Ireo Famantarana ny Fiverenan’ i Kristy “Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra” ( Lioka 21:31).
“Nanome baiko ny mpianany hijery ireo famantarana ny fihaviany Kristy ka hifaly raha mbola eo am-pibanjinana ireo famantarana ny fihavian’ Ilay Mpanjakan’ izy ireo.”—The Great Controversy, p. 308.
1. FAHITANA MIALOHA NY ZAVATRA HO AVY Alahady2 Jolay
a. Inona no faminaniana nataon’ ny Zanak’ olona momba ilay tempoly lehibe tamin’ ny androny, izay toe-javatra izay tsy mbola azon’ ny mpianatra tamin’ izay? Matio 24:1, 2.“Raha voasarika tamin’ ny hakanton’ ny tempoly ny sain’ i Kristy, dia inona kosa ary no tsy maintsy ho eritreritra tsy niloaka nataon’ Ilay Nolavina. Marina fa kanto ny zavatra nanoloana ny masony, nefa hoy Izy tamin’ alahelo, hitako daholo izany. Tsara tarehy tokoa ny trano. Manondro ireo rindrina ireo ianareo toy ny milaza fa tsy mety ho rava ny fijery azy; nefa henoy ny teniko. Ho avy ny andro izay ‘tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana’.—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 673b. Inona no fanontaniana nanitikitika an’ ireo mpianatra? Ary nanao ahoana ny fifandraisan’ izany tamin’ ny faminanian’ i Kristy momba ny faran’ izao tontolo izao? Matio 24:3.“Nampiraisin’ ny mpianatra tamin’ ny handravana an’ i Jerosalema ireo toe-javatra amin’ ny fihavian’ i Kristy manokana ho amin’ ny voninahitra eto an-tany handray ny seza fiandrianan’ ny fanjakana manerana an’ izao tontolo izao, hanafay ny jiosy tsy mibebaka ary hanafaka ny firenena amin’ ny zioga Romana. Nolazain’ ny Tompo fa ho avy fanindroany Izy. Noho izany, rehefa nilaza ny fitsarana hianjady amin’ i Jerosalema Izy, dia nitodika ho amin’ izany fiaviana izany ny sain’ izy ireo.”—Hery Mifanandrina, p. 25.
2. FAMINANIANA TANTERAKA TAORIAN’ NY FIAKARAN’ I KRISTY Alatsinainy3 Jolay
a. Inona no fampitandremana ara-panahy tokony horaisintsika avy amin’ ny anjaran’ ny Tempoly tamin’ ny taona 70 trK, araka ny naminanian’ i Krisy azy? Isaia 30:12, 13.“Ny fikirizana tsy am-piheverana nataon’ ny mpitarika jiosy, sy ny vonoan’ olona mahatsiravina tao anatin’ ny tanàna natao fahirano, dia naharikoriko sy nampisafoaka ny Romana… nisafoaka ny miaramila ka nanipy fanilo mirehitra tao amin’ io efitra nifanila tamin’ ny Tempoly io ary naripany tamin’ ny sabatra ny olona marobe nialoka tao. Niboiboika tahaka ny rano ny rà teny amin’ ny tohatry ny tempoly. An’ arivorivony ny jiosy maty. Re mafy noho ny tabataban’ ny ady ny feo miantsoantso hoe: ‘Ikaboda’! izany hoe lasa ny voninahitra, no heviny. .”—Hery MIfanandrina, p. 32.“Na ny tanàna na ny tempoly dia samy nofongorana hatrany amin’ ny fotony, ary ny tany nisy ny tempoly masina dia ‘nasaina toy ny tanimboly’ (Jeremia 26:18).”— Hery MIfanandrina, p. 34.b. Omeo ireo teboka maromaro mahaliana tokoa azontsika tsimponina avy amin’ ny hoe: ireo izay nihaino ny tenin’ i Jesosy ihany no tsy voaringana. Lioka 21:20–22; Salamo 27:5.“Nandritra ny fito taona dia nisy lehilahy iray niaka-nidina teo amin’ ny araben’ i Jerosalema ka nanambara ireo loza efa hianjady amin’ io tanàna io… Nogadraina sy niharan-doza io voary hafahafa io kanefa tsy nisy fitarainana nivoaka avy tamin’ ny vavany. Raha notevatevaina sy nanaovana herisetra izy dia tsotra ihany ny valinteniny: ‘loza ! loza ho an’ i Jerosalema’ ‘Loza ho an’ izay mponina eo aminy!’ Tsy nitsahatra ny antso mafy fanairana nataony raha tsy novonoina tao anatin’ ny fahirano nambarany mialoha izy.“Tsy nisy na dia iray aza ny kristiana maty nandritra ny nandravana an’ i Jerosalema. Efa nomen’ i Kristy ny mpianatra ny hafatra fanairana, ary izay rehetra nino ny teniny dia niandry ny famantarana nampanantenaina[Lioka 21:20–22.]” Hery MIfanandrina —, p. 30.“[Lioka 21:20–22] Natao ho tandremana efapolo taona taty aoriana io fampitandremana io, tamin’ ny nandravana an’ i Jerosalema. . . .“ ‘Mivavaha hianareo mba tsy ho amin’ ny ririnina na ho amin’ ny Sabata no handosiranareo’, hoy Kristy (Matio 24:20). . . Efapolo taona taorian’ ny nanombohana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, dia mbola notanana ho masina ihany izany Sabata izany. Nandritra ny efapolo taona mantsy dia tokony hivavaka ny mpianatra mba tsy ho amin’ ny andro Sabata no handosirany..”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 676.
