Alahady
27 Oktobra
1. FIHETSIKA IRAY MITONDRA OLANA
a. Lazalazao ny fironana mahazatra eto an-tany izay mety haha meloka antsika, angamba mety tsy ho tsapantsika akory aza izany. Jakoba 2:1–4.
“Tokony horaisina am-piheverana tsara mitovy amin’ ireo mpanan-karena ny mahantra. Heloka eo anatrehan’ Andriamanitra ny fanomezan-kaja ny mpanan-karena kanefa manao tsinontsinona na manilika ny mahantra. Ireo olona voahodidin’ ny fahafaha-manao rehetra eto amin’ ny fiainana, na ireo hasohasoan’ izao tontolo izao sy hasandrany noho izy manan-karena, dia tsy mahatsapa fa ilan’ ireo olona miaina ao amin’ ny ady mafy amin’ ny fahantrana ny fitiavana sy fiheverana amin-kalemem-panahy.”—Testimonies for the Church, vol. 4, p. 551.
“Na dia nanan-karena tao an-kianjan’ ny lanitra aza Kristy, dia natao tonga mahantra Izy mba hahatonga antsika ho tonga mpanana noho ny fahantrany. Nanome voninahitra ny mahantra Kristy tamin’ ny nahatonga-vana tamin’ ny toerana ambany toa azy ireo. Avy amin’ ny tantaram-piainany no tokony hianarantsika ny fomba hitondrana ireo mahantra.”—Ibid., p. 550.
b. Inona no tokony ho mby ao an-tsaintsika mikasika ireo olona mety hahantra eto amin’ ity izao tontolo izao ity kanefa manan-karena kosa ao amin’ ny finoana? Jakoba 2:5.
Alatsinainy
28 Oktobra
2. FAHAIZA-MITSARA SY FAHAMARINANA
a. Hazavao ny fahaiza-mandanjalanja noresahan’ i Jesosy mikasika ny fanampiana ny mahantra. Marka 14:3–9.
“Misy ireo olona sasany manao tsindrim-peo tafahoatra loatra mikasika ny fanaovana asa soa ka manimba ireo olona sahirana noho ny fanampiana be loatra atao amin’ izy ireo. Tsy manao ny ezaka ilaina tokony ataony matetika ireo mahantra. Marina fa tsy tokony atao anjorom-bala izy ireo na avela ho fadiranovana kanefa tokony ampianarina ihany koa izy ireo hanampy ny tenany
“Tsy tokony hatao tsinontsinona ny asan’ Andriamanitra ka ny mahantra indray no hifantohan’ ny fijer-intsika voalohany. Nanome lesona ireo mpianany mikasika io teboka io Kristy indray mandeha. Rehefa nan-draraka ny menaka manitra tamin’ ny lohan’ i Jesosy i Maria, dia nanao fangatahana ho an’ ireo mahantra i Jodasy mpitsiriritra ka nimonomonona ny amin’ izay noheveriny fa fandaniam-bola tsy amin’ antony. Saingy noderain’ i Jesosy ilay fihetsika ka hoy Izy: ‘Nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony Tami-ko.’ ‘Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nata-on-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.’ Tamin’ ny alalan’ io tantara io no niresahana tamintsika fa Kristy dia natao hotolorana ny tsara indrindra amin’ izay ananantsika. Raha afantoka tanteraka amin’ ny fita-diavana izay ilain’ ireo mahantra ny fifantohantsika rehetra dia ho tonga an-tsirambina ny asan’ Andriamanitra. Tsy tokony ho atao antsirambina izy ireo raha manao ny adidiny tsara ireo mpitantam-pananan’ ny Tompo, saingy ny asan’ Andriamanitra no tokony atao lohalaharana.”—Testimonies for the Church, vol. 4, pp. 550, 551.
b. Tamin’ ny Isiraely fahiny, inona no toetra notakiana tamin’ ireo olona niandraikitra ny fitsarana? Levitikosy 19:15; Deoteronomia 1:17; 10:17.
c. Amin’ ny fomba ahoana no tokony ianaran’ ireo mpitarika rehetra amin’ ny fiangonana ny fampiha-rana io fitsipika io ankehitriny? 1 Petera 1:17; Kolosiana 3:25.
