Back to top

Sabbath Bible Lessons

“Indro, avy faingana Aho!”

 <<    >> 
Sabata 22 Jolay 2017 Lesona 4
Ireo Hevi-diso amin’ny Andro Farany “Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.” (Matio 24:24).
Atolotra ho vakiana:   Mpaminany sy Mpanjaka, pp. 171 - 174. 
“Hisy hevi-diso mampidi-doza haseho ho toy ny foto-pinoana avy ao amin’ ny Baiboly; ary tokony hahalala tsara ny Baiboly isika mba hahafahantsika miatrika izany. Hosedraina ny finoan’ ny olona tsirairay avy.”—Evangelism, pp. 590, 591.

1. MILA MIAMBINA Alahady 16 Jolay
a. Inona no tetika ampiasain’ ny fahavalo mba hisarihana fanahy tso-po maro izay mino ny fiverenan’ i Jesosy tsy ho ela?? Matio 24:11, 24. “Mahay manao ratsy amim-pahakingana ireo anjelin’ i Satana, ary hamorona zavatra maro izay ho eken’ ny sasany ho fahazavana izy ireo ka hitory izany ho toy ny zava-baovao sy mahatalanjona; eny, mety ho marina ny endrika sasany ao amin’ ilay hafatra, saingy hafangaro amin’ ny hevitr’ olombelona izany ka ireo didin’ olombelona no ho lasa fampianarana. Raha misy fotoana tokony hiambenana sy hivavahana dia izao ankehitriny izao. Mila heverina mafy amim-bavaka ireo zavatra toa manana endrika tsara ivelany, satria izy ireny dia fitaovana ampiasain’ ny fahavalo hisintonana ny fanahy ho amin’ ny lainga kanefa toa akaikin’ ny marina ka ho sarotra ny hanavaka izany”—Evangelism, p. 590.“Marina ny fanambaran’ ny Fanahin’ Andriamanitra. Aza manova ny finoanao ho amin’ ny foto-pinoana hafahafa mihitsy, na mahafinaritra manao ahoana aza no fisehon’ izany, dia hamitaka ny fanahy izany.“Nampitomboina ny famitahan’ i Satana, ary ireo manao dingana hiala amin’ ny fahamarinana dia hahavery izay ninoan’ izy ireo. Raha toa ka tsy misy ifandraisany amin’ izay voasoratra, dia hiditra amin’ ny fahadisoana iray ho amin’ ny iray hafa izy ireo, ka hahilangilan’ ny rivo-pampianarana hafahafa. Efa nidina miaraka amin’ ny fahefana lehibe Satana.”—Ibid., p. 362.

