Back to top

Sabbath Bible Lessons

Fianarana avy amin’ ny Epistily nosoratan’ i Jakoba

 <<    >> 
Lesona 2 Sabata 12 Oktobra 2024

Fahendrena entina miady

TSIANJERY: “Ary raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andria-manitra, Izay manome malalaka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.” (Jakoba 1:5).

“Tsy ilainao ny ho any amin’ ny faran’ ny tany hitady fahendrena fa akaiky antsika Andriamanitra. Tsy ireo fahaiza-miasa anananao ankehitriny na mety mbola ho azonao no hanome anao fahombiazana, fa izay azon’ ny Tompo atao ho anao … Iriny indrindra ny hanome anao fahatsapana eo amin’ ny zavatra ara-nofo sahala amin’ ny eo amin’ ny zavatra ara-panahy. Afaka mandranitra ny saina izy. Afaka manome fahaizana mifandray amin’ ny olona sy fahaizana manao zavatra izy. Apetraho eo amin’ ny asan’ Andriamanitra ny talentanao, ary manga-taha fahendrena Aminy, dia homena anao izany.”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 119.

Atolotra ho vakiana:   Testimonies for the Church, vol. 1, pp. 120, 121; vol. 2, pp. 232–235. 

Alahady 6 Oktobra

1. MANGATAKA FAHENDRENA

a. Nahoana no tena ilaintsika tokoa ny hanana fahendrena mihoatra noho ny an’ ny olombelona ary amin’ ny fomba ahoana no ahazoantsika izany? Jakoba 1:5.

“Tokony ho kely mihitsy ny fitokiantsika ny amin’ izay azon’ ny olona atao, fa ny fitokiantsika izay azon’ Andriamanitra atao ho an’ ny fanahy mino kosa, dia tokony ho be lavitra. Iriany indrindra ny hikatsahanao Azy amin’ ny finoana. Iriany indrindra ny hanantenanao zava-dehibe avy Aminy.”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 119.

“Ny fahenoantsika toriteny isan-tSabata sy ny famakiantsika Baiboly tsy an-kiato ary ny fanazavantsika toko sy andininy dia tsy hahasoa antsika na ireo mihaino antsika, raha toa ka tsy entintsika ampiharina eo amin’ ny fanandramantsika manokana. Ny fahatakaran-javatra, ny sitrapo, ny fitiavana dia tsy maintsy ampileferina eo ambany fifehezan’ ny tenin’ Andriamanitra. Rehefa izany, amin’ ny alalan’ ny asan’ ny Fanahy Masina, ireo fitsipika ao amin’ ny teny dia ho tonga fitsipi-pifehezana eo amin’ ny fiainana

“Rehefa mangataka fanampiana amin’ ny Tompo ianao dia omeo voninahitra Izy amin’ ny alalan’ ny fi-noanao fa handray ireo Fitahiany ianao. Eo ambany fibaikoantsika ireo hery rehetra sy ireo fahendrena rehetra. Mila mangataka fotsiny ihany isika.”—The Ministry of Healing, p. 514.


Alatsinainy 7 Oktobra

2. NOHATANJAHINA TAMIN’ NY FAHATOKIANA

a. Amin’ ny fomba ahoana no ahazoantsika tombony raha heverintsika ho mihoatra noho ny antsika ny fahendren’ Andriamanitra, na dia eo amin’ ny zavatra mahazatra eo amin’ ny fiainana fotsiny aza? Ohabolana 3:3–8.

“ ‘Raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome mala-laka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homeny azy izany.’ Izany teny fikasana izany dia man-an-danja mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy. Raha amin’ ny fo feno fanetren-tena no hitadiavanao ny fitarihan’ Andriamanitra manoloana ireo fotoan-tsarotra sy fisalasalana tsirairay avy dia nanome toky ny Teniny fa hisy valim-pahasoavana homena anao. Ary tsy mba diso na oviana na oviana ny Teniny. Ny lanitra sy ny tany dia ho levona, fa ny Teniny tsy mba ho levona. Matokia an’ i Jehovah dia tsy mba ho menatra na hangozohozo ianao. ‘Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah noho ny mialoka amin’ ny olona. Tsara ny matoky an’ i Jehovah noho ny matoky ny mpanapaka.’