“Ireo mifankatia sy maneho fahalianana afatsy amin’ ny olona iray na anankiroa, ka manome vahana ireny ary manakana ny tombontsoa tokony ho an’ ny hafa dia tsy tokony hapetraka eo amin’ ny andraikiny na dia andro iray monja aza. Io fitanilàna tsy masina amin’ olona vitsy manokana izay mety mankasitraka haitraitra io ka hanaovana tsinontsinona ny hafa izay matahotra an’ Andriamanitra sy mahalala ny tokony ataony, ary manana tombam-bidy bebe kokoa eo Anatrehany dia faniratsirana an’ Andriamanitra.”—Ibid., vol. 3, p. 24.
Talata
29 Oktobra
3. MAMOLAVOLA FAHAZARANA TSARA KOKOA
a. Inona no fananarana nataon’ i Jakoba mikasika ny fananana ara-materialy ho an’ ireo mpino – ary nahoana no tena olana goavana tokoa izy io? Jakoba 2:6, 7.
“Andriamanitra dia efa nanaiky teo imason’ ny olona sy ny anjely fa zanany ianao; koa mivavaha mba tsy hanalanao Baraka ‘ny anarana tsara izay niantsoana anareo.’ Jakoba 2:7. Ho solon-tenany no nandefasan’ An-driamanitra anao ho eto amin’ izao tontolo izao. Koa na inona na inona ataonao dia tokony hoentina mampiseho ny anaran’ Andriamanitra. Ity fivavahana ity dia miantso anao mba hanana ny toetran’ Andriamanitra. Tsy azonao atao ny hanamasina ny anarany, tsy azonao atao ny ho solontenany eto amin’ izao tontolo izao raha tsy asehonao eo amin’ ny fiainanao sy ny toetranao ny tena fiainan’ Andriamanitra sy ny toetrany. Ary ny hahazo-anao manao an’ izany dia ny fandraisana ny fahasoavan’ i Kristy sy ny Fahamarinany.”—Sambatra, p. 96.
b. Amin’ ny fomba ahoana irery ihany no hahatonga antsika ho mpandresy noho ny fanehoantsika ara-ka ny tokony ho izy an’ i Kristy? Romana 2:11; Ohabolana 23:7.
“Ianaro am-pahamalinana fatratra ny toetra maha olona sy mah’ Andriamanitra tao amin’ i Kristy ka mam-etraha fanontaniana foana hoe: ‘Inona no nataon’ i Jesosy raha Izy no teo amin’ ny toerako?’ Fomba toy izany no ahafahantsika mandrefy ny adidintsika. Aza mametraka ny tenanareo ho tsy misy dikany eo amin'ny fiara-hamonina misy ireo olona mampiasa ny fahaizany hanamaivana ny fikasanao hanao ny tsara na hitondra pentina ao amin’ ny feon’ ny fieritreretanao. Aza manao zavatra mety haneho endrika faharatsiana mihitsy na dia kely aza amin’ ireo vahiny, eny an-dalana, na anaty fiara, na ao an-trano. Isan’ andro dia manaova zavatra hampiv-oatra sy hanatsara ary hanandratra ny fiainan’ ireo izay nofidian’ i Kristy tamin’ ny Ràny
“Ataovy araka ireo fitsipika ny zavatra ataonao fa aza atao araka ny fihetseham-po na oviana na oviana. Toneo amin’ ny halemem-panahy sy hatsaram-panahy ny herisetra natoraly ao anatinao. Aza mety ho tafaroboka amin-javatra maivamaivana na adilahy. Aoka tsy hisy fanambaniana hivoaka ny vavanao. Eny na dia ny saina aza tsy tokony havela ho amin-javatra maivamaivana. Tokony hofehezina izy ireo, avela ho babo amin’ ny fan-katoavana an’ i Kristy. Aoka ho apetraka amin’ ny zava-masina izy. Rehefa izany, amin’ ny alalan’ ny fahasoa-van’ i Kristy dia ho tonga masina sy marina izy ireo
“Ilaintsika ny manana fahatsapana tsy tapaka ny hery manandratra avy amin’ ny fisainana madio. Ny fia-rovana tokana ho an’ ny fanahy iray dia ny fananana fisaintsainana marina. . . .
