Alahady
24 Novambra
1. FAHAIZA-MIJERY HAFAHAFA
a. Inona no faharatsiana goavana izay tena ampitandremana antsika – ary nahoana? Jakoba 3:14, 15.
“Izay manokatra ny fony ho amin’ ny hevitry ny fahavalo, ka miahiahy ratsy, nikolokolo fialonana, dia matetika no mamadika izany fisainana ratsy izany, miantso azy ho fahitana manokana, fahaizana manavaka zavatra, mahay mijery ny heloka sy ny hery manosika ratsy hananan’ ny hafa. Mihevitra izy fa nomena fan-omezam-pahasoavana sarobidy; ka miala amin’ ireo rahalahy izay tokony ho niraisany; nifikitra amin’ ny sezan’ ny mpitsara, ka manakatona ny fony amin’ ilay heveriny ho manao fahadisoana, dia tahaka ireny hoe tsy mba misy fakam-panahy mihatra aminy. Nisaraka taminy Jesosy ary navelany handeha amin’ izay fahazavana mahaf-inaritra azy izy.
“Aoka tsy hisy na iray aza eo aminareo hidera-tena intsony ka hanohitra ny fahamarinana amin’ ny filazana fa ity toe-tsaina ity dia tena ilaina amin’ ny firesahana am-pahatokiana amin’ ireo mpanao fahadisoana sy ho amin’ ny fiarovana ny fahamarinana. Maro no mankasitraka ny fahendrena toy izany, saingy tena mamitaka sy manimba izany. Tsy avy any ambony izany, fa vokatry ny fo tsy voaova. Satana no niaviany. Aoka tsy hisy mpiampanga ny hafa hanao ny tenany ho mpahita; satria raha manao izany izy dia mitafy ny toetran’ i Satana amin’ ny ankanjon’ ny fahamarinana. Miantso anareo aho, ry ranadahiko mba hanadiovanareo ny tempoly fanahy amin’ ny zavatra rehetra izay mandoto satria izany no fototry ny fangidiana.”—The SDA Bible Com-mentary [E. G. White Comments], vol. 7, pp. 936, 937.
Alatsinainy
25 Novambra
2. FITONDRAN-TENA MANIMBA
a. Fariparito ny vokatra tsy azo ialana ateraky ny fialonana sy ny adilahy. Jakoba 3:16.
“Ny olona iray ao am-piangonana na ao anatin’ ny vondrona iray izay tsy mifehy ny fisainana ratsy noho ny firesahany zava-dratsy momba ny rahalahy dia mandranitra ny firehetam-po ratsy indrindra ao amin’ ny olombelona ka manaparitaka ny masirasiran’ ny faharatsiana izay hahazo laka ao amin’ ireo rehetra mifanerasera aminy. Amin’ izany fomba izany no hahazoan’ ilay fahavalon’ ny fahamarinana fandresena, ary ny vokatry ny asany dia tsy hamaly ny vavaka ny Tompo raha ny mba haha iray ireo mpianany tahaka ny maha iray Azy amin’ ny Ray no nangatahany.”—The SDA Bible Commentary [E. G. White Comments], vol. 7, p. 937.
b. Mifanohitra amin’ ny fironana maha olombelona izay natsofok’ ilay fahavalon’ ny fanahy dia amin’ ny fomba ahoana no tokony hifandraisantsika amin’ ny hafa? Jaona 13:34.
“Maneho fitsarana olona ianao, ka miresaka ny fanaony sy ny fombany kanefa tsy fantatrao akory izay toerana misy azy sy ny asany. Mijery ny toe-javatra avy amin’ ny fomba fijerinao ianao ka mivonona hanontany na hanameloka izay hataony, kanefa tsy mijery am-piheverana tsara ny lafiny rehetra. Tsy fantatrao ny adidy atrehan’ ny hafa ka tsy tokony ho tompon’ andraikitra amin’ izay fihetsiny ianao, ataovy ny andraikitrao ary avelao ny hafa miaraka amin’ ny Tompo. Tehirizo amin’ ny faharetana ny sainao, mahareta amin’ ny fiadanana sy ny fahatoniana, ary aoka ho feno fisaorana . . . .