“Na inona na inona toerana mety hisy antsika eo amin’ ny fiainana, na inona na inona asa aman-draharaha ataontsika, dia tsy maintsy manetry tena tsara ka hahatsapa ho mila fanampiana isika; tsy maintsy mamikitra feno amin’ ireo fampianaran’ ny tenin’ Andriamanitra isika, ka hiaiky ny Fitantanany ny zavatra rehetra, ary hi-joro mahatoky amin’ ny alalan’ ny famborahantsika ny ao am-pontsika aminy,amin’ ny alalan’ ny vavaka. Raha mifikitra amin’ ny fahalalanao manokana ianao, ry ranadahy sy rahavaviko, toy ny hitondranao ny làlanao amin’ ny làlan’ izao tontolo izao, dia hijinja alahelo sy fahadisoam-panantenana. Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, ary Izy handamina ny làlanao ho amin’ ny fahendrena, ary ho azo antoka izay kasainao amin’ izao fi-ainana izao sy ny fiainana ho avy. Mila fahazavana sy fahalalana ianao. Na ianao haka torohevitra avy amin’ Andriamanitra, na avy amin’ ny eritreritry ny fonao; na ianao handeha araka ny fahazavana kely avy aminao na hanangona ho eo aminao ny fahazavan’Andriamanitra avy amin’ ilay Masoandron’ ny Fahamari-nana.”—Testimonies for the Church, vol. 5, p. 427.

b. Nahoana no tsy maintsy ajanontsika ny fianteherana mafy amin’ ny fitarihan-dalana avy amin’ ny olona hafa? Jeremia 17:5–8.

“Rehefa mitranga ny fahaverezan-kevitra, ka mifanehatra amin’ ny zava-tsarotra ianao, aza mitaky fanam-piana amin’ ny olombelona. Apetraho amin’ Andriamanitra ny zavatra rehetra. Ny fombantsika milaza ny zava-manahirana antsika amin’ ny hafa dia mahatonga antsika fotsiny ho malemy sady tsy mitondra hery ho an’ izay mihaino antsika. Mametraka eo aminy ny enta-mavesatry ny aretintsika ara-panahy izany, izay tsy azony hamaivanina. Mitady ny herin’ ny olona mety diso sy voafetra isika, kanefa mety ho azontsika ny herin’ Andri-amanitra tsy mety diso ary tsy voafetra.”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 119.


Talata 8 Oktobra

3. MAMPIVELATRA FAHAMARINAN-TOERANA LEHIBE KOKOA

a. Inona no fepetra tsy maintsy fenontsika mialohan’ ny hamalian’ ny Tompo ny fangatahana ataontsi-ka? Jakoba 1:6 (tapany voalohany); Marka 11:24. Manazavà ohatra anankiray ny amin’ ny fomba azontsika hampivelarana tanjaka amin’ io lafiny io. 1 Korintiana 6:3–5.

“Vitsy no mahatsapa ny adidy miantsoroka eo amin’ ireo pasitora vitsivitsy izay mitondra vesatra amin’ izao asa izao. Matetika ireo rahalahy no miantso ireny olona ireny avy amin’ ny asa ataony any hamaha ireo olana madinika eo amin’ izy ireo, handinika ireo fisedrana sasany mianjady amin’ ny fiangonana, toe-javatra izay azon’ izy ireo atrehana ihany. ‘Ary raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamani-tra, Izay manome malalaka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory.’ Tsy maintsy ho olona manam-paharetana sy mahato-ky am-po izy. Raha vao miovaova hevitra izy ka misalasala hoe hanatanteraka izay nampanantenainy ve ny Tompo sa tsia dia tsy handray na inona na inona izy.

“Maro ireo miandry ireo pasitorany hitondra fahazavana avy amin’ Andriamanitra ho azy ireo, toa mihevitra fa izany no lalana mora kokoa noho ny manatona an’ Andriamanitra mivantana. Mahavery zavatra betsaka izany. Raha manaraka an’ i Kristy isan’ andro izy ireo ka manao Azy ho mpitarika sy mpanoro lalana dia nety ho na-hazo fahalalana mazava tsara momba ny Sitrapony, ka rehefa izany dia ho nahazo fanandramana sarobidy. Noho ny fikatsahana io fanandramana io indrindra no mahatonga ireo rahalahy manaraka ny fahamarinana handeha araka ny fahazavana kely avy amin’ ny fanilon’ ny hafa; tsy nanana fifankazarana tamin’ ny Fanahin’ Andri-amanitra izy ireo ary tsy nanana fahalalana ny Sitrapony, ary mora niala tamin’ ny finoany noho izany. Tsy ta-fapetraka tsara izy ireo satria nametra-pitokisana tamin’ ny hafa hahazoana fanandramana ho an’ny ten-any.”—Testimonies for the Church, vol. 2, pp. 643, 644.

b. Oharina amin’ ny inona moa ny Kristiana anankiray izay manomboka mihozongozona finoana? Jakoba 1:6 (tapany farany); Genesisy 49:4 (tapany voalohany). Amin’ ny fomba ahoana no ahafa-hantsika misoroka izany?

