Back to top

Sabbath Bible Lessons

Fianarana avy amin’ ny Epistily nosoratan’ i Jakoba

 <<    >> 
Sabata 9 Novambra 2024 Lesona 6
Finoana miasa TSIANJERY: “Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?” (Jakoba 2:20).
Atolotra ho vakiana:   Early Writings, pp. 226–228, 269–273. 
“Marina fa tsy mahavonjy olona na dia anankiray aza ny asa tsara, kanefa tsy misy fanahy na dia anankiray aza ho voavonjy tsy misy asa tsara.”—Faith and Works, p. 111.

1. FINOANA SY OHATRA Alahady 3 Novambra
a. Nahoana no tena ilaina ny miaina am-pirindrana tanteraka amin’ ny finoana izay arahantsika? 1 Korintiana 4:9; 1 Jaona 5:3; Jakoba 2:14. “Aoka tsy hisy hamita-tena amin’ ny finoana fa mety ho tonga masina izy kanefa minia mandika ny anan-kiray amin’ ny fitakian’ Andriamanitra. Ny fanahy iniana hanao fahotana iray fantatra dia mampangina ny fanambaran’ ny feon’ ny Fanahy Masina ka mampisaraka ny fanahy amin’ Andriamanitra.”—Hery Mifanandrina, p. 487.“Ny fanambaran’ ny fiainan’ ny olona anankiray dia milaza amin’ izao tontolo izao na mijoro marina amin’ ny finoana arahiny izy na tsia. Ny fitondran-tenanao manamaivana ny lalàn’ Andriamanitra eo anatrehan’ ireo namanao eto amin’ izao tontolo izao dia milaza amin’ izy ireo izany manao hoe: ‘Azonao atao ny mankatoa na tsia ireo didy. Mino aho fa ny lalàn’ Andriamanitra, amin’ ny endriny iray, dia mamatotra ny olombelona; kanefa ny Tompo dia tsy hentitra be loatra amin’ ny fankatoavana ireo fitsipiny, ary raha sendra misy fandikana izany tsy nahy dia tsy hovaliany mafy izany.’“Maro ireo manala tsiny ny tenany rehefa mandika ny Sabata noho ny fanondroany ny ohatra asehonao. Mandresy lahatra izy ireo fa raha olona tsara toa anao, izay mino fa ny andro fahafito no Sabata, no afaka manao ny asa eto amin’ izao tontolo izao amin’ izany andro izany rehefa manery ny toe-javatra, dia azo antoka fa afaka manao izany tsy misy fanamelohana ihany koa izy ireo. Maro ireo fanahy hifanatrika aminao amin’ ny fitsarana ka hanala-tsiny ny fandikany ny didin’ Andriamanitra noho ny hery miasa mangina avy aminao. Na izany aza dia tsy hanala-tsiny ny fahotan’ izy ireo izany, kanefa dia hanameloka anao amin-tahotra izany.”—Testimonies for the Church, vol. 4, p. 250.