“Mora tohina ianao, ary raha misy teny tononina mifanohitra tanteraka amin’ izay zavatra nataonao dia maratra ianao. Tsapanao fa nomena tsiny ianao, ka tsy maintsy hiaro tena, hiaro ny ainao; kanefa amin’ ny ezaka mafy ataonao hamonjena ny ainao no hahaverezanao azy. Misy asa tokony ataonao dia ny famonoana ny izaho sy fikolokoloana toe-tsaina miaritra sy maharitra.”—Testimonies for the Church, vol. 2, p. 424.
“Ireo mifanakiana sy mifanameloka dia mandika ny didin’ Andriamanitra ka manafintohina Azy. Sady tsy tia an’ Andriamanitra izy ireo no tsy tia ny namany. Ry ranadahy sy rahavavy, andeha ho esorintsika ny toe-tsaina tia manakiana sy miahiahy ratsy ary mitaraindraina, ary aza rerahana izay miseho ao an-tsainao. Misy olona sasany mora tohina ka tsy misaina tsara. Aoka ho mora voakasika am-po ianao raha mikasika ny fomba hitandremana ny lalàn’ Andriamanitra sy ny fieritreretana hoe mitandrina izany na tsia. Izany no tian’ Andri-amanitra hahamora voakasika am-po antsika.”—The SDA Bible Commentary [E. G. White Comments], vol. 7, p. 937.
Talata
26 Novambra
3. MIATRIKA FAHADISOAM-PANANTENANA
a. Inona no voasoratra mikasika ireo tia ny lalàn’ Andriamanitra? Salamo 119:165.
“Esory ao an-tsaina ny fihevitra fa tsy marina mandrakariva ianao, diso foana, ary hoe misy olona mitady izay handratrana anao. Diso ny fomba fijerinao. Satana no mitarika anao hanana izany fomba fijery mifamadika izany.”—Testimonies for the Church, vol. 2, p. 424.
“Tia fahotana izao tontolo izao ary mankahala ny fahamarinana, ary izany no anton’ ny fankahalany an’ i Jesosy. Izay rehetra mandà ny fitiavany tsy misy fetra, no hanakorontana ny fivavahana kristianina. Ny fahazavan’ i Kristy no mampisava ny haizina izay manarona ny fahotany, ary mampiharihary fa ilaina ny fanav-aozana. Raha manomboka miady amin’ ny tenany ireo izay milefitra amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina miasa mangina ao anatiny ireo, dia hiady amin’ ny fahamarinana sy amin’ ny solon-tenany kosa ireo izay mifikitra amin’ ny fahotana
“Mipoaka ny ady, ary ny mpanaraka an’ i Kristy no hampangaina ho mpanakorontana ny vahoaka. Nefa ny fiarahany amin’ Andriamanitra no mahatonga ny fandrafian’ izao tontolo izao azy. Mitondra ny fahafaham-barakan’ i Kristy izy ary mandeha eo amin’ ny làlana izay nandehanan’ ny Olona mendrika indrindra eto an-tany. Tsy amin’ alahelo fa amim-piravoravoana no hisetrany ny fanenjehana. Ny fitsapana mahamay tsi-rairay avy dia samy fiasan’ Andriamanitra hanadiovana azy. Samy mampiofana azy ho amin’ ny asany ireny ka hahatonga azy ho mpiara-miasa Aminy. Ny ady rehetra dia samy manana ny toerany eo amin’ ny tolona lehibe ho an’ ny fahamarinana, ary samy hanampy fifaliana ho amin’ ny fandresena farany. Rehefa ao an-tsaina izany, dia hekena amim-pifaliana ny fisedrana ny finoana sy ny faharetana fa tsy hatahorana sy hialana.”—Ilay Fitia-vana Mandresy, p. 296.
b. Na dia hanaovana toetra tsy ara-drariny aza isika dia ny amin’ ny inona no tokony ho tsaroantsika? Matio 5:11, 12, 41; 1 Petera 4:12–15.
