Back to top

Sabbath Bible Lessons

Fianarana avy amin’ ny Epistily nosoratan’ i Jakoba

 <<    >> 
Lesona 8 Sabata 23 Novambra 2024

Mifidy ny zavatra saintsainina

TSIANJERY: “Ry taranaky ny menarana! Hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin’ ny haben’ ny ao am-po no itenenan’ ny vava.” (Matio 12:34, tapany faharoa).

“Mivavaha alohan’ ny hitenenanao ary ny anjelin’ ny lanitra ho tonga hanampy anao sy handroaka ireo an-jelin’ ny ratsy izay te hitarika anao hanala-baraka an’ Andriamanitra, sy ny asany ary handemy ny fanahinao.”—Testimonies for the Church, vol. 2, p. 82.

Atolotra ho vakiana:   Sambatra, pp. 111–115. 

Alahady 17 Novambra

1. FANAFODIN’ NY POIZINA

a. Rehefa tototry ny fahazarana miteny ataon’ ireo olona ratsy fisainana isika dia inona no hafatr’ An-driamanitra ho antsika na dia ao anivon’ izany rehetra izany aza? Jakoba 3:7, 8; Hebreo 10:38.

“Malahelo an’ i ranadahy J ----- ireo anjelin’ ny lanitra satria voahodidin’ ny haizina izy. Maheno ireo teny tsi-finoana sy haizina efa ho isan’ andro ny sofiny. Miantota eo aminy tsy mitsahatra ny fisalasalana sy ny fanontaniana. Ny lela dia tontolo isehoan’ ny faharatsiana. ‘Tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.’ Raha mifikitra mafy amin’ Andriamanitra ny ranadahy J ----- ka mahatsapa fa tokony hitahiry ny fahamarinany eo anatrehany na dia hamoizany ny ainy aza, dia handray hery avy any ambony izy. Raha avelany ho voampentin’ ny haizina sy ny tsi-finoana manodidina azy ny finoany – dia ireo fisalasalana sy fanontaniana ary resaka maro – dia ho tonga aminy ny haizina rehetra sy ny fisalasalana ary ny tsi-finoana, ka tsy hahazo fahazavana na hery ao amin’ ny fahamarinana izy

“Tsy ilainy ny mieritreritra fa amin’ ny alalan’ ny fitadiavany finamanana amin’ ireo nanamy tsy tia maizina ny finoantsika no hahamora ny fiainany. Raha mijoro amin’ ny tanjona tokana izy dia ny fankatoavana an’ An-driamanitra na inona na inona tambiny dia hahazo fanampiana sy hery. Tia sy miantra an’ i ranadahy J ---- An-driamanitra. Fantany ny fisalasalana, ny fahakiviana ary ny resaka feno fangidiana tsirairay avy. Efa nifanka-zatra tamin’ izany rehetra izany Izy. Raha apetrany ny tsy finoany ka mijoro tsy voahozongozona amin’ Andri-amanitra izy dia hohatanjahina noho ny fampiasana azy ny finoany.”—Testimonies for the Church, vol. 4, pp. 236, 237.


Alatsinainy 18 Novambra

2. OLANA GOAVANA

a. Inona no voasoratra mikasika ny fitaka sy ny teny mamaivay – ary nahoana isika no tsy maintsy mivavaka handresena io lafim-piainana io? Salamo 5:8–10.

“Ny fitenenana dia anankiray amin’ ireo fanomezana lehibe indrindra nomen’ Andriamanitra ny olona. Ny lela dia taova kely kanefa ireo teny izay volavolainy, mamoaka feo dia manan-kery lehibe. Hoy ny Tompo: ‘Tsy misy olona mahafolaka ny lela.’ Nampiady firenena tamin’ ny firenena sy niteraka ady sy fandatsahan-drà izany. Ireo teny dia nandrehitra afo izay sarotra novonoina. Kanefa nitondra fifaliana sy fahasambarana ho an’ ny fanahy maro koa izy ireo. Ary rehefa lazaina ny teny noho izy avy amin’ Andriamanitra manao hoe: ‘Lazao amin’ izy ireo ny teniko,’ dia matetika alahelo ho amin’ ny fibebahana.

“Ny talenta fahaizana miteny dia arahana andraikitra goavana. Mila ambenana mafy izany; satria hery tsy hay tohaina ho amin’ ny ratsy na ho amin’ ny tsara.”—The SDA Bible Commentary [E. G. White Comments], vol. 3, p. 1142.