2. FITAKA MAMPIDI-DOZA Alatsinainy 17 Jolay
a. Hazavao ireo fitaka feno hafetsena nampiasan’ ilay fahavalon’ Andriamanitra nentina namitaka tamin’ ny andron’ i Mosesy, izay mbola miverina ankehitriny. Eksodosy 7:10–13; 2 Timoty 3:5–9. “Ireo mpanao mazia…dia nampiseho famantarana sy fahagagana; ary tsy nanao izany avy amin’ ny eritreriny samy irery izy ireo, fa avy amin’ ny herin’ ny andriamaniny, dia i Satana, izay nanampy azy ireo haka tahaka ny asan’ Andriamanitra.“Tsy tena nahay nanova ny tehina ho menarana anefa ny ombiasy; fa tamin’ ny alalan’ ny fankatovana, izay fiasana iray eo am-pelatànan’ ilay mpamitaka lehibe no nahazoany nanao ny ala-tahaka. Tamin’ ny alalan’ ny herin’ i Satana no nanovana ny tehina ho lasa menarana velona. Tsy manam-pahefana hamorona aina na hanome aina ny mpanjakan’ ny maizina, na dia nanana ny fahendrena sy ny hery rehetra ananan’ ny anjely rehetra lavo aza; tombontsoa ananan’ Andriamanitra irery ny manome aina. Fa tamin’ ny herin’ i Satana no nanaovany izany, ka dia vitany izany; saingy hala-tahaka no nataony. Teo imason’ olombelona dia niova ho menarana ny tehina. Rehefa izany dia ninoan’ izy ireo ho avy amin’ i Farao sy ny tandapany izany.”—Patriarchs and Prophets, p. 264. b. Inona no fitaka hampiasain’ ilay fahavalo tsy ho ela intsony? Apokalypsy 13:13. “Ho vofitaky ny fahagagana izay tena azon’ ireo fiasan’ i Satana atao tokoa ny olona, fa tsy hoe hihambo izy ireo tsy akory..”—Hery Mifanandrina, p. 577. c. Inona no fampitandremana efa nolazain’ i Kristy mialoha momba ny filalaovan’ angatra? Matio 24:25, 26. “Moa ve tsy an’ arivony ny mankany an’ efitra manantena ny hahita an’ i Kristy? Ary moa ve tsy re ankehitriny ny antso manao hoe: “Indro, ao amin’ ny efitra mangina Izy” avy ao amin’ ny fivoriana an’ arivony izay misy olona milaza fa mifandray amin’ ny fanahy efa maty? Izany indrindra no fihamboana aroson’ ny filalaovana angatra..”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 677. d. Inona no tokony ho ataontsika an-tsaina eo am-pahitana ireo faminaniana momba ny filalaovan’ angatra izay tanteraka eo amin’ izao tontolo izao ankehitriny? Efesiana 6:11, 12.

3. FAHAGAGANA SY MATOATOA TENA HITA MASO TOKOA Talata 18 Jolay
a. Rehefa miha manatona ny farany, dia inona no fampitandremana manokana nomena mba hisorohana ny fahatokiana an’ ireo famantarana sy fahagagana? Nahoana ? Matio 24:4, 5, 11, 24, 25. “Arakaraka ny hanatonan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ilay andro farany mampidi-doza, dia hifandray akaiky amin’ ireo anjeliny Satana mba hijery ny tetika mahomby indrindra hamiliana ny finoan’ izy ireo. Hitany fa efa nampatorian’ ny fahefany mamitaka ireo fiangonana mamim-bahoaka. Amin’ ny alalan’ ny hevitra mahafinaritra sy fahagagana mamitaka no ahafahany mitazona azy ireo eo ambany fifehezany. Noho izany dia tarihany lalana ireo anjeliny mba hamelatra ny fandrika indrindra eo anoloan’ ireo miandry ny fiverenan’ i Kristy sy milaza fa mitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra.“Ampitandremana isika fa amin’ ny andro farany dia hisy asa arahana famantarana sy fahagagana mamitaka. Ary hanohy izany fahagagana izany izy mandra-pikaton’ ny varavaram-pahasoavana, mba ahafahany manondro amin’ izy ireo ny porofo fa anjelin’ ny mazava izy fa tsy an’ ny maizina tsy akory. . . .“Maro ireo halaim-panahy handray izany fahagagana izany ho avy amin’ Andriamanitra. Ho sitranina eo imasontsika ny marary. Hatao eo anilantsika ireo fahagagana. Voaomana ho amin’ izany fisedrana miandry antsika izany ve isika rehefa ho avy amin’ ny fahafenoany ny fahagagana mamitaka rehetra hataon’ i Satana? Tsy ho maro ve ny fanahy ho voarebireby sy ho azony? Amin’ ny alalan’ ny fialàna amin’ ireo didy sy fitsipika feno avy amin’ Andriamanitra, ka manome fihainoana ireo anganongano, dia ho voaomana amin’ ireo fahagagana mamitaka ny sain’ ireo olona maro. Ankehitriny dia tokony hitady fiadiana ho an’ ny tenantsika isika ka hiomana ho amin’ ilay toe-javatra handraisantsika anjara. Ny finoana ny Tenin’ Andriamanitra, ny fianarana izany amim-bavaka sy ny fampiharana izany, no ho fiarovana ho antsika amin’ ny herin’ i Satana sy hitondra antsika ho amin’ ny fandresena noho ny ràn’ i Kristy.”—Maranatha, p. 208. b. Nahoana no ilaintsika ny hanokatra ny saintsika hahita ilay tetik’ i Satana izay tena hainy tokoa, dia ny filalaovana angatra? 2 Tesaloniana 2:9–12; Mpitoriteny 9:5, 6. “Manan-kery mampiseho ny endriky ny havana aman-tsakaizany efa maty eo anatrehan’ ny olona izy(satana). Tonga lafatra ny hala-tahaka ataony; ny endrika, ny teny, ny feo mahazatra dia samy voaverina amin’ ny fomba miavaka tsara sy mahagaga. Maro no mahita fiononana amin’ ny fahazoana toky fa miriaria amin’ ny fahasambaran’ ny lanitra ny olon-tiany, ary tsy maodimaody velively ny amin’ ny loza mitatao izy ireo raha manongilan-tsofina hihaino ‘fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia.’ (1 Timoty 4:1).”—Hery Mifanandrina, p. 576.