“Ilay Lohan’ ny fiangonana, Mpandresy ambonin’ ny mpandresy, dia nanondro tamin’ ireo mpanaraka Azy ny Fiainany, ny asa mafy nataony, ny fandavan-tenany, ny ady mafy natrehany, ny fahoriany tamin’ ny alalan’ ny fanaovana tsinontsinona, fanilikilihana, fihomehezana, fandrabiana, fanambaniana, fanesoana, fanendrikendrehana, hatramin’ ny làlana mankeo Kalvary ka hatramin’ ny fanomboana tamin’ ny hazo fijaliana, mba hahatonga azy ireo hahazo faherezana handroso hanatratra ny marika sy ny valisoa ho an’ izay mpandresy. Azo antoka amin’ ny alalan’ ny finoana sy fankatoavana ny fandresena. Aoka hampiarintsika eo amin’ ny fi-ainantsika isam-batan’ olona ireo tenin’ i Kristy.”—The Review and Herald, July 24, 1888.
Alarobia
27 Novambra
4. FAHENDRENA AVY ANY AMBONY
a. Inona no toetoetra voalohany ananan’ ny fahendrena avy any ambony – ary nahoana no tena ilaintsi-ka izany? Jakoba 3:17 (tapany voalohany); Matio 5:8.
“Tsy misy loto mahazo miditra ao amin’ Ilay Tanàna Masina. Ho madio am-po hatrety ireo hitoetra any. Ny mpianatr’ i Kristy dia tsy maintsy hitombo hatrany hatrany amin’ ny faharikorikoana ny fomba amam-panao tsy voahevitra, ny fiteny tsy mendrika, ny eritreritra tsy madio. Fa rehefa mitoetra ao am-po i Kristy, dia tonga ao koa ny fahadiovana sy ny fahamendrehana amin’ ny fomba aman-kery rehetra.
“Mbola misy hevi-dalina noho izany anefa ao amin’ ity tenin’ i Jesosy ity hoe: ‘Sambatra ny madio am-po.’ Tsy ny fahadiovana amin’ ny tsy fikasiham-pahavetavetana ihany, na fironana ho amin’ ny fahalotoam-pitondrantena no ambara eto, fa ity indrindra no tena fotony: Manao ny marina na dia amin’ ny he-vitra amam-pikasana miafina ao am-po aza, ary afaka amin’ ny fiavonavonana sy ny fitiavan-tena, ka manana toetra maotona sy tia namana ary tsotra toy ny zaza.”—Sambatra, pp. 26.
b. Hazavao ny tsy maintsy hampifantohantsika ny fijerintsika eo am-piomanana hihaona amin’ i Kristy. 1 Jaona 3:2, 3.
“Ao amin’ ny andinindinim-piainana andavanandro no ahatsapantsika ny hatsarany [Andriamanitra] sy ny fitiavany amin’ ireo fitondrana ataony. Amin’ ny toetra nasehon’ i Kristy no ahalalantsika ny Ray. Ary ny Fanahy Masina koa no manazava ao am-po ny fanambarana ny Ray sy Ilay nirahiny. Koa izay madio am-po dia hahita an’ Andriamanitra ankehitriny ao amin’ ny fifaneraserany Aminy, ary mahatsinjo fa Izy tokoa no Mpa-navotra azy. Rehefa mahatsapa ny fahadiovana sy ny fitiavana ao amin’ ny toetry ny Tompo toy izany izy, dia mangetaheta mafy hanahaka ny endriny. Ny ahitany Azy dia Ray maniry mafy hamihina eo an-tratrany ny mpanota mibebaka, ka heni-pifaliana sy voninahitra misafononoka ny fony
“Ny ahitan’ ny madio am-po an’ Andriamanitra koa dia Ilay Izy miasa amin’ ny sandriny mahery ao amin’ ireo zavaboary kanto manerana izao rehetra izao. Mahita mibaribary kokoa noho ny sasany ao amin’ ny Soratra Masina izy fa i Jehovah dia tsara sy be famindrampo ary itoeran’ ny harem-pahasoavana rehetra. Ny fahamari-nana izay afenina ny Hendry sy ny manan-tsaina dia naseho kosa ny zaza madinika, ary ny hasoa sy ny hasaro-bidin’ ny fahamarinana, izay tsy hitan’ ny olon-kendry eto amin’ izao tontolo izao, dia miharihary mandrakariva kosa amin’ ireo manana faniriana marina toy ny zaza hanatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra. Koa raha tonga mpiray amin’ ny mah’ Andriamanitra isika, dia hahita ny fahamarinana.
