Ny Vokatra Farany “Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao ampon’ny olona, na inona inona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.” (1 Korintianina 2:9).
Atolotra ho vakiana:
Hery Mifanandrina, pp. 684–706.
Education, pp. 301–309.
“Alao sary an’ eritreritra ny fonenan’ ny voavonjy ary tsarovy fa ho be voninahitra lavitra noho izay azon’ ny eritreritrao saintsainina izany .”—Ny Tena Hasambarana, p. 102.
1. NY ANJARAN’ ILAY PLANETA LAVO Alahady24 Septambra
a. Inona no hitranga amin’ ny planeta Tany rehefa hiverina ny Mpamorona azy? Isaia 24:1, 3, 5, 6; Jeremia 4:23–26.“Amin’ ny fihavian’ ny Kristy dia ho ringana tsy ho eto an-tany avokoa ny ratsy fanahy – ho levon’ ny “fofon’ ain’ ny vavany ary ho foanany amin’ ny fisehoan’ny fihaviany”. Entin’ i Kristy ho any amin’ ny tanànan’ Andriamanitra ny olony ka foana tsy misy mponina ny tany . . .“Tahaka ny efitra lao ny tany manontolo. Miely patrana manerana ny vohon’ ny tany vakivakin ‘ny tanàn-dehibe sy ny vohitra ravan’ ny horohoron-tany, hazo voaongotra, vatolampy montsamontsana atsipin’ ny ranomasina na voaendaka avy amin’ ny tany. .”—Hery Mifanandrina, p.683.b. Inona no hitranga amin’ ilay nanimba ny planeta Tany? Apokalypsy 20:1, 2.“[Jeremia 4:23–26.] Eto no fonenan’ i Satana miaraka amin’ ireo anjely ratsy mandritra ny arivo taona..”—Ibid., p. 685.
2. NY ARIVO TAONA Alatsinainy25 Septambra
a. Hazavao ny hevitry ny hoe hofatorana mandritra ny arivo taona Satana. Apokalypsy 20:3.“Voafetra ho eto an-tany ihany no azony aleha ka tsy afaka ho any amin’ izao tontolo izao hafa haka fanahy sy hanelingelina ireo tsy lavo na oviana na oviana izy. Izany no mahavoafatotra azy; tsy misy olona na iray aza tafajanona izay ahazoany mampiasa ny heriny. Tsy afaka manohy mihitsy ny asa famitahana sy fandringanana izay hany nahitany fahafinaretana nandritra ireo taonjato marobe nifandimby izy. . . .“Na dia ny ratsy fanahy aza izao dia tsy ananan’ i Satana hery, ka izy irery miaraka amin’ ny anjeliny ratsy no sisa mahatsapa ny vokatry ny ozona nentin’ ny fahotana. . .“Mandritra ny arivo taona i Satana dia hirenireny eto amin’ ny Tany foana ka hijery ny vokatry ny fikomiany tamin’ ny lalàn’ Andriamanitra. Mandritra io fotoana io dia ho mafy indrindra ny fahoriany.”—Hery Mifanandrina, pp.685,686b. Inona no asa hataon’ ireo olom-boavonjy rehetra nadritra ny taranaka nifandimby rehefa hakarina hitsena ny Tompo eny amin’ ny habakabaka izy ireo ka ho tonga any an-danitra? Apokalypsy 20:4, 6; 1 Korintiana 6:2, 3.“Miaraka amin’ i Kristy izy mitsara ny ratsy fanahy, ka hampitaha ny asa nataony amin’ ny bokin’ ny fitsipika, dia ny Baiboly, ary nanao fanapahan-kevitra momba ny tsirairay, araka ny zavatra nataon’ ny tenany avy. .“Satana sy ny anjeliny koa dia tsarain’ i Kristy sy ny vahoakany.”—Ibid., p. 687.c. Toerana aiza eto an-tany no hidinan’ i Kristy sy Jerosalema Vaovao avy any an-danitra rehefa tapitra ny arivo taona? Zakaria 14:4, 9; Apokalypsy 21:1, 2.“Rehefa midina avy any an-danitra Jerosalema Vaovao izay sady kanto no mamirapiratra, dia hipetraka eo amin’ ny toerana efa nodiovina sady voaomana handray azy, ka hiditra ao amin’ ny Tanàna Masina i Kristy miaraka amin’ ny vahoakany sy ny anjeliny..”—Ibid., p. 690.d. Inona no ho fihetsiky ny olona hitsangana aorian’ ny arivo taona? Apokalypsy 20:5a, 7, 8.
