Vonona! “Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo” (Hebreo 12:14).
Atolotra ho vakiana:
Testimonies, vol. 5, pp. 217–228, 743–746.
“Mampiseho amin’ ireo manodidina antsika ve isika, amin’ ny alalan’ ny fiainana sy ny firesaka masina, fa isika dia olona miandry ny fisehoana be voninahitr’ i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika ?”—Early Writings, p. 111.
1. MIALA AMIN’ ILAY FITAKA MAHAVOA NY REHETRA Alahady20 Aogositra
a. Inona no lainga mampidi-doza miha-mahazo laka ankehitriny izay resahan’ ireo milaza ny tenany ho mpivavaka? Ary ahoana no handavan’ ny Soratra Masina izany? Jakoba 2:14, 20–22, 24.“Feo toy izao matetika no re eny amin’ ireo pilopitra ankehitriny: ‘Minoa, minoa fotsiny ihany. Manàna finoana an’ i Kristy; tsy misy na inona na inona tokony hataonao amin’ ny lalàna efa taloha be, fa matokia an’ i Kristy fotsiny ihany’. Jereo ny fahasamihafan’ izany amin’ ny tenin’ ny apostoly izay nanambara hoe ny finoana tsy misy asa dia maty.”—Faith and Works, p. 89.“Ny faniriana hanana fivavahana moramora izay tsy mitady fiezahana, tsy mitaky fahafoizan-tena, tsy mitaky fisarahana amin’ ny hadalan’ izao tontolo izao, no nahatonga ny fampianarana momba ny finoana, ary ny finoana ihany no fampianarana mamim-bahoaka. Fa ahoana kosa hoy ny Tenin’ Andriamanitra? . . . [Jakoba 2:14, 21, 22, 24.]“Ny fanambaran’ ny Tenin’ Andriamanitra dia manohitra io fampianarana mamela-pandrika momba ny finoana tsy misy asa io. Tsy azo lazaina fa finoana ny mitaky ny fankasitrahan’ ny lanitra nefa tsy mameno ny fepetra izay hanomezana ny famindram-po, fa fiheverana sahisahy fotsiny izany! Fa ny tena finoana marina dia miorina amin’ ny teny fikasana sy ireo fepetry ny Soratra Masina.“Aoka tsy hisy hamita-tena amin’ ny finoana fa mety ho tonga masina izy kanefa minia mandika ny anankiray amin’ ny fitakian’ Andriamanitra. Ny fanahy iniana hanao fahotana iray fantatra dia mampangina ny fanambaran’ ny feon’ ny Fanahy Masina ka mampisaraka ny fanahy amin’ Andriamanitra. ‘Fa ny ota no fandikana ny lalàna’, ary, ‘izay rehetra manota (mandika ny lalàna) dia tsy nahita na nahalala Azy’ (1 Jaona 3:4, 6).”—Hery Mifanandrina, p. 486, 487
2. MANAIKY MARINA NY DRAFI-PANAVOTANA Alatsinainy21 Aogositra
a. Inona no dingana voalohany tena mitondra ho amin’ ny famonjena? Asan’ ny Apostoly 2:37, 38; Romana 5:1.“Ary raha mibanjina ilay Zanak’ ondrin’ Andriamanitra eo ambonin’ ny hazo fijaliana any Kalvary isika dia hiantomboka hivelatra ao an-tsaintsika ny zava-miafina ny amin’ ny fanavotana, ary ny hatsaran’ Andriamanitra mamirapiratra eo dia hitarika antsika ho amin’ ny fibebahana. Tamin’ ny nahafatesany ho an’ ny mpanota no nanehoan’ i Kristy fitiavana tsy takatry ny saina. Ary ny fibanjinan’ ny mpanota izany fitiavana izany no manohina ny fony sy manaitra ny sainy ary mampibebaka azy marina amin’ ny fanahiny”—Ny Tena Hasambarana, pp. 31“Ny fibebahana dia tsy maintsy misy fahatsiarovana mangirifiry noho ny fahotana sy fahafoizana izany. Tsy afaka hiala amin’ ny fahotana isika, raha tsy mahita ny tena maha-fahotana azy, ary raha tsy efa miala tanteraka tsara amin’ izany ao am-pontsika isika dia tsy hisy fiovana tanteraka tsara amin’ ny fiainantsika.”—Ibid., p. 26b. Inona no fahamarinana tena sarobidy indrindra ho an’ ireo mpanara-dia an’ i Kristy? Hebreo 12:14; 1 Petera 1:13–16.