3. MISOROKA NY HALA-TAHAKA TSOTRA SY MALEFAKA Alarobia 19 Jolay
a. Ahoana no fomba hifandraisan’ ny fitorian’ i Noa amintsika amin’ ny maha mpitory ny “hafatra ankehitriny” antsika,- tafiditra ao anatin’ izany ny fahazavana momba ny resaka ara-pahasalamana? Lioka 17:26, 27; 1 Petera 2:11. “Nitory tamin’ ny olona tamin’ ny androny Noa fa nanome 120 taona azy ireo hibebahany amin’ ny fahotany sy hidirany ao amin’ ny sambo fiara Andriamanitra; kanefa nandà ny antso famindram-po izy ireo. Fotoana lava no nomena azy ireo mba hialany amin’ ny fahotany sy ny fahazaran-dratsiny, ka hampivelarany toetra tsara; kanefa ny fironana ho amin’ ny ratsy, izay nalefaka tao amin’ ny sasany tamin’ ny voalohany, dia lasa nihanatanjaka rehefa naverimberina ny tsy firehana izay nitondra azy ireo ho amin’ ny faharavana tsy azo nihodivirana.”—The Review and Herald, October 20, 1885. b. Raha tokony ho dingana tsotra sy mora no nomen’ Andriamanitra antsika, nahoana Izy no nanome antsika ny fanavaozana ara-pahasalamana izay mitaky fandavan-tena mba hamolavolana ny toetrantsika? Matio 7:13–15. “Hanao fahagagana i Satana. Hataony marary ny olona, ary rehefa avy eo dia halany tampoka amin’ izy ireo ny herin’ ny maizina napetrany. Dia toy ny sitrana no fijery azy ireo avy eo. Io endrika fanasitranana ivelany io dia ho tonga fisedrana eo anivon’ ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito.”—Maranatha, p. 209.“Ny fomba nanaovan’ i Kristy ny asany dia tamin’ ny alalan’ ny fitorian-teny sy fanamaivanana ireo fahoriana tamin’ ny fanaovana fanasitranana mahagaga. Nomena torolalana anefa aho fa tsy afaka miasa ohatr’ izay fomba izay isika, satria hampiasa ny heriny amin’ ny fanaovana fahagagana Satana. Tsy afaka miasa amin’ ny alalan’ ny asa fahagagana ny vahoakan’ Andriamanitra ankehitriny satria ireo asam-panasitranana sandoka izay ho lazaina fa avy amin’ Andriamanitra dia hanjaka.“Noho izany antony izany no nahatonga ny Tompo nanome lalana ho an’ ny Vahoakany mba hanao asa fanasitranana ara-batana, miaraka amin’ ny fampianarana ny Tenin’ Andriamanitra. Tokony hanangana toeram-pitsaboana, ary amin’ ny alalan’ ireny toerana ireny no hifandraisan’ ireo mpitory ka hitondran’ izy ireo asa fitsaboana misionera. Amin’ izay dia ho tonga eo amin’ ireo izay tonga mitsabo tena ao amin’ ny toeram-pitsaboana ny hery miasa mangina“Tena fikasan’ Andriamanitra ny hitondrana ny filazantsara any amin’ ireo fanahy maro amin’ ny alalan’ ny asa fitsaboana. Tokony hatsangana any amin’ ireo tanàna maro izany toeram-pitsaboana izany, ary amin’ izany fomba izany no hitondrana amim-pahendrena ny asa fanabeazana.”—Medical Ministry, p. 14.

