Back to top

Sabbath Bible Lessons

Fianarana avy amin’ ny Epistily nosoratan’ i Jakoba

 <<    >> 
Lesona 3 Sabata 19 Oktobra 2024

Miatrika Fakam-panahy

TSIANJERY: “Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy, fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain’ ny Tompo homena izay tia Azy” (Jakoba 1:12).

“Aoka ny teny sy ny fihetsikao hifandrindra amin’ ny fivavahanao. Misy fahasamihafana goavana amin’ ny hoe finoana voazaha toetra amin’ ny afon’ ny fitsapana, sy ny fivavahana ara-pomba fotsiny.”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 119.

Atolotra ho vakiana:   Testimonies for the Church, vol. 3, pp. 477–492. 

Alahady 13 Oktobra

1. ANTONY IRAY MAMPITOMBO NY ARA-PANAHY

a. Fariparito ny tsiambaratelo hahatanteraka ny Jakoba 1: 2 eo amintsika. Nehemia 8:10.

“Ny fisedrana rehetra izay raisina ho toy ny mpampianatra dia hiteraka fifaliana. Hisandratra, hisondrotra, hihatsara sy hihamamiratra miaraka amin’ ireo asa tsara rehetra ny fiainana ara-pivavahana iray manontolo. Faly ny fahavalo rehefa mahita fanahy kivy sy ketraka, mimonomonona sy mitaraina; ny fihetsika toy izany mihitsy no andrasany hisy fiantraikany eo amin’ ny finoantsika. Nomanin’ Andriamanitra tsy hitsotsorika amin’ ny iva anefa ny saina. Ny faniriany dia ny hahatonga ny fanahy tsirairay avy handresy amin’ ny alalan’ ny fifikirana amin’ ny herin’ ny Mpanavotra.”—Testimonies for the Church, vol. 6, pp. 365, 366.

b. Nahoana no avelan’ Andriamanitra ho tonga eo amintsika ireo fisedrana? Jakoba 1:3; Romana 5:3.

“Raha mandresy manoloana ireo fisedrana antsika isika ka maharesy ireo fakam-panahin’ i Satana dia hanam-paharetana eo amin’ ny fisedrana ny finoantsika izay sarobidy lavitra noho ny volamena ary hihamatan-jaka sy ho voaomana bebe kokoa hiatrika ny ho avy. Fa raha milefitra kosa isika ka manome làlana ho an’ ny fa-kam-panahin’ i Satana dia hihamalemy hatrany ka tsy hahazo valisoa avy amin’ ireo fisedrana ary tsy ho voa-omana tsara mihitsy amin’ izay ho avy. Amin’ izany fomba izany no hahatonga antsika hihamalemy hatrany hatrany mandra-pahatonga antsika ho babon’ i Satana hanao ny sitrapony. Tsy maintsy tafiantsika ny fiadian’ Andriamanitra rehetra ka ho vonona amin’ ny fotoana rehetra hisehoan’ ny fifanandrinana amin’ ny herin’ ny maizina isika.”—Early Writings, p. 46.


Alatsinainy 14 Oktobra

2. VOKATRA TSARA LAVITRA NOHO IZAY ERITRERETINTSIKA

a. Hazavao ireo tombontsoa azo amin’ ny fananana faharetana. Jakoba 1:4; Lioka 21:19.

“Andriamanitra dia hendry loatra sady tsara ka mamaly ireo fivavahantsika amin’ ny fotoana sy amin’ny fomba izay tena iriantsika. Betsaka sy tsara kokoa no ho ataony ho antsika mihoatra noho ny faniriantsika. Ary satria azontsika atao ny mitoky amin’ ny Fahendreny sy ny Fitiavany dia tsy tokony hangataka Azy hanatan-teraka ny sitrapontsika isika fa kosa tokony hitady izay hidirana ho amin’ ny fanatanterahana ny Fikasany. Ny faniriantsika sy ny fikasantsika dia tokony hosaromana ao amin’ ny Sitrapony. Ireny fanandramana izay misedra finoana ireny dia natao ho amin’ ny tombotsoantsika. Amin’ ny alalan’ izy ireny no hanehoana raha toa ny fi-noantsika ka marina sy mahitsy, mifototra eo amin’ ny tenin’ Andriamanitra irery ihany, na miankina amin’ ireo toe-javatra ka tsy mitombona tsara sy miovaova. Amin’ ny alalan’ ny fampiasana azy no mampitombo ny fi-noana. Tsy maintsy avelantsika hanao ny asany ny faharetana ka hahatsiaro mandrakariva fa misy teny fikasana sarobidy ho an’ ireo izay miandry an’ i Jehovah ao amin’ ny Soratra Masina.”—The Ministry of Healing, p. 231.