2. MIJERY NY LANITRA SY NY TANY Alatsinainy 4 Novambra
a. Inona no ohatra nomen’ i Jakoba hanehoana ny fihatsarambelatsihin’ ny resaka fotsiny tsy misy asa? Jakoba 2:15–17. “Ny toriteny mandresy lahatra indrindra azo atao momba ny lalàn’ Andriamanitra dia ny fitandremana azy. Tokony ho atao adidy manokana ny fankatoavana. Ny fanaovana an-tsirambina io adidy io dia fahotana goa-vana. Nomen’ Andriamanitra adidy isika, tsy hoe hanao izay hahazo antoka ny lanitra ho antsika fotsiny, fa ha-hatsapa fa andraikitra ihany koa ny maneho amin’ ny hafa izany lalana izany, amin’ ny alalan’ ny fikarakarana sy ny fitiavana tsy mila tambiny asehontsika, ka hitarika ho eo amin’ i Kristy ireo olona rehetra manodidina antsika. Ny fahabangan’ ny fitsipika tokana mamaritra ny fiainan’ ireo milaza ho Kristiana dia mampanahy. Ny fa-naovan’ izy ireo tsinontsinona ny lalàn’ Andriamanitra dia manamafy ny fon’ ireo olona izay manaiky fa masina ny fitakian’ izany kanefa mirona hiala amin’ ny fahamarinana raha tokony ho nanaiky azy.”—Testimonies for the Church, vol. 4, p. 58. [Author’s emphasis.] b. Inona no tena hevitry ny hoe finoana an’ i Kristy? Jakoba 2:18; Matio 6:24. “Niteny Andriamanitra, ary ny tiany ho lazaina dia tokony hankatoa ny olona. Tsy nitaky izany Izy raha toa tsy ho vitan’ izy ireo izany. Ilay Tompon’ ny fiainana sy voninahitra dia tsy nijery ny toerana nisy Azy na ny fahafinaretany raha nandao ny Seza fiandrianany amin’ ny fibaikoana avo indrindra ka tonga olon’ ny alahelo sy zatra fahoriana, nanaiky ny fijaliana sy ny fahafatesana ahafahany manafaka ny olona amin’ ny vokatry ny tsi-fankatoavana. Maty Jesosy, tsy hamonjy ny olona ao amin’ ny fahotany, fa hamonjy azy amin’ ny fahotany. Tsy maintsy miala amin’ ireo fahadisoana eo amin’ ny làlany ny olona, ka hanaraka ny ohatr’ i Kristy, handray ny hazofijaliana ka hanaraka Azy, handà ny tenany, ary hankatoa an’ Andriamanitra na inona na inona ho tambin’ izany. . . .“Raha mpanompon’ Andriamanitra marina isika dia tsy tokony hisy fanontaniana ao an-tsaintsika ny amin’ ny hoe hankatoa ny didiny ve sa hitady ny tombon-tsoantsika mandalo. Raha tsy voatazon’ ny finoany ireo mpino ny fahamarinana, amin’ izao andro milamina izao dia inona no hitranga amin’ izy ireo rehefa ho tonga ny fitsapana lehibe ka hivoaka ny didy hanameloka ireo rehetra tsy mety miankohoka amin’ ny sarin’ ny bibidia sy mandray ny marika eo amin’ ny handriny na eo amin’ ny tanany? Tsy lavitra intsony io fotoana miezinezina io. Tokony hanangona tanjaka sy hery ho amin’ ny fotoan-tsarotra ny vahoakan’ Andriamanitra fa tsy ho tonga malemy sy miroa saina.”—Ibid., pp. 250, 251. [Author’s emphasis.]

3. MIANATRA AVY AMIN’ I ABRAHAMA Talata 5 Novambra
a. Inona no toetra ara-panahy mampalahelo hampitandremana antsika mafy? Jakoba 2:19. “Maro ireo manaiky fa Jesosy Kristy no Mpamonjin’ izao tontolo izao kanefa etsy andanin’ izay dia miha-taka Aminy izy ireo, ka tsy mibebaka ny amin’ ny fahotany, ary tsy manaiky an’ i Jesosy ho Mpamonjy ny ten-an’ izy ireo manokana. Ny finoan’ izy ireo dia nijanona ho an’ eritreritra sy fitsarana ny fahamarinana fotsiny; fa tsy tonga tao am-po ny fahamarinana mba ho afaka nanamasina ny fanahy sy nanova ny toetra.”—Selected Messages, bk. 1, pp. 389, 390.“Mety hino ny fahamarinana rehetra ianao; kanefa raha tsy hita eo amin’ ny fiainanao ireo fitsipika amin’ izany, dia tsy hamonjy anao ny finoanao. Satana dia mino sy mangovitra. Miasa izy. Fantany fa kely sisa ny an-drony, ka tonga amin-kery lehibe hanao ny asa ratsiny araka ny finoany. Kanefa ireo milaza ho vahoakan’ An-driamanitra dia tsy manohana ny finoany amin’ ny asany. Mino ny fahafohezan’ ny fotoana izy ireo kanefa dia mbola mikiry fatratra mitady ny harenan’ izao tontolo izao toy ireny hoe mbola haharitra arivo taona miala amin’ izao ny tany.”—Testimonies for the Church, vol. 2, p. 161. b. Amin’ ny fomba ahoana no hahatonga ny ohatra momba an’ i Abrahama hamporisika antsika? Romana 4:1–3; Jakoba 2:20–22. “Nino an’ Andriamanitra i Abrahama. Ahoana no ahafantarantsika fa nino izy? Ny asany dia nanamarina ny tena toetry ny finoany, ary ny finoany dia nisaina ho fahamarinany.“Ilaintsika eo amin’ ny androm-piainantsika ny finoan’ i Abrahama mba hanazava ny haizina mitangorona manodidina antsika, dia haizina izay mikendry hanarona ny fahazavan’ ny fitiavan’ Andriamanitra sy mitady hanakana ny fitomboana ara-panahy. . . . Ny adidy tsirairay avy notanterahina, ny fandavan-tena natao tamin’ ny anaran’ i Jesosy dia hitondra valisoa be lavitra. Amin’ ny fanatanterahana ny andraikitra iny indrindra no hitenenan’ Andriamanitra sy handrotsahany ny Fitahiany.”—The SDA Bible Commentary [E. G. White Com-ments], vol. 7, p. 936.“Hamarinina amin’ ny finoana ny olona, fa tsaraina sy valiana soa araka ny asany.”—The Signs of the Times, November 20, 1884.“Ny fahamarinan’ i Kristy dia mitaky asa marina sy asa tsara atao amin’ ny hery manosika madio sy tsy misy fitiavan-tena.”—Testimonies for the Church, vol. 3, p. 528.“Ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra dia mitaky asa tsara, fandavan-tena, fanoloran-tena ary finiavana hanasoa ny hafa avy amintsika, tsy hoe afaka mamonjy antsika tsy akory ny asa tsara fotsiny, fa tsy ho azo an-toka ny famonjena antsika raha tsy misy asa tsara. Aorian’ ny fanatanterahantsika izay azontsika natao rehetra, dia izao no tokony ho tenenintsika: tsy nanao mihoatra noho ny adidintsika isika, ary mpanompo tsy mahasoa, tsy mendrika na dia fankasitrahana kely avy amin’ Andriamanitra aza. Kristy no tsy maintsy fahamarinantsika sy satroboninahitry ny fifaliantsika.”—Ibid., p. 526.

