Ny Fahendren’Andriamanitra Mitantana ny Fotoana “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahaelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:9).
Atolotra ho vakiana:
Messages Choisis, vol 1, pp. 217- 224.
Premiers Ecrits, pp. 56–58, 69–73, 111–114.
“Marina fa mbola nitohy nihoatra ny fotoana izay nandrasantsika tamin’ ny fanombohan’ izao hafatra izao ny fotoana. Tsy nipoitra tamin’ ny fotoana naniriantsika azy mialoha ny Mpamonjintsika. Kanefa diso ve ny Tenin’ Andriamanitra? Sanatria ! Tokony hotsaroantsika fa ny fampanantenana sy ny fampitandremana avy amin’ Andriamanitra dia samy misy fepetra.”—Evangelism, p. 695.
1. NY FIANTRAN’ ANDRIAMANITRA Alahady3 Septambra
a. Hazavao ny tanjon’ Andriamanitra ho an’ ny olona tsirairay avy noforoniny. 1 Timoty 2:3–6.“Efa nandefitra ela Andriamanitra satria tsy tiany hisy ho very; kanefa misy fetra ny fizakany izany, ary rehefa feno ny kapoaka, dia tsy hisy famindram-po fanindroany intsony. Hirotsaka ny fahatezerany ary handevona Izy ka tsy hisy fanafana intsony.”—The Youth’s Instructor, March 28, 1905.b. Fa nahoana no tsy azon’ Andriamanitra natao ny tonga dia namela avy hatrany ny Isiraely hahazo ny tany nampanantenaina? Hebreo 3:7–11.“Tsy fanirian’ Andriamanitra ny hirenirenen’ ny vahoaka Isiraely efapolo taona tany an’ efitra. Nanome toky Izy fa hitondra azy ireo avy hatrany tany amin’ ny tany Kanana ka hametraka azy ireo any ho vahoaka masina, salama ary miadana. Kanefa ireo nitoriany izany voalohany dia tsy tafiditra tany ‘noho ny tsy finoana (Hebreo 3:19).”—Evangelism, p. 696.
2. NY ANTONY MAHATONGA NY FIHEMORAN’ NY FOTOANA Alatsinainy4 Septambra
a. Inona no loza mananontanona antsika ankehitriny amin’ ny maha mpino antsika? Hebreo 3:12, 13.“Nandritra ny efapolo taona dia ny tsy finoana, ny fimonomononana ary ny fikomiana no tsy nahatafiditra ny Israely tao amin’ ny tany Kanana. Ary ny fahotana toy izany ihany koa no mampihemotra ny Israely moderna tsy hiditra ny Kananan’ ny lanitra. Tsy mbola diso na oviana na oviana mihitsy tsy akory ny teny fikasan’ Andriamanitra. Fa ny tsy finoana, ny fitiavana izao tontolo izao, ny tsy fahamasinana, ary ny disadisa eo anivon’ ireo mitonona ho vahoakan’ Andriamanitra no mitazona antsika nandritra ny taona maro eto amin’ ity tontolo feno ota sy fahoriana ity.”—Evangelism, p. 696.b. Inona no mahatonga an’ Andriamanitra mampitarazoka ny fihaviany? 2 Petera 3:9.“Efa nandreraka ny alina lava feno haizina, kanefa mbola nahemotra ilay maraim-baovao, satria raha tonga ny Tompo, dia ho maro no hita fa mbola tsy vonona. Ny anton’ izao fiandrasana ela izao dia ny tsy fitiavan’ Andriamanitra ny vahoakany ho very.”—Ibid., p. 694.“Noho ny famindram-pony amin’ izao tontolo izao, dia nahemotr’ i Jesosy ny fiverenany, mba ahafahan’ ireo mpanota maheno ny fampitandremana ka hahitan’ izy ireo fialofana ao Aminy mialohan’ ny hirotsahan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra.”—The Great Controversy, p. 458.c. Iza ihany no afaka mampahery ao anatin’ ny haizina ara-panahy manarona ny tany? 2 Petera 3:11, 12; 1 Korintiana 15:34.“Mitady fatratra am-pitiavana hanome fahazavana ireo mitsapatsapa ao anatin’ ny haizin’ ny fahadisoan-kevitra Andriamanitra. Nahemotra ny Fitsarany izao tontolo izao tsy mibebaka mba ahafahan’ ireo mpitondra hazavana mitady sy mamonjy izay very .”—The Review and Herald, March 31, 1910.d. Ahoana no ahafahantsika manafaingana ny fihavian’ i Jesosy? 2 Korintiana 5:20; Matio 24:14.“ Manana fahefana hanafaingana ny fihavian’ ny Tompontsika isika amin’ ny fitondrana ny filazantsara amin’ izao tontolo izao. Tsy tokony hibanjina fotsiny ny fihavian’ ny andron’ Andriamanitra isika fa tokony hanafaingana azy koa.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 680.