“Rehefa alaim-panahy tsy hahafehy an’ io taova saro-pehezina io ianao, dia ataovy an-tsaina fa mandray an-tsoratra ny teny tsirairay avy ny anjely. Voasoratra ao amin’ ny boky ny zavatra rehetra, ary hoe raha tsy voasasa tamin’ ny ràn’ i Kristy, dia mbola ho hitanao indray. Misy fitanana an-tsoratra miampanga anao any an-danitra ankehitriny. Ny fibebahana amin-kitsim-po eo anatrehan’ Andriamanitra no ekena. Rehefa hamoaka teny tsy voahevitra iny ianao dia ankombony ny vava. Aza manonona teny iray akory.’.”—Testimonies for the Church, vol. 2, p. 82.

b. Lazalazao ny mahatonga ireo tenintsika ho mamoaka fotsiny ihany izay heverintsika sy ny maha isika antsika. Jeremia 17:9; Matio 12:33–37; 14:6–8.

“Ny lantom-peo rehefa miresaka dia maneho ny ao am-po. Ny resaka mahazatra, maivamaivana, mandoka-doka, teny adaladala, resaka natao hiteraka fiomehezana dia asan’ i Satana, ary izay rehetra manao izany fomba firesaka izany dia manome tombony azy. Ny fahatsapana tonga ao amin’ ireo maheno izany zavatra izany dia mitovy amin’ ny an’ i Heroda rehefa nandihy teo anatrehany ny zanakavavin’ i Herodiasy. Voarakitra ao amin’ ny bokin’ ny lanitra avokoa ireny fivoivoizana rehetra ireny; ary amin’ ny andro lehibe farany dia hiseho amin’ny tena endriny eo anatrehan’ ireo meloka izany. Ary amin’ izay fotoana izay vao ho hitan’ ny rehetra mazava tsara ny asa mandrobo sy mamitaka ataon’ ny devoly, izay nitarika azy ireo nankany amin’ ny lalana malalaka sy vavahady lehibe misokatra ho amin’ ny fahasimbana.”—Testimonies to Ministers, pp. 84, 85.


Talata 19 Novambra

3. ILAINA AMIN’ NY FO MANONTOLO

a. Nahoana isika no tokony hanantena fomba firesaka mirindra tsara avy amin’ ireo mpino ny hafatra natao ho amin’ izao vanim-potoana izao? Jakoba 3:9, 10. Inona no fampitandrenama nomena raha toa ka tsy mahomby eo amin’ io lafiny io isika?

“Raha kolokoloina tsy an-kiato ny fahatsapana fa mahita sy mihaino ny zavatra rehetra ataonao sy teneninao Andriamanitra ary mitahiry ny teny sy asanao rehetra, ka mbola hahita azy ireny indray ianao, dia ho ataonao araka izay lazain’ ny feon’ ny fieritretanao mazava sy àry saina tsara izany. Ho ampiasaina hanomezana voni-nahitra an’ Andriamanitra sy ho loharanom-pitahiana ho anao sy ny hafa ny lelanao. Fa raha misaraka amin’ An-driamanitra ianao tahaka ny ataonao izao, dia aoka hitandrina fandrao dia hitondra faharatsiana amin’ izao ton-tolo izao ny lelanao ka hitondra fanamelohana mahatahotra ho anao; satria ho maro ny fanahy very noho ny aminao.”—Testimonies for the Church, vol. 4, p. 244.

b. Inona no vavaka afaka manampy antsika hieritreritra sy hiteny araka ny tokony ho izy? Salamo 86:11.

“Raha toa ka tsy manisy fiovany eo amin’ ny fahazarany sy ny fomba fanaony hifandraika amin’ ny fahazavan’ ny fahamarinana ireo mpandray ny fahalalana ara-baiboly dia mitondra inona moa izany? Ny fanahy dia manohitra ny nofo, ary ny nofo manohitra ny fanahy; ny iray amin’ ireo no tsy maintsy mandresy. Raha ma-namasina ny fanahy ny fahamarinana, dia ho hankahalaina sy harikoriko ny fahotana satria Kristy no ekena ho vahiny manan-kaja ao. Kanefa Kristy tsy afaka mankao amin’ ny fo mizarazara; tsy afaka miaraka na oviana na oviana Jesosy sy ny fahotana.”—Testimonies to Ministers, p. 160.

