Back to top

Sabbath Bible Lessons

Fianarana avy amin’ ny Epistily nosoratan’ i Jakoba

 <<    >> 
Lesona 10 Sabata 7 Desambra 2024

Mandresy ireo olan’ ny toetrantsika

TSIANJERY: “Ka dia maneke an’ Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy” (Jakoba 4:7).

“Ny fitiavana ny fahamarinana madio sy manamasina, ny fitiavana ny Mpamonjy malala no hanome haza-vana ny asam-pahombiazana.”—Testimonies for the Church, vol. 4, p. 38.

Atolotra ho vakiana:   Testimonies for the Church, vol. 3, pp. 39–47. 

Alahady 1 Desambra

1. ARA-DRARINY

a. Tanisao ireo toetra tsara anankiroa farany voalaza ao amin’ ny lisitr’ ireo fahendrena avy any am-bony. Jakoba 3:17 (tapany farany).

“Hoy ny apostoly Joda: ‘Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana.’ Io famindram-po io dia tsy natao anaty toe-tsaina manavakavaka. Tsy tokony omena vahana mihitsy ny toe-tsaina manao hoe: ‘Raha mankasitraka ahy ianao dia ho tiako.’ Izany fomba izany dia tsy masina sy an’ izao tontolo izao ka tsy mahafaly an’ Andri-amanitra. Sitraka sy fiderana ahazoana tombony izany. Maneho fanavakavahana izany, ka miandry tombontsoa avy amin’ izy ireny. Izany dia ny fikatsahana ny sitrapony amin’ny alalan’ny fanaranam-po, mba hahatonga antsika ho tombanana ho mendrika kokoa noho ny hafa izay mendrika tahaka ny tenantsika.”—Testimonies for the Church, vol. 4, pp. 221, 222.

“Tsy faly noho ny asa atao amim-pitsilamodamohana ao am-piangonana Andriamanitra. Ny andrasany amintsika dia mpitantana marina sy mahatoky amin’ ny fanaovana fananarana sy fanintsiana. Natao hanonona ny fahadisoana araka ny fitsipika nomen’ Andriamanitra ao amin’ ny teniny izy ireo fa tsy araka ny heviny sy ny fientanam-pony. Tsy tokony hampiasa fomba mafy, na tsy ara-drariny, maimaika sy asa entanin’ ny fo. Ny ezaka atao hanadiovana ny fiangonana amin’ ny tsy fahadiovana ara-pitondran-tena dia tsy maintsy atao amin’ ny fomban’ Andriamanitra. Tsy tokony hisy fiangarana na fihatsaram-belatsihy. Tsy tokony hisy fanavakavahana ka ny fahotan’ ny sasany dia atao ho maivamaivana noho ny an’ ny hafa. Endrey! Manao ahoana ny haben’ ny filantsika ny batisan’ ny Fanahy Masina. Rehefa izany dia hiara-hiasa amin’ ny toe-tsain’ i Kristy isika, dia mi-araka amin’ ny halemem-panahy, fangorahana, fiheverana ary fanehoana fitiavana ireo mpanota eo am-pankahalana tanteraka ny ota.”—The Ellen G. White 1888 Materials, p. 144.


Alatsinainy 2 Desambra

2. MANEHO AN’ I KRISTY ARAKA NY TOKONY HO IZY

a. Amin’ ny fomba ahoana ihany no ahafahana maneho an’ i Kristy araka ny tokony ho izy eo amin’ ny fitenintsika? Jakoba 3:18.

“Azontsika atao ny manaiky an’ i Kristy eo imolotra fa mandà Azy amin’ ny asa. Ny vokatry ny Fanahy mi-asa eo amin’ ny fiainana dia fanekena Azy. Raha mandao ny zavatra noho ny amin’ i Kristy isika dia ho tonga feno fanetren-tena ny fiainantsika, hitovy amin’ ny an’ ny lanitra ny resantsika ary tsy hisy tsiny ny fitondran-tenantsika. Ny fahefana sy ny hery manadio ny fahamarinana ao amin’ ny fanahy, sy ny toetran’ i Kristy miseho eo amin’ ny fiainana dia fanekena Azy. Raha voafafy ao am-pontsika ireo tenin’ ny fiainana mandrakizay dia fahamarinana sy fiadanana no ho vokany. Amin’ ny alalan’ ny fanomezantsika vahana ny fitiavan-tena sy ny fitiavana rendrarendra ary ny vazivazy ratsy sy ny fitadiavana sitraka avy amin’ izao tontolo izao no mety handavantsika an’ i Kristy eo amin’ ny fiainantsika. Mety handà Azy koa noho ny endrika ivelany ampanarahana izao tontolo izao isika, na amin’ ny fitafy feno fireharehana sy fitaovana lafo vidy. Amin’ ny ala-lan’ ny fiambenana maharitra sy faharetana ary vavaka tsy miato no ahafahantsika maneho ny toetran’ i Kristy eo amin’ ny fiainantsika sy mandefa ny hery miasa mangina manamasina avy amin’ ny fahamarinana. Maro ireo mandroaka an’ i Kristy ao amin’ ny ankohonany amin’ ny alalan’ ny toe-tsaina tsy manam-paharetana sy tia ren-drarendra. Izany dia tokony ho resena.”—Testimonies for the Church, vol. 1, pp. 303, 304.