3. HERY MANOKANA MANAFAINGANA Talata5 Septambra
a. Ahoana no hahatonga ny fitoriana filazantsara ho tonga amin’ ny fara-tampony amin’ ny andro farany? Zakaria 10:1; Joela 2:23.“Ny asa lehibe fitoriana ny filazantsara dia tsy hifarana amin’ ny fanehoana ny herin’ Andriamanitra latsa-danja noho izay hita teo amin’ ny fiantombohany. Ireo faminaniana izay tanteraka tamin’ ny nirotsahan’ ny ranonorana voalohany tamin’ ny fiandohan’ ny fitoriana filazantsara dia ho tanteraka indray amin’ ny fiafaran’ izany amin’ ny ranonorana farany. .”—Hery Mifanandrina, pp. 637b. Inona no ilaina hahazoana ny ranonorana farany, dia ilay fandrotsahana tsy misy fetra ny Fanahin’ Andriamanitra? Joela 2:17, 18; Asan’ny Apostoly 3:19, 20.“Hitako fa tsy misy na iza na iza hahazo ny ‘famelombelomana’ raha tsy mandresy ny avonavona sy ny ahiahy, ny fitiavan-tena sy ny fitiavana izao tontolo izao ary mandresy ny fiteny sy fihetsika ratsy rehetra. Noho izany, dia tokony hanakaiky araka izay azo atao ny Tompo isika ka hitady fatratra izay ilaina rehetra hiomanana, mba hahatonga antsika ho afaka hijoro amin’ ilay ady lehibe farany. Aoka ny hotsaroan’ ny rehetra fa masina Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy izay masina ihany no ho afaka hitoetra eo anatrehany.”—Early Writings, p. 71.“Tsy maintsy foanana ao am-po ny fahalotoana rehetra ka diovina izany mba hitoeran’ ny Fanahy. Tamin’ ny alalan’ ny fiaiken-keloka sy fialana tamin’ izany, natao tamim-bavaka mafana sy fanoloran-tena ho an’ Andriamanitra, no nahafahan’ ireo mpianatra voalohany niomana tamin’ ny firotsahan’ ny Fanahy Masina tamin’ ny andro Pentekosta. Asa toy izany ihany, saingy avo lenta kokoa no tsy maintsy atao ankehitriny.”—Testimonies to Ministers, p. 507.“Ny batisan’ ny Fanahy no tokony hangatahan’ ny mpiasa tsirairay avy amin’ Andriamanitra. Tokony hivory ny ekipa ka hangataka fanampiana manokana, fahendrena avy an-danitra, mba hahatonga azy ireo hahalala hoe ahoana ho hanaovana drafitra sy hanatanterahana izany am-pahendrena. Indrindra indrindra, tokony hivavaka ny olona mba hanaovan’ Andriamanitra batisan’ ny Fanahy Masina ireo misionerany rehetra.“Ny fisian’ ny Fanahy eo anivon’ ireo mpiasan’ Andriamanitra dia hanome hery ny fitoriana ny fahamarinana hihoatra noho ny voninahitra sy haja eto amin’ izao tontolo izao. Ny Fanahy Masina no manome hery sy manohana ireo fanahy miady mafy amin’ ny zava-manahirana sy ny fialan’ ireo namana ary ny fankahalan’ izao tontolo izao, ka manome azy ireo fahalalana ny amin’ ny tsy fahatanterahany sy ny fahadisoany ihany koa.”—Testimonies, vol. 8, p. 22.