“Mivavaha sy miambena mandrakariva. Atolory tsy misy fepetra ho an’ ny Tompo ny tenanao dia tsy ho sa-rotra ho anao ny manompo Azy. Manana fo mizarazara ianao. Izany no mahatonga ny haizina fa tsy ny fahaza-vana hihodidina anao. Tonga ny hafatra farany ho amin’ ny famindrampo ankehitriny. Izany no mariky ny faharetana sy ny famindrampon’ Andriamanitra. Manatὸna, no fanasana atao ankehitriny. Manatὸna fa efa vonona ny zavatra rehetra ankehitriny. Izao no antson’ ny famindrampo farany. Ny ho avy manaraka dia ny va-lin’ ny faniratsirana an’ Andriamanitra.”—Testimonies for the Church, vol. 2, p. 225.

“Izay lehilahy sy vehivavy tapa-kevitra tsara amin’ ny fo manontolo no hahajoro ankehitriny. Nokororohin’ i Kristy matetika ny mpianany, ka iraika ambinifolo no sisa tafajanona nony farany niaraka tamin’ ireo vehivavy vitsivitsy nahatoky izay tonga fototry ny fiangonana Kristiana. Hisy ireo hihemotra rehefa teraka ny fotoan-tsarotra; fa rehefa mahazo fahazavana kosa ny fiangonana iray manontolo, dia hitombo herim-po izy ireo, hihira sy hiantsoantso, ary ho ravoravo; saingy jereo izy ireo. Rehefa lasa ny hafanam-po, olom-bitsy mahatoky tahaka an’ i Kaleba ihany no sisa handroso sy hijoro tsy ho azo hozongozonina amin’ ny fitsipika. Ireo no sira nitazona tsiro.”—Ibid., vol. 5, p. 130.


Alarobia 20 Novambra

4. RANO AVY AMIN’ NY LOHARANO MADIO

a. Inona no fitsipika maneho fa ny fo nohavaozin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ihany no afaka haha-ritra amin’ ny asa? Jakoba 3:11, 12. Manomeza ohatra fampiharana vitsivitsy

“Ny filaminana eo amin’ ny fitafy, ny fahadiovana ao an-trano dia tokony ho ataon’ ireo mpitandrina Sabata vaindohan-draharaha satria heverina ho toy ny olona hafahafa izy ireo sady araha-maso ny fahadisoany, tokony ho masina ny hery miasa mangina entin’ izy ireo. Ny fahamarinana masina izay arahantsika dia tsy natao hampi-totongana na oviana na oviana ny mpandray azy ka hahatonga azy ireo ho mazan-doha sy mafy hatoka, na hanao tsinontsinona ny tenany sy hikorontana ao an-tranony. Raha manam-pahazarana mitsilamodamoka ny mpandray izany, dia hanandratra azy ny fahamarinana, ka hitondra fanavaozana eo aminy. Raha tsy miteraka izany fiovana izany ny fahamarinana dia tsy nahatsapa ny hery manova avy aminy ilay olona. Ny fikorontanana sy tsy fivakiana loha amin’ ny fitafy dia tsy mariky ny fanetren-tena. Maro no mamita-tena eto. Ny fiainana, ny fi-hetsika, ny fiteny no hilaza raha manana ny fanetren-tena marina ilay olona na tsia, ary ny fitafy dia hifanaraka fotsiny amin’ ny vokatra izay hita. Ny loharano madio dia tsy afaka hamoaka rano mamy sy mangidy. Diovy ny loharano dia hadio izay mivoaka avy ao. Matetika no tsiratsirain’ ireo zanaky ny mpitandrina Sabata ny tranon’ Andriamanitra. Avelan’ ireo ray amandreniny hivezivezy, hilalao, hiresaka, hanelingelina ny hafa izy ireo, ka haneho ny toetra ratsiny eo anivon’ ny fivoriana iny mihitsy rehefa mivory hanompo an’ Andriamanitra izy ireo. Hitako fa tokony hisy fahanginana masina hanjaka eo amin’ ny fivorian’ ireo olo-masina. Saingy ny trano izay natokana hivorian’ ireo vahoakan’ Andriamanitra dia matetika no atao toy ny Babylona, toerana hanjakan’ ny korontana sy ny tsy filaminana. Mampalahelo an’ Andriamanitra izany. Raha tsy mahay mitondra sy mifehy ireo zanany mandritra ny fivoriana ny ray aman-dreny dia ho faly kokoa Andriamanitra raha mijanona any an-trano miaraka amin’ ireny zanany tsy voafehy ireny izy ireo. Tsara kokoa amin’ izy ireo ny tsy manatrika fivoriana no-ho ny manorisory olona maro ka manimba ny fivoriana. Rehefa avelan’ ny raiamandreny ho tsy voafehy any an-trano ireo zanany dia tsy ho vitan’ izy ireo ny manao izany rehefa any am-pivoriana. Iza no hijaly amin’ izay fotoana izay? Mazava ho azy fa ny raiamandreny. Tsy tokony halahelo izy ireo rehefa tsy tian’ ny hafa ho voa-kotaba ny fiadanany rehefa mivory manompo an’ Andriamanitra.