b. Inona no fironana maha olona mahazatra izay manapentina ny fiainana andavanandro izay mila re-sena tokoa – nahoana? Jakoba 4:1–3.

“Toe-javatra mampalahelo ny tsy fifaliana noho ireo manodidina antsika na noho ny toe-javatra izay mam-etraka antsika ho amin’ ny andraikitra toa ambany sy tsy misy lanjany loatra. Tsy tianao ny manao adidy miafina sy ambany; tsy milamin-tsaina ianao, tsy mahazo aina ary tsy afa-po. Izany rehetra izany dia avy amin’ ny fitiavan-tena. . . . .

“Ireo Kristiana izay mitaraina sy mimonomonona lalandava, ka mihevitra fa fahotana ny fifaliana sy ny fisehoana ho mirana dia tsy mahafantatra ny tena hevitry ny fivavahana.”—Ibid., vol. 3, p. 334.

“Tokony hihinana anjara roa ve aho ankehitriny sy amin’ ny manaraka satria tsara tsiro izany, amin’ ny fomba ahoana no ahafahako mandohalika sy mangataka an’ Andriamanitra hanampy ahy amin’ ny asa fanoratako raha toa ka tsy azoko sary an-tsaina ny ampamoahana ahy momba ny fitiavan-komako? Azoko atao ve ny mangataka an’ Andriamanitra hikarakara ireo habetsahana tsy am-piheverana ao anatin’ ny vavoniko? Hanala baraka Azy izany. Toy ny mangataka ny hanomezana fahafaham-po ny filàko izany. Ankehitriny aho dia mihinana izay eri-treretiko fa tsara, ary nony avy eo dia azoko atao ny mangataka Aminy hery ahafahako manao ny asa izay no-meny hataoko.”—Ibid., pp. 373, 374.

“Rehefa manapaka ao am-po ny fivavahan’ i Kristy dia tony ny feon’ ny fieritreretana ary manjaka ny fi-adanana sy ny fifaliana; mety hihodidina ny fisalasalana sy ny korontana, na izany aza dia misy fahazavana ao amin’ ny fanahy.”—Ibid., vol. 4, p. 47.


Talata 3 Desambra

3. MIALA AMIN’ NY FANDRIKA MAHAZATRA

a. Inona no fanalahidy fototra amin’ ny firaisana amin’ i Kristy izay mifanohitra amin’ ny finoana ive-lambelany araka ny anarany fotsiny? Jakoba 4:4.

“Ireo manomboka ny fiainana maha Kristiana amin’ ny antsasany sy antsasany dia ho hita eny ankilan’ ny fahavalo amin’ ny farany na inona na inona mety ho hery nanosika azy ireo tany am-boalohany. Ary ny faha-tongavana amin’ ny fihemorana, mpamadika ny asan’ Andriamanitra dia ratsy lavitra noho ny fahafatesana; sa-tria fahaverezan’ ny fiainana mandrakizay no hevitr’ izany.

“Ireo lehilahy sy vehivavy miroa saina no tena mpiara-miasa amin’ i Satana tsara indrindra. Na inona na inona hevitra tsara aroson’ izy ireo mikasika ny tenany dia mpamitaka izy ireo. Izay mahatoky amin’ Andri-amanitra sy ny fahamarinana dia tsy maintsy mijoro mafy amin’ izay marina satria izany no marina. Ny fikam-banana amin’ ireo olona tsy masina, eny na dia hiezaka hijoro amin’ ny fahamarinana ihany aza, dia zavatra tsy ho azo atao mihitsy. Tsy ho azontsika atao ny hikambana amin’ ireo manompo ny tenany, dia ireo miasa ho amin’ ny drafitra araka izao tontolo izao, kanefa tsy hahavery ny fifandraisana amin’ ilay Mpanolotsain’ny lani-tra. Azontsika atao ny miaro ny tenantsika amin’ ny fandriky ny fahavalo, saingy ho torotoro sy haratra isika, ary tsy ho tomombana ny fanandramantsika.”—The Review and Herald, April 19, 1898.

b. Nahoana no tsy maintsy hongotantsika mafy ny fironana rehetra mankamin’ ny fitsiriritana? Jakoba 4:5, 6.