4. MAHAFANTATRA TSARA ILAY MANERANA NY ZAVATRA REHETRA Alarobia6 Septambra
a. Na dia mandroso amin’ ny fahalalana an’ Andriamanitra aza isika, dia inona no zavatra tsy ampahafantariny antsika mihitsy, ary nahoana? Asan’ny Apostoly 1:6, 7.“Tsy nasehon’ Andriamanitra antsika ny fotoana hahataperan’ izao hafatra izao, na ny fotoana hikatonan’ ny varavaram-pahasoavana… Aoka tsy hiezaka hitady hahafantatra izay zavatra efa notazomina ho tsiambaratelon’ ny Avo Indrindra isika.”—Selected Messages, bk. 1, p. 191.“Tsy hafatra ho entin’ ny vahoakan’ Andriamanitra intsony ny mbola hametra fotoana indray. Tsy haintsika ny hahalala na hamaritra ny fotoana, na ny fandrotsahana ny Fanahy Masina, na ny fiverenan’ i Kristy. . . .“ ‘Nasehon’ ny Tompo ahy fa tsy maintsy alefa ny hafatra, ary tsy tokony hamerana fotoana izany satria tsy misy fotoana voafetra nomena intsony. Hitako fa misy olona sasany taitaitra foana, mitsangana amin’ ny fotoana fitoriana, ka hilaza hoe efa tena tafapetraka ny hafatry ny anjely fahatelo, ary tsy mila fotoana hanamafisana izany intsony, fa handeha amin-kery izany, ka hanao ny asany, ka ho vita ao anatin’ ny fahamarinana.’ ”—Ibid., p. 188.b. Nahoana no tokony hahatoky ny fahendren’ Andriamanitra ny amin’ izany isika? Deot 29:29.“Baiko avy tamin’ Andriamanitra ny nitoriana fotoana voafaritra tsara momba ny fitsarana, tamin’ ny nanomezany ny hafatra voalohany. Ny fanisana ireo fe-potoana ara-paminaniana izay fototr’ io hafatra io, izay nametra ny fiafaran’ ny 2300 andro amin’ ny fararanon’ ny 1844, dia mitoetra tsy azo hozongozonina. Ny fiezahana miverimberina hahita datin’ andro vaovao iandohana sy iafaran’ ireo fe-potoana ara-paminaniana mbamin’ ny fisainana diso ilaina hanohanana an’ izany, dia tsy hoe mampivily ny saina hanalavitra ny fahamarinana ho amin’ izao andro izao fotsiny, fa mahatonga fanaovana zinona mihitsy ny ezaka rehetra atao ho enti-manazava ny faminaniana. Matetika, ny famerana fotoana voafaritra mazava hiavian’ i Kristy, ka hitoriana izany hatraiza hatraiza, dia tena mifanandrify indrindra amin’ izay zava-kendren’ i Satana. Rehefa dila ny fotoana notondroina dia totofan’ ny eso sy henatra ireo izay niaro izany hevitra izany, ka dia voahoso-potaka koa ilay fihetsehana lehibe tamin’ ny taona 1843 sy 1844 momba ny fihavian’ i Kristy. Amin’ ny farany dia hanondro vanin’ andro lavitra dia lavitra mbola ho avy momba ny fihavian’ i Kristy izay mikiry amin’ izany hevi-diso izany. Amin’ izay dia ho voataona hiantehitra amin’ ny toky sandoka izy ary maro no tsy hahatsikaritra ny fitaka raha tsy efa diso aoriana loatra.”—Hery Mifanandrina, p. 471
5. FANAMBARANA TSY HO ELA Alakamisy7 Septambra