“Voleo ny fahazarana milaza zavatra tsara momba ny hafa. Mitoera eo amin’ ireo toetra tsara ananan’ ny hafa izay mifanerasera aminao, ary aoka ho kely araka izay azo atao ny fahitanao ireo fahadisoany sy tsi-fahatanterahany.”—The Ministry of Healing, pp. 491, 492.
Alarobia
30 Oktobra
4. MANANA NY FITONDRAN-TENAN’ NY MPANJAKA
a. Inona no avoitran’ ny Soratra Masina momba ny zavatra tena ilaina marina ho an’ ny finoana Kristi-ana arahantsika – ary nahoana? Jakoba 2:8.
“Maro ireo mpampianatra ara-pivavahana no manizingizina fa nanafoana ny lalàna tamin’ ny fahafatesany i Kristy, ka noho izany dia afaka amin’ ny fitakian’ ny lalàna ny olona. Misy mampiseho izany ho toy ny zioga mavesatra, ary ho setrin’ ny fanandevozan’ ny lalàna dia asongadiny ny fahafahana iainana eo amin’ ny filaz-antsara
“Tsy toy izany anefa no fomba fijerin’ ireo mpaminany sy apostoly ny lalàna masin’ Andriamanitra. Hoy Davida: ‘Ary handeha amin’ ny malalaka aho fa ny didinao no tadiaviko.’ Salamo 119:45. Ny Apostoly Jakoba, izay nanoratra taty aorian’ ny nahafatesan’ i Kristy dia nilaza ny Didy Folo ho ‘lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ ny fahafahana.’ Jakoba 2:8; 1:25. Ary ny mpanoratra ny Apokalypsy, dimampolo taona taty aorian’ ny nanomboana an’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana, dia manonona fitahiana ho an’ izay ‘mankatoa ny didiny, mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanàna.’ Apokalypsy 22:14.”—Hery Mifanandrina, p. 480.
“Rehefa misy olona iray milefitra eo amin’ i Kristy, dia voatondra ho eo ambany fifehezan’ ny lalàna ny saina; saingy lalàn’ ny mpanjaka izany, dia lalàna izay mitory fahafahana ho an’ ireo voababo. Amin’ ny alalan’ ny fahatongavana ho iray amin’ i Kristy no hahafaka ny olona. Ny fileferana eo amin’ ny sitrapon’ i Kristy dia midika ho famerenana amin’ ny laoniny ny fahatanterahan’ ny olombelona
“Ny fankatoavana an’ Andriamanitra dia midika fanafahana avy amin’ ny fanandevozan’ ny ota, fahafahana avy amin’ ireo filàna sy firehetana maha-olona. Afaka mandresy ny tenany ny olona, mandresy ireo fironana ao anatiny, mandresy ireo fanapahana sy hery ary mpanjakan’ ny fahamaizinana eto amin’ izao tontolo izao’ sy ‘amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra.’ Efesiana 6:12.”—The Ministry of Healing, p. 131.
b. Amin’ ny fomba ahoana no mahatonga ny fitanilàna, fanavakavahana, na fitsaratsarana mialoha handoto ny fijoroantsika ho vavolombelon’ i Kristy? Jakoba 2:9.