“Anankiray amin’ ny kileman-toetran’ i Saoly dia ny fitiavany fankasitrahana. Tonga nifehy ny asa sy ny fisainany io toetra io; ny zavatra rehetra dia nahitana ny faniriana ho dokadokafana sy ho hasandratra. Nilatsaka ambany nitovy lenta tamin’ ny fankasitrahan’ ny vahoaka ny fahaizany manavaka ny tsara sy ny ratsy. Tsy misy olona voaaro raha toa ka miaina mitady ny fankasitrahan’ ny olona fa tsy ny fankasitrahan’ Andriamani-tra.”—Patriarchs and Prophets, p. 650.

“Ny fitsiriritana no nahatonga an’ i Saoly ho fadiranovana sy nampidi-doza ny seza fiandrianany. Faha-ratsiana manao ahoana no aterak’ io toetra ratsy io eto amin’ ny tontolo misy antsika! Io fandrafiana nisy tao am-pon’ i Saoly io no nanetsika ny fon’ i Kaina tamin’ i Abela rahalahiny, satria tsara ny asan’ i Abela ka nan-kasitrahan’ Andriamanitra izy, fa ratsy kosa ny asany ka tsy afaka nitahy azy Andriamanitra. Ny fitsiriritana no fototry ny fiavonavonana, ary raha kolokoloina ao am-po izany dia hitarika amin’ ny fankahalana ary ny hia-farany dia valifaty sy famonoana olona.”—Ibid., p. 651.

“Fileferana, fitiavana, ary fisaorana an’ Andriamanitra no hampamiramirana ny fo na dia mety ho feno raho-na aza ny andro. Eo anoloanao ny fandavan-tena sy ny hazofijalian’ i Kristy. Hanandratra ny hazofijaliana va ianao?”—Testimonies for the Church, vol. 4, p. 47.


Alarobia 4 Desambra

4. FIFANTOHANA SY FILEFERANA

a. Inona no ahazoantsika fandresena marina sy maharitra ao amin’ i Kristy? Jakoba 4:7.

“Misy sasany mahatsapa fa mila fanavotana, ary miaraka amin’ izany fahatsapany izany, dia misy faniriana ho amin’ ny fiovam-po, ka manomboka ny ady. Ny fandavana ny sitrapon’ ny tena, angamba ireo zavatra tena tiana na nokatsahina, dia mila ezaka izay matetika mampisalasala ny maro ka mampihozongozona sy mampi-hemotra azy. Na izany aza dia tsy maintsy atrehan’ ny fo tsirairay avy efa voaova io ady io. Tsy maintsy miady amin’ ny fakam-panahy anatiny sy ivelany isika. Tsy maintsy mandresy ny izaho isika, manombo ny fitiavana sy ny filàna; rehefa izany dia manomboka mampiray ny fanahy amin’ i Kristy. Tahaka ny sampana iray maina sy tsy misy aina ka atambatra amin’ ny hazo velona dia toy izany no hahatonga antsika ho sampana velona eo amin’ ilay Tena Voaloboka. Ary ny vokatra izay teraka teo amin’ i Kristy dia ho hita eo amin’ ireo mpanaraka Azy re-hetra. Rehefa vita io firaisana io dia azo tehirizina amin’ ny alalan’ ny ezaka matotra sy mafy ary mitohy irery ihany. Nampiasa ny fahefany Kristy mba hitehirizana sy hiambenana io fifamatorana masina io, ary ny mpanota miankin-doha sy mila fanampiana dia tsy maintsy manao ny anjarany amin-kery tsy mety reraka, raha tsy izany dia hampisaraka azy amin’ i Kristy amin’ ny alalan’ ny heriny mahatsiravina i Satana.