3. FITAKA MITARIKA HO AMIN’ NY FANDRAVANA Talata26 Septambra
a. Hazavao ny fitaka farany hataon’ i Satana sy ny ho vokatr’ izany. Apokalypsy 20:9–15; Malakia 4:1.“Rehefa mitsangana amin’ ny maty ny ratsy fanahy ka hitany ireo vahoaka maro be miandany aminy, dia velona indray ny fanantenana, ka tapa-kevitra izy fa tsy hitsoaka amin’ ity ady goavana ity. Halahany eo ambany fanevany ny tafiky ny olom-bery rehetra ka amin’ ny alalan’ ireo no hilofosany hanatanteraka ny tetik’ ady novolavolaina. Babon’ i Satana ny ratsy fanahy. Nanaiky ny hotarihin’ ilay lehiben’ ny mpikomy izy ireo tamin’ ny nandavany an’ i Kristy. Vonona ny handray ny soso-kevitra avy aminy sy hankato ny baikony izy. Toy ny efa fanaony, hatrany am-boalohany anefa, dia tsy miseho mivantana ho i Satana ilay fahavalo. Mihambo ho andriana tompon’ izao tontolo izao araka ny hitsiny izy, ary tsy an-drariny no nakana an-keriny ny fananany taminy. Miseho ho toy ny mpanavotra izy amin’ ireo mpanompony voafitaka, ary manome toky azy izy fa ny heriny no namoaka azy ireo avy ao am-pasana, ary efa madiva hamonjy azy avy eo am-pelatanan’ ny fitondrana tsy refesi-mandidy lehibe indrindra izy. Satria niala ny fanatrehan’ i Kristy, dia manao fahagagana i Satana hanohanany ny fihamboany. Mampahatanjaka ny malemy izy ary mahatonga ny rehetra hanana ny toe-tsainy sy ny herim-pony. Manolo-tena hitarika azy hiady amin’ ny tobin’ ny olona masina izy sy haka an-keriny ny tanànan’ Andriamanitra.. . . .“Mandroso am-pilaminana toy ny famindran’ ny miaramila ireo laharana mifanizina mamakivaky ny tany mitriatriatra sy mikitaontaona, manatona ny tanànan’ Andriamanitra. Noho ny baikon’ i Jesosy dia hakatona ny vavahadin’ i Jerosalema Vaovao, ary dia manodidina ny tanàna ireo tafik’ i Satana, vonon-kirohotra hamely azy.”—Hery MIfanandrina, pp. 690, 691.“Hisy afo milatsaka avy an-danitra avy amin’ Andriamanitra. Hivava ny tany. Holoarana avy ao hivoaka ireo fiadiana mangotanatana rehetra. Na dia ny vatolampy aza hirehitra. . . . .“Mandray ny valin’ asany eto an-tany ny ratsy fanahy… misy ho levona haingana, misy kosa izay hijaly mandritra ny andro maro. Samy hofaizina ‘araka ny asany’ avy izy. Efa nafindra tamin’ i Satana ny fahotan’ ny tsara fanahy ka tsy hijaly noho ny fikomiana nataon’ ny tenany fotsiny izy, fa noho ny fahotana rehetra nampanaoviny ny vahoakan’ Andriamanitra koa. Ny famaizana hihatra aminy dia ho mafy lavitra noho ny an’ ny olona nofitahiny. Aorian’ ny hahafatesan’ izay rehetra lavo noho ny fitaka nataony, dia mbola ho velona sy hijaly izy. Amin’ ny farany dia ho levon’ ny afo mpanadio ny ratsy fanahy, ‘na ny fakany na ny sampany’. Satana no fakany, ary ireo mpanaraka azy no sampana. Nampiharina ny famaizana feno noho ny fandikan-dalàna: afa-po ny fitakian’ ny fahamarinana; ary eo am-pibanjinana izany ny tany sy ny lanitra, dia manambara fa marina Jehovah”— Hery MIfanandrina, pp. 699.
4. TEHIRIZINA MANDRITRA NY MANDRAKIZAY Alarobia27 Septambra
a. Amin’ ny fomba ahoana no hiarovan’ i Kristy ny olo-marina amin’ ilay afo tsy hay vonoina? Salamo 84:11.“Raha mbola eo am-pandravana ny tany ny afo fandevonana dia voaaro tsara ao amin’ ilay Tanàna Masina kosa ireo olo-marina.”—The Great Controversy, p. 673.b. Inona no zavatra hitranga aorian’ ny fanadiovana ny tany? Apokalypsy 21:1.“Manadio ny tany ny afo izay mandevona ny ratsy fanahy. Voafafa ny ozona rehetra. Tsy hisy helo mirehitra afo mandrakizay eo anatrehan’ ny voavonjy hampahatsiaro mandrakariva ny vokatra mahatsiravina avy amin’ ny fahotana.”— Hery MIfanandrina, pp. 700.c. Ho antsika ankehitriny, izay mbola miaina ao anatin’ ny planeta feno fahoriana sy olana, aiza no tokony hifantohantsika mba hananantsika fonenana mandrakizay? 2 Petera 3:13; 1 Korintiana 2:9.“Tsy misy teny manandratra indrindra azo hamariparitana ny voninahitry ny lanitra na hanehoana ny halalin’ ny fitiavana tsy manam-petran’ i Jesosy.”—Early Writings, p. 289.“Ny tahotra sao ho lasa resaka ara-nofo fotsiny ny fonenana mandrakizain’ ireo olo-masina no nahatonga ny maro hihevitra izany ho ara-panahy ka nampiala tanteraka ny fahamarinana izay mitarika antsika hibanjina ilay tany vaovao ho toy ny fonenantsika. Nanome toky ireo mpianany Kristy fa handeha hamboatra trano ho azy ireo. Ireo manaiky marina ny fampianaran’ ny Tenin’ Andriamanitra dia tsy diso hevitra ny amin’ ny fonenana any an-danitra.”—The Story of Redemption, p. 430.c. Manao ahoana ny filazana mahafinaritra nomen’ i Jaona antsika momba ilay tany vaovao? Apokalypsy 21:3, 4; 22:1–5.“Misy renirano mikoriana lalandava, tahaka ny vato kristaly, ary eo amin’ ny andaniny roa dia misy hazo manofahofa ny raviny manalokaloka ny lalana namboarina ho an’ ny navotan’ i Jehovah. Ary ireo lohasaha midadasika dia misandratra ho havoana mahafinaritra, sy ireo tendrombohitr” Andriamanitra mampisondrotra irony tendrony mijoalajoala. Eo amin’ ireo lohasaha mandry fahizay ireo, eny amoron’ ireo rano velona no nahita fonenana ny vahoakan’ Andriamanitra, izay efa ela no naha-mpivahiny sy mpirenireny azy. .”— Hery MIfanandrina, pp. 701.