4. TENY FAMPAHEREZANA Alarobia 6 Novambra
a. Hazavao ny ohatra teo amin’ ny fiainan’ i Abrahama izay tokony ho hita eo amin’ ny fiaintsika ihany koa amin’ ny maha mpino an’ i Kristy antsika. Genesisy 26:5; Jakoba 2:23, 24. “Ny asa tsara dia vokatry ny finoana. Rehefa miasa ao am-po Andriamanitra dia milefitra amin’ ny Sitrapony ny olona, ka miara- miasa Aminy, ny asa ataony ety ivelany dia arakaraky ny asa ataon’ Andriamanitra ao anat-iny amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina, ary misy firindrana eo amin’ ny fikasan’ ny fo sy ny fampiharana eo amin’ ny fiainana. Ny fahotana tsirairay avy dia ho lavina toy ny zava-maharikoriko izay antony nanomboana ny Tompon’ ny fiainana sy voninahitra, ary ilay mpino dia tsy maintsy manana fanandramana mitombo amin’ ny alalan’ ny fanaovana tsy tsapaka ny asan’ i Kristy. Amin’ ny alalan’ ny fampileferana tsy miato ny sitrapo sy fankatoavana mitohy no hitehirizana ny fitahian’ ny fanamarinana.“Ireo nohamarinina tamin’ ny finoana dia tsy maintsy manana fo vonona hitandrina ny lalàn’ i Jehovah. Ny porofo fa tsy nohamarinina tamin’ ny finoana ny olona anankiray dia rehefa tsy mifanaraka amin’ ny finoany ny asany. Hoy Jakoba: ‘Hitanao fa niara- niasa tamin’ ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ ny asa?’ (Jakoba 2:22).“Ny finoana izay tsy niteraka asa tsara dia tsy manamarina ny fanahy.”—Selected Messages, bk. 1, p. 397. b. Nahoana ireo rehetra mijoro ho vavolombelona amin’ ny Jentilisa ankehitriny no afaka ahazo fam-paherezana ny amin’ ny nahatonga an’ i Rahaba Janga ho voatanisa amin’ ireo nohamarinin’ An-driamanitra? Jakoba 2:25; Hebreo 11:31. “Toy izao no fanambarana nataon’ ny vehivavy jentilisa anankiray tao an-tanànan’ i Jeriko feno faharatsi-am-panahy: ‘Fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy ety amin’ ny tany ambany.’ Josoa 2:11. Nahazoany antoka ny famonjena ny tenany ny fahalalana voarainy momba an’ i Je-hovah. . . . Ary ny fiovam-pon-dravehivavy dia tsy asa naningana tamin’ ny famindram-pon’ Andriamanitra tamin’ ny mpanompo sampy tsy akory fa noho ny fanekeny ny fahefan’ Andriamanitra.”—Mpaminany sy Mpanjaka, p. 307.“Ireo rehetra miala amin’ ny fanompoan-tsampy mankamin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra marina taha-ka an’ i Rahaba Kananita sy Rota Moabita dia tsy maintsy nikambana tamin’ ny Vahoaka voafidiny.”—Christ’s Object Lessons, p. 290.“Misy asa lehibe tokony atao ao amin’ ireo tanànantsika ary ny saha dia efa vonona ho amin’ ny fijinjana. Ho antsoina amin’ ny toerana maro isika satria fanahy mibebaka maro, Kristiana sy Jentilisa no hanandratra ny feony hitady fanampiana. Tsy tokony hisy fanandratana ny izaho na dia kely aza; ny antoka tokana ho anao dia ny fitokiana amin’ Andriamanitra.”—The General Conference Bulletin, April 1, 1895.