“Mifanaraka tsara amin’ Andriamanitra ny fahamasinana.”—Testimonies, vol. 5, p. 743.“Rehefa miova ny mpanota iray ka mahita fihavanana amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny ràn’ ny fanavotana, dia hanomboka ny fiainana kristiana. Amin’ izay dia ‘ho tonga amin’ ny fahatanterahana’ izy; hitombo ka hahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy ’ ”—The Great Controversy, p. 470.“Amin’ ny alalan’ ny fahamendrehan’ i Kristy sy amin’ ny alalan’ ny Fahamarinany, izay isaina ho antsika amin’ ny alalan’ ny finoana, no hahatrarantsika ilay fahatanterahan’ ny toetra kristiana. Ny asa ataontsika isan’ andro sy isan’ ora dia tokony hipetraka eo amin’ ny tenin’ ny apostoly manao hoe: ‘Mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy’(Hebreo 12:2). . . .“Ny fampisehoana ny fitiavan’ Andriamanitra, ny famindram-pony sy ny fahatsarany, ary ny asan’ ny Fanahy Masina izay manazava sy manavao ny fontsika dia mametraka antsika, amin’ ny alalan’ ny finoana, eo amin’ ny firaisana akaiky amin’ i Kristy ka mahatonga antsika hanana fahitana mazava tsara ny Toetrany mba hahafahantsika mahatsinjo ny fitaka lehibe ataon’ i Satana. . . .“Ry rahalahy sy anabavy, amin’ ny alalan’ ny fibanjinantsika Azy no hahatonga antsika ho voaova. Amin’ ny alalan’ ny fitoerantsika eo amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra sady Mpamonjy antsika sy amin’ ny alalan’ ny fibanjinantsika ny fahatanterahan’ ny Toetrany masina ary ny fangatahantsika ny fahamarinan’ i Kristy mba hisaina ho antsika noho ny finoana no hahatonga antsika ho voaova hifanaraka amin’ izay tena Endriny tokoa.”—Testimonies, vol. 5, p. 744.
3. TANJONA MBOLA TSY TRATRA Talata22 Aogositra
a. Inona no fikasan’ Andriamanitra ho antsika mba ahafahantsika miomana hihaona amin’ ny Tompo am-pifaliana? Matio 5:48; Salamo 101:2.“Raha mbola eo am-panadiovana ny fitoerana masina Kristy dia tokony handinika tsara ny fiainany ireo mpanompony ety an-tany ka hampitaha ny toetrany amin’ ny fenitry ny fahamarinana. Rehefa hitan’ izy ireo ny tsy fahatanterahany dia tokony hitady fanampiana amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra izy ireo mba hanampy azy ireo hanana herin-tsaina matanjaka afaka hanohitra ny fakam-panahin’ i Satana hahatongavan’ izy ireo amin’ ny fahatanterahana, dia ny fenitra hotratrarina. Rehefa tafakambana amin’ ny ezaka ataon’ ny maha-olona ny herin’ Andriamanitra dia azon’ izy ireo atao ny handresy ny fakam-panahy na dia toa mafy aza no fijery ka mila tsy ho zakan’ ny maha-olombelona.”—Reflecting Christ, p. 296.“Ireo fahotana raiki-tapisaka dia tsy maintsy toherina sy resena. Ireo toetra ratsy rehetra, na nolovana izany na novolena, dia tsy maintsy sarahana ka atokana ary ampitahaina amin’ ilay fitsipika lehiben’ ny fahamarinana; ary amin’ ny alalan’ ny fahazavana mitomarataratra avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra no tsy maintsy hanoherana fatratra sy handresena izany amin’ ny alalan’ ny herin’ i Krsity.”—Christian Education, p. 113.b. Nahoana no tsy maintsy miady mafy hanana ny fahatanterahana amin’ ny alalan’ ny fandehanana eo amin’ ny Sitrapon’ Andriamanitra isika? 1 Korintiana 9:24, 25; Filipiana 3:12–14.