5. FIFALIANA MANDRAKIZAY Alakamisy28 Septambra
a. Inona no fepetran’ ny fanavaozana indray ao amin’ ny tany vaovao? Isaia 35:5–10; 65:25. Manao ahoana no toetoetry ny fiainan’ ny lanitra?“Nahita saha misy ahitra avo dia avo aho, ary tena tsara endrika tokoa; maitso mavana izy ireo, ary mandefa tara-bolamena sy tara-bolafotsy, ary mievaeva maneho ny Voninahitr’ i Jesosy Mpanjaka. Nony avy eo dia niditra tao amin’ ny saha iray feno ny karazam-biby rehetra izahay: ny liona, ny zanak’ ondry, ny leoparda sy ny ambodia izay miara-miaina am-pirindrana fatratra.”—Early Writings, p. 18.“Ny masiaka ho tonga tsara fanahy, ary ireo mpiahiahy ho tonga feno fahatokiana.”—Education, p. 304.b. Mandritra ny mandrakizay dia hifantoka eo amin’ iza ny zavatra rehetra? Ary amin’ ny fomba ahoana no hahafantarana an’ izany? Zakaria 13:6; Apokalypsy 7:15–17; 5:13.“Tsy hisy helo mirehitra mandrakizay, izay vokatra mahatahotry ny ota, ho hita eo anilan’ ireo olom-boavonjy. Fahatsiarovana tokana ihany no hitoetra: hitondra ny diam-pantsiky ny hazo fijaliana mandrakizay ny Mpamonjintsika.”—The Spirit of Prophecy, vol. 4, p. 489.“Ny taona hifandimby ao amin’ ny mandrakizay dia hitondra fanambarana misimisy kokoa sy be voninahitra kokoa hatrany momba an’ Andriamanitra sy Kristy. Ary arakaraka ny hitomboan’ ny fahalalana an’ izany no hitomboan’ ny fitiavana sy fanajana ary fifaliana. Arakaraka ny hianaran’ ny olona ny momba an’ Andriamanitra no hitomboan’ ny fankasitrahan’ izy ireo bebe kokoa ny Toetrany…“Tapitra ny fifanandrinana lehibe. Tsy misy intsony ny ota sy ny mpanota. Voadio ny onivera iray manontolo. Firindrana sy fifaliana no re eo anivon’ ny voary manontolo. Avy amin’ Ilay namorona ny zavatra rehetra, no ivoahan’ ny fiainana sy fahazavana ary fifaliana, ary hipariaka amin’ ny toerana tsy manam-pahataperana izany. Hatramin’ ny zavatra bitika indrindra ka hatramin’ ny tontolo lehibe indrindra, ny zavatra rehetra, ny miaina sy ny tsy miaina, ao anatin’ ny hatsarany tsy misy tomika sy feno fifaliana tapitr’ ohatra, no hiaraka hilaza fa ‘ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA”—The Great Controversy, p. 678.
FAMERENANA ATAON' NY TENA MANOKANA Zoma29 Septambra
1. Nahoana no tena zava-dehibe tokoa ny miomana ho amin’ ny fiverenan’ i Kristy tsy ho ela?2. Hazavao ny tsy fahazoan-kevitra mateti-pitranga momba ny 1000 taona.3. Hazavao ny paikady farany hampiasain’ i Satana ary nahoana ny olona no ho voafitak’ izany?4. Inona no zavatra tokony ho azontsika an-tsaina momba ny fiainana any amin’ ny tany vaovao?5. Inona no lohahevitra any amin’ ny mandrakizay? Nahoana no tokony hankasitrahantsika dieny izao izany ?