5. FANALAHIDIN’ NY FANDRESENA Alakamisy 7 Novambra
a. Hazavao ny fomba mety hahazoantsika fandresena ao amin’ i Kristy. Jakoba 2:26; 2 Petera 1:3, 4. “Ilaina ny manana finoana an’ i Jesosy sy mino fa voavonjy amin’ ny alalany ianao; kanefa misy loza mananontanona mahazo ny maro amin’ ny fitenenana hoe: ‘Voavonjy aho.’ Maro no niteny hoe: ‘Tsy maintsy manao asa tsara ianao dia ho velona.’: kanefa raha tsy misy an’ i Kristy dia tsy afaka manao asa tsara. Maro an-kehitriny no miteny hoe: ‘Minoa, minoa fotsiny ihany dia ho velona.’ Miaraka ny finoana sy ny asa, mifamatotra ny mino sy ny miasa. Tsy latsaka noho izay notakiany tamin’ i Adama tao am-Paradisa nialohan’ ny fahalavoana no takiany amin’ ny olona ankehitriny – fankatoavana tanteraka, fahamarinana tsy misy pentina. Ny fitakian’ Andriamanitra tao anatin’ ny fanekem-pahasoavana dia mitovy amin’ ny fitakiana nataony tao am-Paradisa – firindrana amin’ ny Lalàny, izay masina sady marina no tsara. . . . Aoka tsy hisy hamita-tena ka hamalifaly ny fony fa ho eken’ Andriamanitra ny fahatsoram-po, na manao ahoana na manao ahoana finoana, ary tsy olana na tsy tanteraka aza ny fiainany. Mitaky fankatoavana tanteraka amin’ ny zanany anefa Andriamanitra.“Ahafahantsika manatanteraka ny fitakian’ ny lalàna dia tsy maintsy mihazona amin’ ny fahamarinan’ i Kristy ny finoantsika isika ka ho ekentsika ho fahamarinantsika izany. Amin’ ny firaisaina amin’ i Kristy sy amin’ ny alalan’ ny fanekena ny Fahamarinany amin’ ny finoana no hahatonga antsika ho vonona hiasa ny asan’ Andriamanitra sy ho tonga mpiara-miasa amin’ i Kristy. Raha maniry hanohitra ny fitaoman’ ny ratsy ianao kanefa tsy miara-miasa amin’ ireo fitaovan’ ny lanitra hanakanana ny fandikan-dalàna ao amin’ ny ankohonanao, ao amin’ ny fiangonany, ahatongavan’ ny fahamarinana mandrakizay ao, dia tsy manana finoana ianao. Ny fi-noana dia miasa am-pitiavana sy manadio ny fanahy. Amin’ ny alalan’ ny finoana no hiasan’ ny Fanahy Masina ao am-po ka hamoronany fahamasinana ao; kanefa tsy ho azo atao izany raha tsy miara-miasa amin’ i Kristy ny olombelona. . . . ahafahantsika mahazo ny fahamarinan’ i Kristy dia ilaintsika ny ho voaova isan’ andro amin’ ny alalan’ ny herin’ ny Fanahy ka ho tonga hiray amin’ Andriamanitra.”—Selected Messages, bk. 1, pp. 373, 374.

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA Zoma 8 Novambra
1. Eo amin’ ny filazako ho mitandrina ny lalàn’ Andriamanitra dia inona no tokony ho mby ao an-tsaiko mikasika ny hery miasa mangina avy amiko? 2. Inona no takian’ ny Lanitra amin’ ny mpino Kristiana? 3. Nahoana i Abrahama no nolazaina fa rain’ ny mpino? 4. Amin’ ireo mpifanerasera amiko dia iza no mety hiafara tahaka an’ i Rahaba niova fo? 5. Amin’ ny fomba ahoana no tsy maintsy ananako fanandramana Kristiana mandresy?
 <<    >>