a. Inona no fanambarana hotononina tsy ho ela intsony avy an-danitra ary inona no mahatonga izany ho tena zava-dehibe miezinezina tokoa ho an’ ny olona rehetra ? Apokalypsy 22:11.“Maro ireo tsy misaina akory ny toerana tokony hisy azy mba hahatonga azy ho afaka hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra tsy misy Mpisoronabe manelanelana intsony amin’ ny andro fahoriana. Ireo mandray ny tombokasen’ Andriamanitra velona ka voaaro amin’ ny andro fahoriana dia tsy maintsy olona mitaratra feno ny endrik’ i Jesosy.“Hitako fa maro no nanao an-tsirambina ny fiomanana izay tena ilaina ka nijery ny ‘andro famelombelomana’ sy ny ‘ranonorana farany’ izay hanomana azy ireo hijoro amin’ ilay andron’ ny Tompo ka hanatrika Azy. Indrisy ! Firifiry no hitako fa tsy manana fialofana mandritra ilay andro mahory! Nataon’ izy ireo an-tsirambina ny fiomanana tena ilaina, noho izany dia tsy ho afaka handray ny famelombelomana izay tsy maintsy ananan’ ny rehetra izy ireo, izany anefa no hanomana ireo rehetra hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra masina. Ireo rehetra tsy manaiky ho volavolain’ ny mpaminany ka tsy mahavita manadio ny fanahiny amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ny fahamarinana rehetra, ary mihevitra fa ny toerana misy azy ireo dia tsara lavita noho ny tena izy aza, dia hianjera amin’ ny andro hirotsahan’ ny loza ary amin’ izay vao hahita fa nila fanavaozana sy famolavolana hananganana azy ireo. Kanefa amin’ izay fotoana izay dia tsy misy fotoana hanaovana izany intsony ary tsy misy Mpanelanelana hangataka ho azy ireo eo anatrehan’ ny Ray intsony. . . . [Apokalypsy 22:11]”—Early Writings, p. 71.“Ireo miaina eto an-tany amin’ ny fotoana izay hahataperan’ ny fanelanelanana ataon’ i Kristy ao amin’ ny fitoerana masina ambony dia hijoro eo anoloan’ Andriamanitra masina tsy misy mpanelanelana intsony. Tsy maintsy ho tsy azo kianina ny fitafian’ izy ireo, ary tsy maintsy efa voadio hiala tamin’ ny fahotana amin’ ny alalan’ ny ràn’ i Kristy ny fahotan’ izy ireo. Amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny ezaka matotra ataon’ ny tenan’ izy ireo no hahatonga azy ireo hivoaka ho mpandresy amin’ ilay ady amin’ ny ratsy.”—The Review and Herald, January 17, 1907.
FAMERENANA ATAON’NY TENA MANOKANA Zoma8 Septambra
1. Inona no azontsika ianarana avy amin’ ny fanemorana ny fidiran’ ny Isiraely ny tany Kanana?2. Iza no tompon’ andraikitra voalohany mahatonga ny fanemorana ny fidirana ao amin’ ny Kananan’ ny lanitra ankehitriny?3. Ahoana no hifandraisan’ izany toe-javatra izany amin’ ny ranonorana farany ary inona no hitranga hahatonga izany hirotsaka?4. Hazavao ny tanjona fototra irotsahan’ ny ranonorana farany sy ny fotoana hisian’ izany.5. Inona no zavatra ilaiko mba hahatonga an’ Andriamanitra hahatoky ahy amin’ io ‘andro famelombelomana’ io?