“Ny hoe mandeha eo amin’ ny mazava dia midika hoe mandray fanapahan-kevitra, mampiasa ny fisainana, mampihatra ny herin’ ny sitrapo ho amin’ ny fikasana lalina haneho ny toetra mamin’ i Kristy. Izany dia midika ho fanariana ny asan’ ny maizina rehetra. Tsy tokony ho afa-po ianao ka hiteny fotsiny hoe: ‘zanak’ Andriamanitra aho’. Mibanjina an’ i Jesosy, ary mibanjina Azy hatrany ve ianao ka ho voaova hitovy Aminy? Ny hoe mandeha ao amin’ ny mazava dia midika ho mandroso ho amin’ ny fanatrarana ny tanjona ara-panahy.”—Sons and Daughters of God, p. 200.“Na inona na inona fahadisoana sy tsy fahombiazana tamin’ ny lasa dia tokony hihoatra ambonin’ izany amin’ ny alalan’ ny fanampian’ Andriamanitra isika.”—The Ministry of Healing, p. 516.c. Inona no teny fikasana ho an’ ireo maniry mafy hanana ny toetram-pahamarinana matotra?? Efesiana 3:16; Matio 5:6.
a. Amin’ ny fomba ahoana ihany no ahafahantsika mijoro amin’ ilay ady lehibe farany? Jeremia 15:16.“Tsy misy na iza na iza afa-tsy ireo nanatanjaka ny sainy tamin’ ireo fahamarinana ao amin’ ny Baiboly ihany no hahajoro amin’ ilay ady lehibe farany.”—The Great Controversy, pp. 593, 594.b. Ahoana no hahafahantsika mahalala bebe kokoa ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ ny fampitomboantsika ny fanolororan-tena izay mahazatra antsika? 1 Jaona 5:14; Salamo 119:129–131.“Tsy novakiana sy tsy nankasitrahana ireo fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Niteny taminao Andriamanitra. Efa nanelatrelatra avy ao amin’ ny Teniny sy ireo Fanambarany ny fahazavana saingy natao an-jorom-bala sy natao tsinontsinona izany. Ary ny vokany dia hita maso ny tsy fisian’ ny fahadiovana sy fanoloran-tena ary ny tsy fahampian’ ny finoana eo anivontsika.“Andao samy hametraka fanontaniana ao am-pony avy manao hoe: ‘Ahoana no nahatonga antsika ho tafalatsaka amin’ izao fahalemena ara-panahy sy fisaratsarahana izao? Tsy nitondra ny fisainan’ Andriamanitra tao anatintsika ve isika satria ny zavatra ataontsika dia tsy nifandrindra tamin’ ny finoantsika? ”—Testimonies, vol. 5, p. 217.“Mitandrema ny amin’ ny fanaovanao tsinontsinona ny vavaka manokana sy ny fianarana Tenin’ Andriamanitra. Ireo anefa no fitaovam-piadiana ho entina miady amin’ ilay miezaka mafy hanakana ny dingana ataonao hidirana any an-danitra. Ny fanaovana an-tsirambina, indray mandeha monja, ny vavaka sy fianarana Baiboly dia hitarika anao mora foana ho amin’ ny an-tsirambina manaraka.”—Messages to Young People, p. 96.c. Nahoana no tena zavatra iankinan’ ny aina ny fanolorana tanteraka ny fo sy ny fankatoavana 100% ny Sitrapon’ Andriamanitra araka izay lazainy ao amin’ ny Tsindrimandry? Jakoba 1:21–25.“Mitarika ny olona maro i Satana hino fa odian’ Andriamanitra tsy hita ny tsy fahatokiana eo amin’ ny zava-madinidinika eo amin’ ny fiainana; nefa nasehon’ ny Tompo tamin’ ny fifandraisany tamin’ i Jakoba fa tsy hankasitraka na handefitra amin’ ny ratsy mihitsy Izy na manao ahoana na manao ahoana. Izay rehetra miezaka hanala tsiny na hanafina ny fahotany, ka hamela ireo ho voatana ao amin’ ny bokin’ ny lanitra, tsy nekena ary tsy voavela, dia ho resin’ i Satana.”—Hery Mifanandrina, p. 646“Miasa amin-kery lehibe ho an’ ireo vahoaka mahatoky Andriamanitra, dia vahoaka izay Mankato ny Teniny tsy misy fanontaniana na fisalasalana kely akory”—Testimonies, vol. 4, p. 164.