5. NY ZAVATRA HITA TSY TOKONY HAMPINO! Alakamisy 20 Jolay
a. Fariparito ny fitaka lehibe ho hataon’ i Satana. 2 Korintiana 11:14. “Ny fitaka lehibe farany dia Satana mihitsy no hitonona ho Kristy. Efa ela no niandrasan’ ny fiangonana ny fiverenan’ ny Mpamonjy hanatanteraka ny fanantenan’ izy ireo. Dia hataon’ ilay mpamitaka lehibe izay hahitan’ ny olona ankehitriny fa tonga Kristy. Amin’ ny toerana maro eto an-tany, dia hiseho amin’ ny olona maro toy amin’ ny endrika feno famirapiratana be izy, ka haka tahaka mitovy amin’ ny Zanak’ Andriamanitra izay resahan’ i Jaona ao amin’ ny Apokalypsy (Apokalypsy 1:13–15). Hihoatra noho izay mety ho azon’ ny mason’ olombelona jerena ny famirapiratany. Hisy hiakam-pandresena ho re eny amin’ ny habakabaka. ‘Tonga Kristy! Tonga Kristy!’ hiankohoka eo anatrehany ny olona ka hidera azy, ary amin’ izany dia hanangana ny tanany izy ka hitso-drano azy ireo, tahaka ny nitsofan’ i Kristy rano ireo mpianany raha mbola tety an-tany Izy. Halefaka sy hambabo tokoa ny feony, eny hikarantsana toa feon-kira. Amin’ ny feo feno fangorahana sy fahalemem-panahy no hilazany ireo fahamarinana sasany izay nampianarin’ ny Mpamonjy; hanasitrana ny aretin’ ny olona izy, ary avy eo, amin’ ny alalan’ ny fisehoany ho Kristy , dia hilaza izy fa efa nanova ny Sabata ho Alahady, ary handidy ny rehetra mba hanamasina izany andro izay notahiany izany. Hilaza izy fa ireo izay mbola minia mitandrina ny andro fahafito ho masina dia miteny ratsy ny anarany amin’ ny fandavan’ izy ireo tsy hihaino ny anjeliny izay nalefany hitondra fahazavana sy fahamarinana ho azy ireo. Izany no ho fitaka mafy indrindra sy mila tsy ho voatohitra.”—Maranatha, p. 276. b. Eo anatrehan’ izany zavatra mampidi-doza izany, inona no tokony hifantohantsika hatrany? 2 Korintiana 4:8–10, 18.

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA Zoma 21 Jolay
1. Nahoana no tena zava-dehibe amin’ ny andro farany ireo foto-pinoana ao amin’ ny Baiboly momba ny “fahamarinana ankehitriny”? 2. Ahoana no hanazavantsika ny endri-pahagagana nataon’ ireo mpanao mazian’ i Farao? 3. Tanisao ireo tetika sy fitaovana sasany tena ampiasan’ ny fahavalo, indrindra ireo natao hikendrena ny “zanaka sisa”. 4. Amin’ ny ankapobeny, nahoana no toroana hevitra isika tsy hiandry an’ ireo fanasitranana eo no ho eo amin’ izao vanim-potoana izao? 5. Ahoana no ahafahantsika manavaka tsara ny hala tahaka mamitaka ho avy tsy ho ela momba ny fiverenan’ i Jesosy?
 <<    >>