a. Inona no zavatra tsy maintsy hitranga amin’ ireo mpino taorian’ ny fandravana tanteraka ny tananan’ i Jerosalema tamin’ ny taona 70 trK? Matio 24:21, 22.“Rehefa avy niteny ny amin’ ny fandravana an’ i Jerosalema Kristy, dia nifindra vetivety tamin’ ny toe-javatra lehibe kokoa, izay masom-by farany eo amin’ ny rojo mampiseho ny tantaran’ ity tany ity, -dia ny fihavian’ ny Zanak’ Andriamanitra amin-kery sy amim-boninahitra. Eo anelanelan’ ireo toe-javatra roa ireo, dia niharihary teo imason’ i Kristy ireo taonjato lava rakotry ny haizina, taonjato feno rà sy ranomaso ary ady mihatra aman’ aina ho an’ ny fiangonany.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 676.b. Nanao ahoana no nanehoan’ ny faminaniana ao amin’ ny bokin’ ny Apokalypsy an’ io vanim-potoanan’ ny fahoriana io? Apokalypsy 11:2, 3; 13:5.c. Inona no toro-lalana ara-Baiboly momba ny vanim-potoana ara-paminaniana izay afaka ny hanampy antsika hahatakatra ny fomba hikajiana ny tena halavan’ io vanim-potoana io marina? Eo am-pandinihana izany dia ataontsika an-tsaina eo am-panaovana kajy fa ny iray volana dia 30 andro izay manome 360 andro isan-taona? Nomery 14:34; Ezekiela 4:6.“Ny fanafoanana ny Soratra Masina tamin’ ny vanim-potoana nanjakan’ i Roma, ary ny vokatra nahatsiravin’ izany fanafoanana izany sy ny fanandratana farany ny tenin’ Andriamanitra dia naseho mazava tsara amin’ ny soratry ny faminaniana. Nomena an’ i Jaona, ilay natao sesitany irery tao Patmosy ny fahitana momba ny 1260 taona, izay vanim-potoana nanomezana hery ny fahefana papaly hanitsaka ny tenin’ Andriamanitra.”—The Spirit of Prophecy, vol. 4, p. 188.“Ny 42 volana, dia ny ‘fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro ihany’, telo taona sy tapany, na 1260 andro ao amin’ ny Daniela 7 – dia ny fe-potoana izay hampahorian’ ny fahefana papaly ny vahoakan’ Andriamanitra. Io fe-potoana io, araka ny voalaza ao amin’ ny toko mialoha, dia nanomboka tamin’ ny fotoana nahatafakatra ny fahefana papaly ho ambony noho ny fahefana tamin’ ny 538 trK, ka niafara tamin’ ny 1798. Tamin’ io fotoana io dia nobaboin’ ny tafika frantsay ny papa, ary tamin’ izany no voan’ ny ratra saika nahafaty azy ny fahefana papaly, ary tanteraka ny fanambarana natao mialoha hoe: ‘ raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy’. (Apokalypsy 13:10).”—Hery Mifanandrina, p. 452.