“Izay madio am-po àry no mahita lalandava ny fanatrehan’ Andriamanitra azy mandritra ny andro rehetra nomena hahavelomany eto an-tany.”—Sambatra, pp. 27, 28.
Alakamisy
28 Novambra
5. TOETRA TSARA MARO HAFA ILAINA
a. Aorian’ ny fahadiovana dia lazao ireo toetra tsara dimy manaraka avy amin’ ny fahendrena avy any ambony – izay raha tsy misy izany dia ho voaloto ny hery miasa mangina avy amintsika. Jakoba 3:17 (tapany afovoany).
“Ilainao ny hatsaram-panahy sy ny fahatsorana ary ny fanetre-tenan’ i Kristy. Manana fahaiza-manao saro-bidy maro ianao izay azo hatsaraina ka ho ampiasaina amin’ ny fanompoana ambony indrindra raha hamasinina ho an’ Andriamanitra. Tokony ho tsapanao fa ilainao ny manatona ireo rahalahinao amin-kalemem-panahy sy ny fahatsorana fa tsy amin’ ny amim-pahasiahana sy an-kasarotana. Tsy ho azonao an-tsaina ny ratra ataonao amin’ ny fanaovana toetra mahery sy manjakazaka amin’ izy ireo. Lasa tonga mafy fo sy very herim-po ireo pasitora eo amin’ ny saha misy anao kanefa tsy tokony ho nananany izany raha toa ka nomenao haja, halemem-panahy, fahatokiana ary fitiavana izy. Noho ny fomba fifandraisanao no nampisaraka ny fon’ ireo rahalahinao taminao, ka noho izany dia tsy misy hery miasa mangina ho amin’ ny tsara firy intsony ny torohevitrao.”—Christian Leadership, pp. 6, 7.
“Rehefa tsy tanteraka izay nandrasanao dia tandindomin-doza ho kivy sy tsy hilamin-tsaina ianao ka hitady fanovana. Tsy maintsy hialanao ny faninitsiniana ka manetre tena. Esory ny zavatra rehetra mamofompofona toe-tsaina miampanga. Tsy mahafaly an’ Andriamanitra ny mahita io toe-tsaina io ao amin’ ny mpanompony izay efa ela nanompoana. Mety amin’ ny tanora, raha arahana fanetren-tena sy fampileferana ny izaho, ny maneho hery sy hafanam-po; fa raha misy hafanam-po diso toerana sy toe-tsaina miampanga asehon’ ny tanora anankiray izay tsy manana afatsy fanandramana taona vitsy monja, dia tsy mety sy maharikoriko izany. Tsy misy manimba ny lazany ankoatra izany. Ny fahamorana, fahalemem-panahy, fiaretana, faharetana dia tsy mora hantsiana, fa maharitra ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, miaritra ny zavatra rehetra – izany no vokatra mitsiry avy amin’ ny hazo sarobidin’ ny fitiavana, dia fitomboana avy any an-danitra. Io hazo io, rehefa kolokoloina, dia ho tanora mandrakariva. Tsy ho tapaka ny rantsany ary tsy halazo ny raviny. Ho velona mandrakizay izy satria hahazo mandrakariva ny andon’ ny lanitra.”—Testimonies for the Church, vol. 2, pp. 134, 135.
Zoma
29 Novambra
FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA
1. Amin’ ny toe-javatra manao ahoana no mahatonga ahy alaim-panahy hitsara ny hery manosika ka hiantso izany ho fahaizana mamantatra?
2. Amin’ ny fomba ahoana no mahatonga ny fahazarana manakiana ny hafa ho lasa fandikana ny didin’ Andriamanitra?
3. Rehefa misy fitondran-tena ratsy atao amiko, dia inona no tokony ho tsaroako?
4. Inona no hevitry ny hoe ‘madio am-po’?
5. Amin’ ny fomba ahoana no hahatonga ahy ho mora hifandraisana – mora hifampiraharahana kokoa?