“Mety mihambo ho mpanaraka an’ i Kristy isika, mety hihambo isika fa mino ny fahamarinana rehetra ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra, nefa tsy hahasoa ny mpifanolobodirindrina amintsika raha tsy tanterahina eo amin’ ny fiainantsika andavanandro ny finoantsika. Mety ho avo mahatakatra ny lanitra ny fanambarantsika ny finoantsika, nefa tsy hahavoavonjy antsika izany, na ny namantsika raha tsy kristiana isika. Ny ohatra tsara dia hitondra soa bebe kokoa ho an’ izao tontolo izao mihoatra noho ny fanekem-pinoana rehetra ataontsi-ka.”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 336.
Alakamisy
31 Oktobra
5. FAMPIANARANA AM-PAHENDRENA ATAO AM-PITIAVANA
a. Inona no tokony hotazomintsika ao an-tsaina eo amin’ ny fanandratantsika ny lalàna moralin’ An-driamanitra ho an’ ny tenantsika – dia toy izay hizarantsika ity fahamarinana ity ho an’ ireo taranaka ho avy ihany koa? Mpitoriteny 11:9; 12:13, 14; Jakoba 2:10–13.
“Manana fironana te ho afaka hatrany an-kibo ny tanora; maniry fahafahana izy ireo; ka ilain’ izy ireo ny mahatakatra fa ireny fitahiana tsy hita pesimpesenina ireny dia azo amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra irery ihany. Io lalàna io no mpitahiry ny fahafahana marina. Izy no manondro sy mandrara ireo zavatra mampitotongana sy manandevo ka noho izany dia manome fiarovana amin’ ny herin’ ny ratsy ho an’ ireo mpankatoa.
“Hoy ny mpanao Salamo: ‘Ary handeha amin’ ny malalalaka aho; fa ny didinao no tadiaviko.’ ‘Ny teny vavolombelonao koa no firavoravoako, eny, mpanolo-tsaina ahy izany.’ Salamo 119:45, 24.
“Eo amin’ ny ezaka ataontsika hanitsiana ny faharatsiana, dia tokony hiaro-tena amin’ ny fironana maninintsiny sy manankiana isika. Ny faninitsiniana lava dia tsy mitondra ho amin’ ny fanavaozana fa mam-pivily lalana. Ho an’ ny olona maro, matetika ho an’ ireo mora tohina, ny tontolo manodidina feno fanankianana dia mamono ny ezaka tokony atao. Tsy mitsiry ao anaty rivo-doza mpanapotika ny voninkazo. . . .
“Tratra ny tena tanjon’ ny fananarana rehefa voatarika hijery ny fahadisoany sy manam-pikasana hanitsy ny diany ihany ilay nanao fahadisoana. Rehefa tanteraka izany dia atoroy azy ny loharanon’ ny famelan-keloka sy ny hery. Tadiavo izay hitehirizana ny fanomezany hasina ny tenany sy hitarihana azy ho amin’ ny faherezana sy ny fanantenana.
“Io asa io no asa mahafinaritra sy sarotra indrindra nomena ny taranak’ olombelona. Izany dia mitaky faha-iza-manao manokana, fiheverana fatratra, fahalalana ny natioran’ ny olombelona, ary finoana sy faharetana avy any an-danitra, sy faniriana lalina hiasa sy hiambina ary hiandry. Tsy misy asa manan-danja mihoatra noho izany asa izany.”—Education, pp. 291, 292.
Zoma
1 Novambra
FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA
1. Na dia tsy manana betsaka aza aho dia inona no tsy maintsy heveriko momba ny hafa izay tsy manana afatsy kely?
2. Amin’ ny fomba ahoana no mety hidirana mora foana amin’ ny fitanilàna an-jambany na fitsaratsa-rana mialoha tsy ara-drariny amin’ ny olona sasany?
3. Amin’ ny fomba ahoana no mahatonga ny rafi-pisainantsika hisy fiantraikany amin’ ny fomba hifandraisantsika amin’ ny olona toy izany?
4. Nahoana ny lalàn’ Andriamanitra no antsoina hoe lalàn’ ny fahafahana ?
5. Lazalazao ny toetra tokony ananana rehefa mampianatra olona manana fahadisoan-kevitra.