b. Tamin’ ny fomba ahoana ary nahoana i Jakoba no maneho amintsika sary lehibe kokoa mihoatra noho ny fahitana ny fahefana sy fanambinana eto amin’ ity izao tontolo izao feno faharatsiana ity? Jakoba 1:9–11.

“Amin’ izao fotoana izao, mialohan’ ilay ady lehibe farany, tahaka ny nandravana izao tontolo izao voalo-hany, dia voatelina ao amin’ ireo fahafinaretana sy fanomezana fahafaham-po ny nofo ny olona. Noho ny fana-konan’ ireo zavatra hita sy mandalo dia very teo imason’ny olona ny tsy hita sy ny mandrakizay. Satria ireo zavatra simba noho ny fampiasana azy no hanaovan’ izy ireo sorona ny harena tsy mety lo. Mila asandratra ny fisainan’ izy ireo, mila havaozina ny fomba fijerin’ izy ireo ny fiainana. Ilain’ izy ireo ny ho fohazina hiala avy amin’ ny torimaso lalina avy amin’ ny nofinofin’ izao tontolo izao.

“Avy amin’ ny fahitana ny fitsanganana sy ny fahalavoan’ ireo firenen-tsamihafa araka izay voalaza mazava ao amin’ ny Soratra Masina dia ilain’ izy ireo ny mianatra ny maha tsinontsinona izay hita ivelany sy ny voni-nahitra araka izao tontolo izao. I Babylona, niaraka tamin’ ny fahefany sy ny famirapiratany rehetra, tahaka ny ahitantsika izao tontolo izao ankehitriny izay mbola tsy nisy toa azy – dia nanana fahefana sy famirapiratana izay noheverin’ ny olona tamin’ izany andro izany fa mitombona tsara sy maharitra – kanefa nanao ahoana ny na-harava tanteraka azy! Tahaka ny ‘vonin'ny ahitra’ no nahasimba azy. Dia toy izany no nahasimba izay rehetra tsy nanana an’ Andriamanitra ho fanorenana. Izay mifamatotra amin’ ny Fikasany sy maneho ny Toetrany ihany no afaka haharitra. Ireo Fitsipiny irery ihany no zavatra maharitra fantatr’ izao tontolo izao hatreto.”—Education, p. 183.

“Ny harena eto amin’ izao tontolo izao dia mihelina ihany …Amin’ ny alalan’ i Kristy irery ihany no ahafa-hantsika mahazo ny harena mandrakizay.”—The Review and Herald, December 10, 1901.


Talata 15 Oktobra

3. ANATY ADY MIVAIVAY

a. Eo am-piatrehana fakam-panahy dia inona no tsy maintsy ataontsika amim-pivavahana, nahoana? Jakoba 1:12.

“Esory ny fihatsarambelatsihy sy ny fitaka. Aoka ho tsotra araka ny maha ianao anao. Aoka ho marina amin’ ny eritreritra sy ny teny ary ny asa tsirairay avy ka ‘amin’ ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.’ Tadidio mandrakariva fa ny fananana fitsipi-pitondran-tena dia mila fifamatorana amin’ ny fiambenana tsy tapaka sy ny vavaka. Raha mbola mibanjina an’ i Kristy ianao dia ho voaaro; fa amin’ ny fotoana izay hieritreretanao ny fandavan-tenanao sy ireo fahasarotana, ka hanombohanao hisaintsainana izany sy hamendrofendroanao ny tenanao, dia ho very ny fahatokianao an’ Andriamanitra ka ho tandindomin-doza goavana ianao.”—Testimonies for the Church, vol. 4, p. 522.