4. ZAVA-MITRANGA TELO MANEHO ZAVATRA Alarobia5 Jolay
a. Taloha kelin’ ny faran’ ny 1260 taona ara-paminaniana(nanomboka tamin’ izay dia nohafohezina ny fanenjehana), dia inona no famantarana teo amin’ ny natiora izay nampiseho fa efa akaiky ny fiverenan’ i Jesosy? Matio 24:29, 30; Marka 13:24–26; Apokalypsy 6:12, 13.b. Eo am-pandalinana tsirairay an’ ireo faminaniana ireo; ka mijery izay voalazan’ ny tantara sy ny faminaniana, dia inona no zavatra hitranga voalohany? Apokalypsy 6:12.“Ho fanatanterahana io faminaniana io [Apokalpsy 6:12], dia nisy ilay horohoron-tany mafy indrindra voarakitry ny tantara tamin’ ny taona 1755. Na dia hoe ‘horohorontan’ i Lisbonne’ aza no ahafantarana azy io dia nahatratra ny ankabeazan’ i Eoropa, Afrika sy Amerika izany. Re tany Groeland izany, tany India andrefana, tany amin’ ny nosy Madera, tany Norvezy sy tany Soeda, tany Angletera sy tany Irlandy. Tsy latsaky ny enina tapitrisa sy efatra hetsy kilometatra tora-droa ny faritra tratran’ izany.”—Hery Mifanandrina, p. 318.c. Nanao ahoana ny nahatanterahan’ ny faminaniana mikasika ny masoandro sy ny volana? Marka 13:24.“Nifarana tamin’ ny 1798 ny 1260 andro, na taona. 25 taona talohan’ izany taona izany dia efa saiky nitsahatra tanteraka ny fanenjehana. Aorian’ io fanenjehana io, araka ny tenin’ i Kristy, dia hohamaizinina ny masoandro.”— Hery Mifanandrina, p. 320.“ ‘Ny andro maizina’ tamin’ ny 19 May 1780, dia azo lazaina fa saika, na tena tsy nanam-paharoa mihitsy aza. Nanomboka tamin’ ny andron’ i Mosesy dia tsy nisy andro maizina tahaka io mihitsy voarakitra tao amin’ ny tantara, na ny habeny, na ny velaran’ ny tany norakofany na ny fotoana naharetany. Naneho ny fahatanterahan’ ny Tenin’ Andriamanitra ny endrik’ io zava-nitranga io, araka ny namariparitan’ ireo nanatri-maso izany… ‘Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra, alohan'ny hahatongavan'ny andron' i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina (Joela 3: 4).”—Ibid., p. 308.d. Nanao ahoana no fahatanterahan’ ny faminaniana momba ny kintana? Marka 13:25; Apokalypsy 6:13.“[Apokalypsy 6:13.] Io faminaniana io dia tanteraka tamin’ ny fomba nahatalanjona sy nanaitra tokoa tamin’ ny fihetsehan’ ny kintana tamin’ ny 13 Novambra 1833. Nisy filatsahan’ ny kintana sy fihetsehana nahatalanjona tokoa tamin’ io fotoana io izay toe-javatra tsy mbola nitranga teo amin’ ny tantara mihitsy.”—Ibid., p. 333.
5. NATAO HISY FIANTRAIKANY Alakamisy6 Jolay
a. Ankoatran’ ireo trangan-javatra voajanahary lehibe telo izay nolazain’ i Kristy ho famantarana ny fiverenany, dia manomeza famantarana hafa, ary hazavao ny fomba fahatanterahan’ izany haingana sy miha faingana hatrany. Matio 24:6–12; Marka 13:7–9; Lioka 21:9–11, 25–27.b. Inona no tokony ho tsaroantsika eo am-pahitana ireny famantarana ireny? Lioka 17:26; Jeremia 8:11, 12.“Ireo loza sy horohoron-tany, ny tondra-drano, ny faharavana eny an-dranomasina sy an-tanety dia hitombo hatrany. Mijery ny tany toy ny tamin’ ny andron’ ny Noa Andriamanitra ankehitriny. Manome ny hafatra avy Aminy ho an’ ny olona ankehitriny toy ny nanomezany izany tamin’ ny andron’ i Noa Izy. Miverina amin’ izao andro iainantsika izao ny faharatsian’ izao tontolo izao tahaka ny talohan’ ny safodrano.”—The Advocate, December 1, 1900.c. Nahoana no mampahery antsika ny fahatanterahan’ ny faminaniana? 1 Samoela 12:16; 1 Petera 2:9.“Voaentana tamin’ ny filàna fibebahana sy fanetren-tena teo amin’ Andriamanitra ireo izay nanaiky ny fampianarana momba ny fiverenan’ i Kristy. Maro ireo nijanona teo anelanelan’ i Kristy sy izao tontolo izao; tamin’ izay anefa dia tsapan’ izy ireo fa tonga ny fotoana tsy maintsy nijoroana. ‘Tena lasa zava-nisy ho azy ireo ny momba ny mandrakizay. Nampidinina akaiky ny lanitra, ary nahatsapa meloka teo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo’… voaentana ho amin’ ny fiainam-panahy vaovao ireo kristiana.Lasa tsapan’ izy ireo fa efa tena fohy ny fotoana, ary tsy maintsy hatao haingana izay tokony hatao amin’ ireo mpiray vodirindrina.”—The Great Controversy, p. 340.
FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA Zoma7 Jolay
1. Nahoana no navelan’ Andriamanitra ho simba tamin’ ny taona 70 trK ilay tempoly nahatalanjona?2. Nahoana no tsy namindrana fo ilay lehilahy tokana nilaza hoe loza ho an’ i Jerosalema?3. Ahoana no hahalalantsika fa ny andro ara-paminaniana dia maneho taona matetika?4. Omeo ny daty nitrangan’ ireo famantarana lehibe nomena an’ i Kristy momba ny fihaviany.5. Eo am-pahitana ny fahatanterahan’ ireo famantarana, dia inona no tokony ho fiantraikan’ izany amiko ka avelako ho tonga eo amiko mihitsy?