“Mila miambina mandrakariva ny Kristiana tsirairay avy, mijery ny lalana mety ahitan’ i Satana irika hidirana ao amin’ ny fanahy. Tsy maintsy mivavaka mangataka ny fanampian’ Andriamanitra izy ary miaraka amin’ izay dia manohitra fatratra ny fironana ho amin’ ny fahotana. Amin’ ny alalan’ ny herin-tsaina, finoana, aharetana no ahafahany mandresy. Kanefa aoka ho tsaroany fa tsy maintsy mitoetra ao amin’ i Kristy izy ary Kristy ao aminy raha tiany ny hahazo fandresena.”—Testimonies for the Church, vol. 5, p. 47.

b. Amin’ ny fomba ahoana no hamerenan’ i Paoly ny fanazavan’ i Jakoba mikasika ny hery ara-panahy eo amin’ ny fiainana Kristiana? Romana 6:6–11.

“Ny toe-tsain’ izao tontolo izao sy ny fitiavan-tenany ary ny fitsiriritana no nihinana ny toe-panahy sy ny ain’ ny vahoakan’ Andriamanitra.”—Ibid., vol. 1, p. 141.

“Mila finoana betsaka sy hafanam-po matotra kokoa isika. Mila maty ny amin’ ny izaho isika ka mikolokolo fitiavana ny Mpamonjintsika ao am-po sy ao an-tsaina. Raha mitady ny Tompo amin’ ny fontsika rehetra isika dia hahita Azy ary hamirapiratry ny fitiavany ny fontsika. Ho tonga tsinontsinona ny izaho, ary Jesosy ho tonga zavatra rehetra sy ho ao amin’ ny zavatra rehetra amin’ ny fanahy. . . .

“Tsy maintsy manatona an’ Andriamanitra isika. Tsy maintsy miara-miasa Aminy, raha tsy izany dia fahale-mena sy fahadisoana no ho hita amin’ izay rehetra ataontsika.”—Ibid., vol. 6, p. 51.


Alakamisy 5 Desambra

5. MIATO HANAO VAVAKA MAFANA

a. Inona no antoka sy antso miantefa amintsika tsirairay avy eo amin’ ny ady ataontsika amin’ ny fironana ratsy ao anatintsika? Kolosiana 3:1–3; Jakoba 4:8, 9.

“Sarotra ho an’ ny olona ny mahita ny fahamarinana raha toa ka mbola ao aminy ny fitiavana izao tontolo izao. Tonga eo anelanelan’ izy ireo sy Andriamanitra izao tontolo izao, manakona ny fahitana sy manadonto ny fahatsapana ka ho sarotra ny hanavaka ny zava-masina. Miantso noho izany Andriamanitra: ‘Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.’ Ireo izay nandoto ny tanany tamin’ ny fahalotoan’ izao tontolo izao dia antsoina hanadio ny tenany avy amin’ izany loto izany. Ireo izay nieritreritra fa afaka manompo izao tontolo izao no sady mitia an’ Andriamanitra no atao hoe miroa saina. Saingy tsy afaka manompo an’ Andriamanitra sy Mamôna izy ireo. Olona miroa saina, tia an’ izao tontolo izao ka manary ny fahatsapana ireo adidy amin’ Andriamanitra, kanefa ihany koa te ho tonga mpanaraka an’ i Kristy. Sady tsy an’ ny andaniny no tsy an’ ny ankilany izy ireo. Ho verin’ izy ireo ny tontolo anankiroa raha tsy manadio ny tanany sy ny fony amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ny fitsipiky ny fahamarinana madio izy ireo.”—Testimonies for the Church, vol. 1, pp. 530, 531.

b. Inona no mitranga rehefa mandohalika am-panetren-tena eo amin’ Andriamanitra isika? Salamo 34:18; 1 Petera 5:6, 7.

“Raha manetry tena eo anatrehan’ Andriamanitra ianao ankehitriny, miaiky ny fahadisoanao ka miverina Aminy amin’ ny fonao rehetra, dia mety ho tonga ankohonana miadana ihany ny ankohonanao. Raha tsy manao izany ianao fa mifidy ny làlanao dia ho tapitra hatreo ny fahasambaranao.”—Ibid., vol. 2, p. 304.


Zoma 6 Desambra

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Raha mandinika lalina ny hery manosika ahy bitika indrindra aho dia lafiny inona no mety maha mpihatsaravelatsihy ahy?

2. Lazao ireo fomba sasany mahatonga ny tenintsika tsy maneho an’ i Kristy araka ny tokony ho izy matetika.

3. Amin’ ny heviny manao ahoana no mahatonga ny fitsiriritana ho fandavana ny finoana – sy faniratsirana an’ Andriamanitra?

4. Nahoana no ilaiko ny ho faty ny amin’ ny izaho ahafahako ho velona ao amin’ i Kristy?

5. Amin’ ny fomba ahoana no hamintinan’ ito lesona ito ireo toe-javatra ilàko resena?

 <<    >>