Back to top

Sabbath Bible Lessons

Fianarana avy amin’ ny Epistily nosoratan’ i Jakoba

 <<    >> 
  Sabata 5 OKTOBRA 2024

Fanatitry ny Sabata voalohany hananganana fiangonana ao Reading, Pennsylvania, USA

Ny fanjakana antsinanan’ i Amerika Avaratra izay antsoina hoe The Eastern United States Field (EUSF) dia mizara ho faritany valo ara-jeografia izay ahitana ireo fanjakana toa an’ i Pennsylvania, New York, Connecticut, Rhode Island, Massachusetts, Maine, Vermont, New Hampshire. Nisy fitomboany haingana be tao anatin’ ny fotoana fohy izay ny asa tao Pennsylvania

Vinavinaina ho mihoatra ny 53% amin’ ny mponina ao amin’ io fanjakana io no mpivavaka – ka ao anatin’ izany ny Metodista, Loterana, Batista, Pantekotista, ary fiangonana hafa, miaraka amin’ ny Katolika izay mah-tratra 28.3%. Tamin’ ny fiandohan’ ny andro fanjanahan-tany dia tonga toeram-pialofana ho an’ ireo mpi-vahiny izay nitady fahafahana ara-pivavahana vokatry ny fitsoaham-ponenana nateraky ny fanenjehana tao Eoropa i Pennsylvanie. Mbola tafatoetra mandraka ankehitriny io tantara io amin’ ny alalan’ ireo fom-ban-drazana maro ataon’ ireo mpino antsoina hoe Amish izay mbola manohy manatanteraka fipetrahana is-am-bondrona amin’ ny toerana misy saha midadasika manerana ny faritr’ i Lancaster, manao dia miaraka amin’ ny soavaly sy kalesy arahan’ ny fitaovana ampy tanteraka

Nandritra ny taona maro dia nisy mambra SDARM maromaro nipetraka tao Pennsylvannie ka nisy fiofanana ho amin’ ny asa misionera natao taty noho izany. Saingy ny fifohazan’ ny fahalianana ho amin’ ny ‘fahamarinana ankehitriny’ dia nanomboka tamin’ ny 2016 tao amin’ ny tanànan’ i Reading rehefa nisy mambra anankiroa avy any New York nifindra monina taty. Nitombo io vondrona io ary nanomboka nanao fihaonana isaky ny Sabata folakandro, nanao fivoriam-pivavahana tamin’ ny toeram-pitsangatsanganana iray nandritra ny lohataona ary tao an-tranona ranabavy anankiray rehefa ririnina. Taorian’ ny volana maro nanaovana fandali-nana dia maro ireo natao batisa tato amin’ ny finoan’ ny Fanavaozana.

Reading dia manana mponina mihoatra ny 95 000 ary foibem-pamokarana herinaratra sy fitaovana ara-medikaly ary fitehirizana angovo sy ny maro hafa. Ny fiangonana aty ankehitriny no lehibe indrindra ato amin’ ny Sahan’ asa Antsinanan’ i Etazonia. Misy fanahy maro hafa efa voaomana hikambana amin’ ny va-hoakan’ Andriamanitra. Amin’ izao fotoana izao dia mivavaka ao amin’ ny toerana anankiray nofaina izahay ary maniry hametraka tsara ny fisianay sy hanitatra ny asa ho goavana kokoa. “Na aiza na aiza misy antokona mpino tafatoetra dia tokony hisy trano fivavahana ho atsangana… any amin’ ny toerana maro izay nitoriana ny hafatra sy ahitana fanahy nanaiky izany, dia matetika no fehezin’ ny toe-javatra izy ireo ka tsy afaka manao afatsy kely monja hitehirizana tombontsoa hanatsara ny asa. Izany matetika no mahatonga ny fihitaran’ ny asa ho sarotra.”—Evangelism, p. 376.

Araka izany ary dia miantso ireo rahalahinay sy tsara sitrapo manerana izao tontolo izahay mba hanampy anay hampivelatra ny toeram-pivavahana aty amin’ ny faritra Reading, mba hahatonga fanahy maro hafa ho voataona ato amin’ ny andiany. Hankasitrahana be tokoa ny fahalalahan-tananareo am-pitiavana, ary Andri-amanitra anie hitahy anareo noho izany

Ireo rahalahy sy anabavinareo avy aty amin’ ny Saha Antsinanan’ i Amerika Avaratra

 <<    >>