“Tokony handroso tsy miato isika, ka tsy hanala ny fo na ny fanantenana amin’ ny asa tsara mihitsy na inona na inona fisedrana eo amin’ ny diantsika, na inona na inona haizina mety hanarona antsika. Faharetana, finoana, ary fitiavana mandray andraikitra no lesona tsy maintsy hianarantsika. Ny fampilefarana ny izaho sy ny fiban-jinana an’ i Jesosy dia asa atao isan’ andro. Tsy hilaozan’ Andriamanitra na oviana na oviana ny fanahy izay mi-toky Aminy sy mitady ny fanampiany. Eo amin’ ny handrin’ ireo mpandresy ihany no hametrahana ny satro-boninahitry ny fiainana.”—Ibid., vol. 5, pp. 70, 71.

b. Nahoana no diso ny filazana fa mandefa fisedrana sy fakam-panahy Andriamanitra? Jakoba 1:13.

“Tsy tokony hitady ny hanakely ny fahadisoantsika amin’ ny fialan-tsiny isika. Tsy maintsy ekentsika ny fi-hevitr’ Andriamanitra ny fahotana ho tena zava-dratsy, ary mavesatra aminy tokoa io. Kalvary irery ihany no afaka hampiseho ny maha-zava-dehibe sy maha-zava-mahatahotra ny fahotana. . . .

“Ny fakam-panahy dia fitarihana ho amin’ ny ratsy sy ny fahotana ary tsy avy amin’ Andriamanitra fa avy amin’ i Satana, ary avy amin’ ny ratsy ao am-pontsika. ‘Fa Andriamanitra tsy azon’ ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy.’ Jakoba 1:13

“I Satana dia mitady hitarika antsika ho eo amin’ ny fakam-panahy, mba hiseho eo anatrehan’ ny olona sy ny anjely ny ratsy eo amin’ ny toetsika, ary mba hahazoany hilaza fa azy isika. . . . Mitarika antsika ho amin’ ny fahotana ity fahavalo ity, ary rehefa izany dia miampanga antsika eo anatrehan’ ny lanitra manontolo izy, fa tsy mendrika ny fitiavan’ Andriamanitra isika.”—Sambatra, pp. 103, 104.

c. Rehefa miampanga ny toetrantsika izay ratsy ilay mpiampanga dia manao ahoana ny fomba hia-rovan’ ny Tompo antsika? Zakaria 3:1–4; 1 Jaona 1:9–2:1.


Alarobia 16 Oktobra

4. HERIN’ ANDRIAMANITRA AO AMIN’ NY FAHALEMENTSIKA

a. Hazavao ny fehezan-teny ao amin’ ilay vavaka nampianarin’ ny Tompo manao hoe: ‘Aza mitondra anay amin’ ny fakam-panahy.’ Matio 6:13 (tapany voalohany); Isaia 30:21.

“Avelan’ Andriamanitra hihatra amintsika ireo zava-misakana, ireo fanenjehana, ireo fahasahiranana, tsy ho toy ny ozona anefa, fa ho toy ny fitahiana lehibe indrindra kosa eo amin’ ny fiainantsika. Fa ny fakam-panahy rehetra efa resintsika, ny fitsapana rehetra efa nozakaintsika tamin-kafanam-po, dia mampiseho amin’ izao ton-tolo izao sy amin’ ireo any an-danitra ny herin’ ny fahasoavan’ i Kristy

“Nefa raha tokony tsy hatahotra ny fitsapana isika, na dia mangidy manao ahoana aza izany, dia tokony hivavaka isika mba tsy havelan’ Andriamanitra ho tonga eo amin’ izay toerana mety hitondran’ ny fanirian’ ny fontsika ratsy antsika. Raha manao ity vavaka ity isika, dia manolo-tena fa hotarihin’ Andriamanitra ka manga-taka Azy hitondra antsika amin’ ny lalana mahatoky. Tsy azontsika atao ny hanonona ity fivavahana ity amin’ ny fahatsoram-po, nefa mbola hanapa-kevitra handeha amin’ ny lalana izay nofidian’ ny tenantsika ihany. Tokony hiandry ny Tanany isika hitarika antsika. . . .

