonantsika amin’ ny fampitana ny fahazavana nomen’ Andriamanitra mba hahatonga ny olona ho voaomana ho amin’ ny fiavian’ ny Tompo.”—Testimonies, vol. 9, p. 129.b. Lazalazao ny zava-mahagaga hiseho rehefa harotsaka amin’ ny fahafenoany tsy misy fetra ny Fanahy Masina. Zakaria 8:23; Isaia 44:3, 4; 61:11.“Efa nafafy ireo voa, ary ankehitriny dia hitsimoka sy hitondra vokatra izany. Ireo boky aman-gazety nozarain’ ireo misionera dia efa nanao ny asany, eny, maro ireo nitolagaga ka ho tonga amin’ ny fahatakarana tsara ny fahamarinana na ho amin’ ny fankatoavana mihitsy aza. Tafatsofoka any amin’ ny toerana rehetra ankehitriny ny tara-pahazavana, ho hita amin’ ny fahazavany tokoa ny fahamarinana, ary ireo zanak’ Andriamanitra tso-po dia handrodana ny fefy izay nihazona azy ireo. Tsy hahatana azy ireo intsony ny rohim-pihavanana, na ny fifandraisana ao am-piangonana. Ho hita fa sarobidy lavitra noho ny zavatra hafa rehetra ny fahamarinana.”—The Great Controversy, p. 612.
FAMERENANA ATAON’NY TENA MANOKANA Zoma15 Septambra
1. Inona no itovian’ ny asantsika sy ny an’ i Elia ary Jaona mpanao batisa?2. Ahoana no ifandraisan’ ilay famerenana amin’ ny laoniny, izay ilaina ankehitriny, amin’ ny didy folo?3. Fintimpintino ny toetra takiana ho an’ ireo handray ny ranonorana farany.4. Inona no toerana mampidi-doza mety hisy ahy ka tsy handraisako izany tombotsoa lehibe izany?5. Nahoana no tena hahafinaritra tsy takatry ny saina mihitsy ny hahita izany ranonorana farany izany?