“Ry raiamandreny, ianareo no tsy maintsy mijaly betsaka amin’ izany, ka tokony hitarika anareo hahita sy hanatanteraka ny adidy nataonareo an-tsirambina izany. Rehefa mitondra ireo zanakareo ho ao an-tranon’ An-driamanitra ianareo, dia tokony ataonareo izay hahatakaran’ izy ireo fa eo amin’ ny toerana hihaonan’ Andri-amanitra sy ny vahoakany izy ireo. Tsy hita eo anivon’ ny mpitandrina Sabata ny fanajana io filaminana izay hita any amin’ ny fiangonana hafa io. Ry raiamandreny, misy asa tokony hataonareo. Ampianaro hankatoa ny za-nakareo any an-trano, amin’ izay dia ho azonareo atao ny mibaiko azy ireo any an-tranon’ Andriamani-tra.”—Spiritual Gifts, vol. 2, pp. 288, 289.


Alakamisy 21 Novambra

5. MAHAZO FAHALALANA SY FAHENDRENA

a. Nahoana ny tsirairay avy amintsika no mila mandinika ny fihetsintsika avy amin’ izay miseho ety ive-lany – ny ao am-po, ny fiteny, ny atao? 2 Korintiana 13:5.

“ ‘Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ ny finoana ianareo na tsia; izahao toetra ny tenanareo’(2 Korintia-na 13:5). Tsikerao akaiky ny toetra, ny fihetsika, ny eritreritra, ny teny, ny fironana, ny fikasana ary ny asa. Ahoana moa no ahafahantsika mangataka am-pisainana ny zavatra ilaintsika raha tsy voaporofontsika amin’ ny alalan’ ny Soratra Masina ny fahasalaman’ ny toe-panahintsika?”—Selected Messages, bk. 1, p. 89.

“Ry ranadahy sy rahavaviko, amin’ ny fomba ahoana no ampiasanareo ny fanomezam-pahasoavan’ ny fitenenana? Efa nianatra nifehy ny lelanareo ve hianareo mba hahatonga azy ho voabaikon’ ny feon’ ny fier-itreretana madio sy fitiavana masina? Efa tsy misy fahamaivamaivanana sy avonavona, faharatsiana sy fitaka ary fahalotoana ve ny resaka ataonareo? Tsy misy tsiny eo anatrehan’ Andriamanitra ve ianareo? Ny teny mantsy dia mandefa hery. Raha azon’ i Satana atao dia hihazona ny lela ho amin’ ny fanompoana azy izy. Raha amin’ ny herintsika dia tsy ho vitantsika ny hifehy io taova tsy manaraka fitsipika io. Ny fahasoavan’ Andriamanitra irery ihany no fanantenana tokana ho antsika.”—Testimonies for the Church, vol. 5, p. 175.

“Izay mametraka ny tenany tsy misy fepetra eo ambany fitarihan’ ny fanahin’ Andriamanitra dia hahita fa hivelatra sy hivoatra ny fisainany. Hahazo fanabeazana ho amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra, izay tsy handeha ila sy tsy ampy izy, na hampivelatra toetra ivelambelany, fa ho vokatra feno sy mifanaraka tsara kosa. Ny fahalemena izay niseho tao amin’ ny sitrapo malemy sy toetra tsy nisy hery dia ho resy, ny fanoloran-tena tsy miato sy ny fitiavam-bavaka no hitondra ny olona ho amin’ ny firaisana akaiky amin’ i Kristy ka hananany ny Fisainany sy hahatonga azy ho mafy sy hatanjaka amin’ ny fitsipika. Mazava ny fahitany zavatra ary hiseho eo aminy ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra.”—Selected Messages, bk. 1, p. 338.


Zoma 22 Novambra

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Amin’ ny fomba ahoana no tokony hamaliako rehefa miatrika resaka manimba aho?

2. Rehefa miteny zavatra ny olona dia maneho inona momba azy izany raha ny tena marina?

3. Hazavao ny ady mafy ao an-tsain’ ny olombelona sy ny fomba hahazoana fandresena.

4. Inona amin’ ireo fahazarako sy fironako no mety hampiseho ny fahalotoan’ ny loharano ao anatiko?

5. Amin’ ny fomba ahoana ary nahoana no tokony ovàna ny fomba fiteniko?

 <<    >>