Back to top

Sabbath Bible Lessons

“Indro, avy faingana Aho!”

 <<    >> 
Fanatitry ny Sabata voalohany ho an’ ny Foiben’ ny Misiona any Fiji SABATA 2 SEPTAMBRA 2017 Ny repoblikan’ i Fiji dia fitambarana nosy volkanika ao Pasifika Atsimo, eo ho eo amin’ ny 4 450km atsimo-andrefan’ i Honolulu ary 1 770 km avaratr’ i Nouvelle Zélande. Ao anatin’ ireo nosy kely 332 ao dia saiky ny 106 amin’ izy dia misy olona mipetraka mandavan-taona. I Fiji dia manana toetr’ andro mafana, moron-tsiraka feno fasika, zava-maniry maitso mavana, voankazo isan-karazany, legioma sy zava-maniry hafa maro. Eo ho eo amin’ ny 903 207 eo ho eo ny mponina ao, izay olona teraka tao avokoa Fijianina (Itauki); maro isa amin’ ireny ny Melaneziana mifangaro Polineziana izay 56,8%, ireo Indo-Fidjien izay 45%, ary hafa fihaviana ny 7%. Ny teny anglisy no teny ofisialy ampiasaina ao; fa ny teny Fidjien sy Hindi no ampiasain’ ny maro. Taloha, dia nalaza tamin’ ny resaka ‘cannibalisme’ i Fiji (fihinana’ olona izany), izay fomba nampisain’ ireo mpitari-poko tamin’ izany hampisehoana ny fahamboniany. Tamin’ ny 1835 kosa no tafiditra tao ny kristianisma tamin’ ny alalan’ ny misionera mpanaraka ny foto-kevitra Wesley. Ary ny fiparitahan’ ny filazantsara dia nampitsahatra tanteraka izany fomba ratsy izany, dia ny fihinanana olona sy ny filalaovana ody. Ankehitriny, ny ankamaroan’ ny mponina ato aminay dia kristiana avokoa, Protestanta ny 45%, Hindo ny 27,9%, kristiana hafa ny 10,4%, Katolika ny 9,1%, Silamo ny 6,3%, ny 0,3% dia Sikh ary tsy mivavaka ny 0,8% Tamin’ ny 1974 no tafiditra taty amin’ ny taninay ny hafatry ny fanavaozana rehefa nisy misionera namangy sy nanao batisa olona efatra tamin’ izay. Tamin’ ny 1997 dia naverina natsangana indray ny asa ary fanahy 30 no natao batisa. Nitohy ny fivelaran’ ny asa. Na dia mahantra amin’ ny zavatra eto an-tany aza ireo mpino dia nanao fanamby hanapariaka ny filazantsara ka nahazo fanahy liana maro tany amin’ ny tany hafa sy ireo tanàn-dehibe ary ireo nosy hafa. Tamin’ ny 2015 dia nahazo tany kely maimaim-poana izahay ka nanomboka nanangana fefy kely mba nahafanay nanao fanompoam-pivavahana. Noho ny fitomboanay dia tena filànay maika mihitsy ny hanana trano hanaovana fanompoam-pivavahana sy toerana kely asiana ny foiben-toerana ary hanaovana fanontam-printy. Mivavaka mafy amin’ Andriamanitra izahay mba hikasihany ny fonareo ka hanomezany izay ilainay aty Fiji. Azo antoka fa ho tonga ny fitahiana rehefa manome am-pitiavana ianareo, ka ho tafatsangana ny foiben-toerana aty mba ho voninahitr’ Andriamanitra. ‘Omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa’(Lioka 6:38). Misaotra anareo mialoha sahady izahay noho ny fahalalan-tananareo Ny rahalahy sy anabavinareo aty amin’ ny Misiona Fiji
 <<    >>