Back to top

Sabbath Bible Lessons

Fianarana avy amin’ ny Epistily nosoratan’ i Jakoba

 <<    >> 
  SABATA 2 NOVAMBRA 2024

Fanatitry ny Sabata voalohany ho an’ ny Departemantan’ ny Fampielezam-boky Foibe Eran-tany

Misy fiteny malaza izay manao hoe: ‘Piti-dranomainty kely iray dia mety hahatonga fisainana an-tapitrisany.’ Ireo pejy voasoratra dia hita fa misy lanja bebe kokoa mihoatra noho ireo teny lazaina fotsiny noho izy ireo maharitra. Amin’ ireo pejy voasoratra dia azontsika atao ny maka fotoana hamaky azy ireny any amin’ izay toerana misy antsika, dia toy izany koa ny fitadiavantsika sy fiheverantsika lalina ireo lohahevitra tiantsika ianarana. Manampy antsika rehefa miezaka hitrandraka lohahevitra ara-panahy lalina isika.

Voamarina nandritra ny tantara nifandimby izany: ‘Nanan-pahefana ny penin’ i Lotera, ary ireo asa sorany izay niparitaka dia nanaitra izao tontolo izao. Eo ambany fampiasantsika azy koa ny fitaovana toy izany, ary ho mora ny manaparitaka pejy an’ arivony. Ny Baiboly, izay navoaka tamin’ ny fiteny maro, ahitana ireo fahama-rinana ho amin’ izao vanim-potoana izao, dia eo am-pelatanantsika, ary azo entina tsara mankany amin’ izao tontolo rehetra izao.”—Testimonies for the Church, vol. 6, p. 403.

“Amin’ ny fomba goavana kokoa amin’ ny alalan’ ireo trano printintsika no entina hanatanterahana ny asan’ ilay anjely hafa izay midina avy any an-danitra miaraka amin’ ny fahefana lehibe ka hanazava ny tany amin’ ny voninahiny.”—Ibid., vol. 7, p. 140.

Tamin’ ny 1849 dia nanao trano printy kely iray nantsoina hoe ‘The Present Truth’ i James White. “Nisy antontan-taratasy nalahatra teo amin’ ny tany. Rehefa izany dia nangonin’ ireo rahalahy sy anabavy ireny ka tamin-dranomaso no nangatahan’ izy ireo tamin’ Andriamanitra ny hitahiany ireo taratasy madinika ireo rehefa ho aparitaka izy ireo. Rehefa izany dia nakambana ireo taratasy, natao tanaty fonosana ary nasiana adiresy, ary nentin’ i James White nankany amin’ ny 13 kilometatra misy ny biraon’ ny paositra Middleton izy ireo.”—Early Writings, (xxv).

Io hetsika natao io dia namaly ny hafatra nanao hoe: ‘Tsy maintsy manomboka manonta taratasy kely ianareo ka mandefa izany amin’ ny olona. Ataovy kely aloha izany amin’ ny voalohany; fa arakaraka ny hamakian’ ny olona izany, dia handefa vola ho anareo ahafahanareo manonta izany izy ireo, ary ho tonga fahombiazana hatramin’ ny voalohany izany.’ ”—Ibid., (xxiv).

Inona no mitranga rehefa mila fandaniana bebe kokoa ho amin’ ny fanapariahana ny fisondrotan’ ny tapakilan-tsambo sy ny fadin-tseranana? Tsy mahasehaka ireny fandaniam-bola vaovao ireny ireo vola fidirana ho mpikambana ato amin’ ny printitsika. Noho izany dia tsy maintsy miankina tanteraka amin’ ny hamoram-panahin’ ireo mpino namana izahay mba hahatanteraka ny faminaniana izay nolazaina tamin’ ireo tra-no printitsika tany am-boalohany manao hoe: ‘Arakaraka ny hamakian’ ny olona ireny asa soratra ireny dia handefa vola ho anareo izy ireo.’

Mivavaka izahay amin’ ity fanatitry ny Sabata Voalohany ho an’ ny Departemantan’ ny Literatiora ato amin’ ny Foibe eran-tany ity mba hahavoakasika ny fonareo ka hanomezanareo mihoatra ho an’ ireo fanahy manerana izao tontolo izao izay mila mamaky ny fahamarinana ankehitriny. Misaotra anareo!

Ireo rahalahinareo avy aty amin’ ny Departemanta Literatiora Foibe Eran-tany

 <<    >>