“Hampidi-doza ho antsika ny mitaredretra mandinika izay mety ho tombontsoa raha manaraka ny hevitr’ i Satana isika. Ny fahotana dia midika fahamenarana sy faharavana ho an’ ny fanahy rehetra manaiky handairany; araka ny toetrany dia manajamba sy mamitaka ny fahotana, ary hiseho amin’ ny endrika manintona izy mba hamaboana antsika. Raha misodisody any amin’ ny faritr’ i Satana isika dia tsy manana fiarovana amin’ ny heriny. Araka izay tratry ny fahefantsika dia tokony hakatontsika ny hirika rehetra mety hahafahan’ ilay mpaka fanahy mahatratra antsika

“Ity fivavahana ity, ‘Aza mitondra anay amin’ ny fakam-panahy,’ dia teny fikasana rahateo koa.”—Sambatra, pp. 104, 105.

b. Inona no antso sy toky ataon’ Andriamanitra ho antsika mikasika ny fakam-panahy? Jakoba 1:14–16; 1 Korintiana 10:13.

“Inona ny fakam-panahy? Io no fitaovana ampiasaina hisedrana ireo milaza ho zanak’ Andriamanitra. No-vakiantsika fa naka fanahy an’ i Abrahama Andriamanitra ary naka fanahy ny zanak’ Isiraely. Izany dia midika fa navelany hiseho ny toe-javatra mba hitsapana ny finoan’ izy ireo sy hitarihana azy ireo hitady fanampiana Aminy. Avelan’ Andriamanitra ho tonga amin’ ny vahoakany ny fakam-panahy ankehitriny mba hahatsapan’ izy ireo fa Izy no mpanampy azy. Raha manatona akaiky Azy izy ireo rehefa alaim-panahy dia hanome hery azy ireo hiatrehana ny fakam-panahy Izy.”—In Heavenly Places, p. 251.


Alakamisy 17 Oktobra

5. MIATRIKA FITSAPANA

a. Inona no safidy tsy maintsy ataontsika isan’ andro mba hiafenana ao amin’ i Kristy ka ho afaka amin’ ny fakam-panahy? Lioka 4:8; Filipiana 1:21.

“Tsy azon’ ny mpaka fanahy atao na oviana na oviana ny manery antsika hanao ny ratsy. Tsy afaka mifehy ny saintsika izy raha tsy isika no manaiky hotapahiny. Tsy maintsy manaiky ny sitrapo, tsy maintsy mamaha ny famikirany amin’ i Kristy ny finoana vao afaka mampiasa ny heriny amintsika i Satana. Nefa toerana azony hamikirana avokoa ny faniriana feno fahotana rehetra izay hankamamiantsika. Izay rehetra mahadiso antsika ka tsy ahatanterahantsika ny tarigetran’ Andriamanitra, dia varavarana mivoha ahazoana miditra hakany fanahy sy handringanany antsika. Ary ny fahadisoana na ny faharesena rehetra avy amintsika dia fotoana mety ho azy ha-nalany Baraka an’ i Kristy.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 108.

b. Inona no tokony hamporisika antsika handroso ho amin’ ny fandresena ao amin’ i Kristy? Filipiana 4:13; Apokalypsy 2:10 (tapany farany); 3:21.

“Izay manana ny Fanahin’ i Kristy be dia be ao aminy no mitoetra ao amin’ i Kristy, ka ny loza izay noka-saina hahatra aminy dia mianjady amin’ ny Mpamonjy Izay manodidina azy amin’ ny fanatrehany. Na inona na inona tonga aminy dia avy amin’ i Kristy. Tsy ilainy akory ny hanohitra ny ratsy fa i Kristy no fiarovana azy. Tsy misy zavatra mahazo mikasika azy, afa-tsy izay eken’ ny Tompo; ary ny ‘zavatra rehetra’ izay avelany hihatra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra.’ Romana 8:28 —Sambatra, p. 64.

“Eo amin’ ny handrin’ ireo mpandresy ihany no hametrahana ny satroboninahitry ny fiainana. Misy asa ma-totra sy miezinezina tokony hataon’ ny tsirairay avy ho an’ Andriamanitra raha mbola velona koa.”—Testimonies for the Church, vol. 5, p. 71.


Zoma 18 Oktobra

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Inona no ilaiko tsarovana amin’ ny fotoana manaraka ahatongavan’ ny fisedrana sarotra eo amin’ ny lalako?

2. Inona no tsy maintsy ataoko an-tsaina ny amin’ ny fomba famalian’ Andriamanitra vavaka?

3. Avy aiza ny fitsapana sy ny fakam-panahy? Nahoana?

4. Inona no mitranga na rahoviana na rahoviana isika no mahatohitra fakam-panahy?

5. Amin’ ny fomba ahoana no ahafahako mialoka tanteraka ao amin’ i Kristy?

 <<    >>