“Hihozongozona ny finoan’ ny ankamaroan’ ireo Kristiana raha manohy manao an-tsirambina ny fihaonam-be fivoriana sy fivavahana izy ireo.”—Ibid., vol. 4, p. 106.

“Raiso ho toky ho anao ny tenin’ i Kristy. Moa tsy efa miantso anao hanatona Azy va Izy? Alaviro ny miresaka zavatra mahakivy. Raha manao izany ianao dia ho matiantoka tokoa. Ny fijerinao izay miseho ety ive-lany sy ny fitarainanao rehefa tonga ny fahasahiranana sy ny fahaterena, dia mampiseho mazava finoana marofy sy malemy. Mitenena ary miasà tahaka ny manam-pinoana tsy azo resena.”—Henoinareo ny Fanoharana, pp. 119.


Alarobia 9 Oktobra

4. MIALA AMIN’ NY FO VOAZARAZARA

a. Amin’ ny fomba ahoana no ahazoantsika antoka fa ny vavaka ataontsika hangataham-pahendrena dia ho valiana? Lioka 18:1; Jakoba 1:6, 7.

“Ny fangatahana fahendrena dia tsy mba vavaka tsy misy heviny izay mety hiala ao an-tsaina raha vantany vao vita ilay vavaka. Vavaka maneho ny faniriana lalina sy matanjaka avy ao amin’ ny fo izay mahatsapa ny tsy fisian’ ny fahendrena entina manao ny sitrapon’ Andriamanitra izany

“Rehefa vita ilay vavaka, raha mbola tsy tsapa eo no ho eo ny valiny, dia aza mahatsapa vesatra miandry sy

tonga miroa saina. Aza mihozongozona. Ifikiro ny teny fikasana manao hoe: ‘Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.’ Tahaka ilay mpitondratena nahery nangataka, ento ny olanao, mijoroa tsara amin’ izay tanjonao. Zava-dehibe indrindra sy tena misy heviny goavana aminao ve izany? Tena azo antoka tokoa. Noho izany dia aza mihozohozo, satria mety ho sedraina ny finoanao. Raha zavatra lafo vidy ilay zavatra irianao dia mila ezaka matotra sy matanjaka izany. Manana ny teny fikasana ianao; miambena sy mivavaha. Aoka hijoro tsara dia hovaliana ny fivavahanao; moa tsy Andriamanitra va no efa nampanantena? Raha toa ka tsy maintsy hisy vidiny avy aminao ny hahazoana izany dia ho sandainao ambony indrindra izany rehefa azo. Efa nolazaina mazava taminao fa raha miroa saina ianao dia tsy tokony hieritreritra handray na inona na inona avy amin’ ny Tompo. Ny fampitandremana nomena eto dia ny tsy tokony hiroroa saina fa hijoro mafy amin’ ireo teny fikasana. Raha mangataka ianao, dia hanome malalaka anao izy sady tsy mandatsa.

“Eto no matetika manao fahadisoana ny maro. Miroa saina ny amin’ ireo fikasany izy ireo ka lefy ny fi-noany. Izany no antony tsy handraisany na inona na inona avy amin’ ny Tompo izay Loharanon’ ny herintsika. Tsy misy na iza na iza tokony handeha ao amin’ ny haizina; ka hitsapatsapa tahaka ny jamba; satria Andriamani-tra dia nanomana fahazavana raha toa eken’ izy ireo amin’ ny fomba izay notendreny izany, fa tsy araka ny he-vitry ny tenany. Takian’ Andriamanitra amin’ ny olona rehetra ny fanehoana fahaiza-manao matotra en-ti-manatanteraka ireo adidy andavanandro.”—Testimonies for the Church, vol. 2, pp. 130, 131.

b. Nahoana no tsy maintsy sorohantsika ny saina mizarazara? Jakoba 1:8; Salamo 86:11.