5. MILEFITRA HO AMIN’ NY FANAMASINANA Alakamisy24 Aogositra
a. Hazavao ireo dingana hahatongavana amin’ ny fanamasinana. 1 Jaona 3:1–3; Hebreo 5:12–14; 6:1.“Tsy mety ho tanteraka ny fankatoavana raha tsy amin’ ny alalan’ ny fahamarinan’ i Kristy ihany. Ny adidin’ ny kristiana dia ny hanana faharetana eo amin’ ny fandresena ny fironan’ ny sainy ho amin’ ny ratsy. . . .“Miasa ho fanamasinana ny kristiana isan’ andro isan’ andro Andriamanitra; kanefa tokony hiara-miasa Aminy ny mpanota, ka hiezaka am-paharetana hanana fahazarana tsara…. Vonona hihaino sy hamaly mandrakariva ny fivavahana ataontsika ny Mpamonjy raha miloatra avy ao amin’ ny fo torotoro izany. Ampitomboany ho an’ ny zanany ny fahasoavana sy ny fiadanana. Am-pifaliana no hizarany fitahiana aminy satria fantany fa ilainy tokoa izany mba hiadiany amin’ ny ratsy malaky mahazo azy.”—Vavolombelona Mahery, p. 467.b. Nahoana no tena zava-dehibe tokoa ny tsy tokony hanakorontanantsika hanohitra izany dingana izany? Efesianina 4:30.“Ny fanoherana voalohany ny fiangavian’ ny Fanahy dia hanokatra lalana ho amin’ ny fanoherana faharoa. Rehefa izany dia hihamafy ny fo ary hihamafy hatoka ny saina.“Etsy an-kilany kosa anefa, ny fanoherana ny fakam-panahy anankiray dia hanome hery hahamora ny fanoherana ny anankiray hafa. Ny fandavan-tena kely anankiray dia hahamora ny fandavan-tena rehetra. Ny fandresena anankiray dia hanokatra lalana ho amin’ ny fandresena mahafinaritra iray hafa. Ny fanoherana fakam-panahy tsirairay avy, ny fandavan-tena tsirairay, ny fandresena fahotana tsirairay avy dia voa voafafy ho amin’ ny fiainana mandrakizay.”—Messages to Young People, pp. 96, 97.
FAMERENANA ATAON’NY TENA MANOKANA Zoma25 Aogositra
1. Inona no hevi-diso mitarika ny kristiana maro ho amin’ ny fieboeboana?2. Ahoana no ahafahako mijery raha toa ka mbola tsy tena lali-paka tsara ny dingan’ ny fibebahako?3. Ahoana no ananako antoka fa te-hanampy ahy handresy ny fahadisoako Andriamanitra?4. Hafiriana ny fotoana laniako amin’ ny fandinihana ireo ‘Fanambarana avy amin’ Andriamanitra’ raha oharina amin’ ireo boky na zavatra hafa?5. Hazao ny fomba ampiasain’ Andriamanitra hamporisihana antsika hamafy voa ho amin’ ny fiainana mandrakizay.