Back to top

Sabbath Bible Lessons

Fianarana avy amin’ ny Epistily nosoratan’ i Jakoba

 <<    >> 

FITARIHAN-TENY

Ny epistily nosoratan’ i Jakoba dia mahitsy. Lehibe manao ahoana ny ilàntsika izany hafatra izany an-kehitriny! Noho izany, amin’ izao telovolana manaraka izao, dia handalina ireo fianarana avy amin’ ny epistily nosoratan’ i Jakoba ireo mpianatry ny Sekoly Sabata maneran-tany. Isan’ ireo teboka manan-danja amin’ izany ny momba ny hery miasa mangina avy amin’ ny lela (na ho amin’ ny ratsy na ho amin’ ny tsara), ny fankatoa-vana an’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny finoana, ny herin’ ny vavaka.Nahoana no tena ilaintiska amin’ izao fotoana izao izany?

“Ny fahotan’ izao vanim-potoana misy antsika izao dia ny fanaovana tsinontsinona ireo baiko nomen’ An-driamaitra mazava tsara. Tena goavana tokoa ny hery miasa mangina mitaona ho amin’ ny la-lan-diso.”—Testimonies for the Church, vol. 3, p. 483.

“Aoka tsy hisy hamitaka ny tenany ka hihevitra fa ho azony atao ny ho tonga masina no sady mandika an-tsitrapo ny anankiray amin’ ireo fitakian’ Andriamanitra. Ny fanatanterahana fahotana anankiray izay efa fantatra dia hampangina ny feon’ ny Fanahy sy hampisaraka ny fanahy amin’ Andriamanitra. ‘Ny ota no fandi-kana ny lalàna’. Ary ‘izay rehetra manota [mandika lalàna] dia tsy nahita na nahalala Azy.’ 1 Jaona 3: 6.”—The Great Controversy, p. 472.

“Ankehitriny dia ilaina ny feon’ ny fananarana; satria misy fahotana mampalahelo nampisaraka ny vahoaka tamin’ Andriamanitra. Tonga lamaody haingana ny tsi-fahatokiana. ‘Tsy manaiky hanjakan’ iny lehilahy iny izahay,’ no fitenin’ ny maro an’ arivony. Lioka 19: 14. Ireo toriteny manafosafo izay matetika toriana no misy fiantraikany; tsy namoaka feo araka ny tokony ho izy ny trompetra. Tsy voafora fo tamin’ ny alalan’ ireo fahamarinana feno sy mahitsy avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra ny olona.

“Maro amin’ ireo manaraka ny fivavahana Kristiana, raha avela haneho ny tena fihetseham-pony marina, no hiteny hoe: inona moa no ilàna fitenenana mahitsy? Mety hanontany ihany koa izy ireo hoe: Inona moa no nilàna ny nitenenan’ i Jaona mpanao batisa tamin’ ireo Fariseo hoe ‘Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?’ Lioka 3: 7. Nahoana no nataony izay hampitroatra ny fahatezeran’ i Herodiasy tamin’ ny nitenenany tamin’ i Heroda fa tsy araka ny lalàna ny fiarahany mitoetra amin’ ny vadin’ ny rahalahiny? Nahavery ny ainy noho ny filazana mahitsy ilay mpialoha làlana an’ i Kristy. Naninona moa raha nandeha nilamina izy fa tsy nanaitaitra ny tsy fankasitrahan’ ireo izay niaina tao amin’ ny fahotana?

“Dia toy izany no fanohanan-kevitra nataon’ ireo olona izay tokony hijoro am-pahatokiana hiaro ny lalàn’ Andriamanitra, mandra-pahatongan’ ny petra-kevitr’ olombelona haka ny toeran’ ny fahatokiana, ka navela amin’ izao tsy misy mpananatra ny fahotana. Rahoviana no ho heno bebe kokoa indray ao am-piangonana ny feo feno fananarana am-pahatokiana?”—Prophets and Kings, pp. 140, 141.

“Fanampiana feno tsara no nomena ho an’ ireo zanakalahy sy zanakavavin’ i Adama hahazoan’ny is-am-batan’ olona ny fahalalana ny sitrapon’ Andriamanitra, hahazoany ny fahatanterahan’ ny toetra Kristiana, sy hahavoadio azy amin’ ny alalan’ ny fahamarinana.”—Testimonies for the Church, vol. 2, p. 644.

Tena ilaintsika marina ny fanampian’ Andriamanitra ary azontsika antoka mazava tsara fa ‘ny vavaka tsi-rairay avy na inona na inona nasandratra tamin-kafanam-po tamin’ ny finoana dia hahazo valiny. Mety ho tonga tsy araka izay niandrasantsika azy izany; fa ho tonga izany, angamba tsy araka ny niheverantsika azy, fa kosa ho tonga amin’ ny fotoana izay tena ilantsika azy iny indrindra.”—Ibid., vol. 3, p. 209. Amen!

Departemanta Sekoly Sabata Foibe Eran-tany

 <<    >>