“Maro ireo sady manaraka ny fivavahana Kristiana no mbola manana ny ohatr’ izao tontolo izao eo amin’ izy ireo, ary ny fitiavan’ izy ireo dia tsy mipetraka eo amin’ Andriamanitra. Miroa saina izy ireo, ka mitady izay hanompoana an’ Andriamanitra sy mamôna miaraka…. Amin’ ny alalan’ ny ezaka atao hanompoana tompo anankiroa no hahatonga azy ireo tsy hitombona tsara eo amin’ izay alehany ka tsy ho afaka hijoro…

“Inona moa no tombony azo raha milaza zavatra mahafinaritra, manameloka ny asan’ i Satana, kanefa mi-araka amin’ izay dia manatanteraka ireo fikasany rehetra? Izany no atao hoe miroa saina.”—The SDA Bible Commentary [E. G. White Comments], vol. 7, p. 938.


Alakamisy 10 Oktobra

5. MAHATSIARO AN’ I JAKOBA

a. Amin’ ny fomba ahoana no hanehoan’ i Jesosy an-tsary ny haben’ ny ezaka tokony ataontsika rehefa mangataka hery hanatanterahana ny Sitrapon’ Andriamanitra isika? Matio 11:12.

“‘Ny fanjakan’ ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.’ Ao am-po no isehoan’ io fandrombahana io. Ny miroa saina dia mahatonga tsy fiantombenana tsara. Fahatapahan-kevitra, fanda-van-tena ary fanaovana ezaka matotra no takiana amin’ ny asa fiomanana. Mety ho tafakambana tsara ny faha-takaran-javatra sy ny feon’ ny fieritreretana; kanefa raha tsy ampiasaina ny sitrapo dia mety tsy hahomby isika. Tsy maintsy atolotra manontolo ny fahaiza-manao sy ny fahatsapana rehetra. Vavaka mafana sy lalina no tsy maintsy atao ho solon’ ny tsi-fahazotoana sy ny tsi-firaihana. Amin’ ny alalan’ ny ezaka matotra sy lalina ary fi-noana ny fahamendrehan’ i Kristy irery ihany no ahafahantsika mandresy ka hahazo ny fanjakan’ ny lanitra. Fohy ny fotoana azontsika iasana. Tsy ho ela dia ho avy fanindroany Kristy.”—The SDA Bible Commentary [E. G. White Comments], vol. 1, p. 1096.

“Noho ny fahamarinana goavana izay tombontsoa nomena ho antsika ny nandray azy, dia tokony ho tonga fantsona velona hipariahan’ ny fahazavana isika ary azontsika atao eo ambany herin’ ny Fanahy Masina izany. Azontsika atao noho izany ny manatona ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana; ka mahita ny havana maneho ny teny fikasana, mandohalika amin’ ny fo torotoro, ka mitady ny fanjakan’ ny lanitra amin’ ny ady mafy ara-panahy izay azo antoka hisy vokany. Tokony handrombaka izany tahaka ny nataon’ i Jakoba isika. Rehefa izany ny hafatra entintsika dia herin’ Andriamanitra ho amin’ ny famonjena. Ny fangatahana ataontsika dia tokony ho lalina, feno faniriana fanampiana lalina; rehefa izany dia tsy ho lavina isika. Ny fahamarinana dia tokony hiseho eo amin’ ny fiainana sy ny toetra ary avy amin’ ny lela voakasiky ny afo avy eo amin’ ny alitaran’ Andriamanitra.

“Rehefa ianantsika izany fanandramana izany dia ho tafasandratra hiala avy amin’ ny izaho mahantra sy tsy misy vidiny izay mamintsika ery isika. Ho esorintsika ao am-pontsika ny hery mamatotry ny fitiavan-tena ka ho solointsika fiderana sy fankasitrahana an’ Andriamanitra. Hanandratra ny Tompo isika, ilay Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay nanandratra an’ i Kristy. Ary amin’ ny alalantsika no hanehoany ny Heriny, ka haha-tonga antsika ho toy ny fijinjana maranitra eo amin’ ny saha midadasika Izy. Miantso ny Vahoakany haneho Azy eo amin’ izy ireo Andriamanitra.”—Reflecting Christ, p. 217.


Zoma 11 Oktobra

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Lazalazao ireo fanalahidy fototra ahazoana fahendrena lehibe kokoa avy any an-danitra.

2. Inona no mitranga rehefa afa-po amin’ ny fianteherana amin’ ny fahendren’ olombelona fotsiny isi-ka?

3. Inona no azoko atao mba hahatonga ireo pasitora ho afaka hifantoka amin’ ireo fanahy vaovao?

4. Lafiny inona eo amin’ ny lafim-piainana no mety hampiroa saina ahy mihoatra noho izay heveriko?

5. Hazavao ny hery sy ny faharetan’ ny tolona nataon’ i Jakoba ho an’ ny andro farany

 <<    >>