Alahady
8 Desambra
1. MISOROKA NY FAHITAN-JAVATRA DISO
a. Inona no fahazarana tena manimba izay ilaina esorina lavitra an’ ireo milaza fa tia ny rahalahy, na-hoana? Jakoba 4:11, 12.
“Tsy tokony ho raisina ho toy ny zavatra maivamaivana ny firesahana ratsy momba ny hafa na fipetrahantsi-ka ho mpitsara ny hery manosika sy ny asan’ izy ireo.”—Patriarchs and Prophets, p. 385.
“Ny tena tombam-bidin’ ny fitondran-tena tsara dia tsy mitady izay hieritreretana sy hiresahana ratsy momba ny hafa ka hampietry azy ireo. Ny fitsiriritana, ny fialonana, ary ny firesahana ratsy rehetra, miaraka amin’ ny tsi-finoana rehetra dia tsy maintsy esorina eo amin’ ireo zanak’ Andriamanitra.”—Our High Calling, p. 234.
“Tokony hisy ezaka matotra atao isaky ny fiangonana mba hanesorana ny resadresaka ratsy sy ny toe-tsaina mpiampanga satria izany no anisan’ ny fahotana miteraka faharatsiana indrindra ao am-piangonana. Ny fahasa-rotan-toetra sy ny fitsongolohana fahadisoana dia tsy maintsy anarina amin’ ny maha asan’ i Satana azy. Ny fifankatiavana sy ny fifampitokisana no tsy maintsy amporisihana sy atanjahina eo anivon’ ny mambry ny fian-gonana. Aoka ny rehetra, ao anaty fahatahorana an’ Andriamanitra sy fitiavana ny rahalahiny, hanapina ny so-finy amin’ ny fifosafosana sy faninintsiniana. Atoroy avy hatrany ny tenin’ Andriamanitra ilay mpitati-dresaka. Didio izy hankatoa ny Soratra Masina ka hitondra ny fitarainany avy hatrany amin’ ilay olona heveriny fa diso. Hitondra fahazavana goavana ao am-piangonana sy hanidy ny varavarana amin’ ny ratsy ny fiaraha-mientana. Rehefa izany dia hahazo voninahitra Andriamanitra ary maro ny fanahy ho voavonjy.”—Testimonies for the Church, vol. 5, pp. 609, 610.
Alatsinainy
9 Desambra
2. MANDRAY NY FAHAZAVANA AM-PAHAMATORANA
a. Rehefa manao drafitra dia inona no tokony ataontsika ao an-tsaina mandrakariva? Salamo 16:8; Jakoba 4:10, 13–16.
“Manokàna ny tenanao ho an’ Andriamanitra raha vao maraina; izany no ataovy voalohan-daharana in-drindra. Aoka ny fivavahanao ho toy izao: ‘Raiso aho, Tompo ô; ho Anao manontolo. Ny fikasako rehetra apetrako eo an-tongotrao. Ampiasao amin’ ny fanompoana Anao aho anio. Tomoera amiko, ary aoka ny asako rehetra hatao ao Aminao.’ Zavatra tokony hatao isan’ andro izany. Isa-maraina dia manokàna ny tenanao ho an’ Andriamanitra mandritra io andro io. Atolory Azy ny fikasanao rehetra, mba hotanterahiny na hajanona, araka ny fandaharana asehony. Mametraka ny fiainanao isan’ andro isan’ andro ho eo am-pelatanan’ Andriamanitra ianao, raha manao izany; ary amin’ izay dia ho voamboatra lalandava ho tonga tahaka ny fiainan’ i Kristy ny fi-ainanao.”—Ny Dia ho eo amin’ i Kristy, p. 70.
b. Hazavao ny adidy miezinezina sy ny fampamoahana antsika tsirairay avy noho ny fahazavana avy any an-danitra nomena antsika amin’ ny lafim-piainana rehetra. Jakoba 4:17; Matio 12:31, 32.
“Tsy Andriamanitra tsy akory no manajamba ny maso na manamafy ny fo. Alefany ny fahazavana hanitsy ny hevi-dison’ ny olona sy hitarika azy ho amin’ ny lalana azo antoka; ny fitsipahana io fahazavana io no ma-hajamba ny maso sy manamafy ny fo. Matetika no miandalana ny fizotran’ izany ary saika tsy re akory. Tonga eo amin’ ny fanahy amin’ ny alalan’ ny tenin’ Andriamanitra ny fahazavana, na amin’ ny alalan’ ny mpa-nompony, na amin’ ny alalan’ ny fitarihan’ ny Fanahy mivantana; nefa rehefa misy tara-pahazavana iray tsy ra-harahaina, dia mihadombo ny faharanitan’ ny fanahy, ary ny fahazavana manaraka dia manjavozavo ny fahitany azy. Toy izany no itomboan’ ny haizina, mandra-pahatonga’ ny alina ao amin’ ny fanahy.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 316, 317.
“Mampidi-doza ny famoahana teny misy fisalasalana, toy izany koa ny fanontaniana sy fanakianana mikasi-ka ny fahazavana avy any an-danitra. Ny fahazarana manao fanankianana tsy amin’ ny antony sy tsy am-panajana dia misy fiatraikany eo amin’ ny toetra ka mampitombo ny tsy fanajana sy ny tsi-finoana. Maro ny olona manome vahana io fahazarana io ka tonga tsy am-piheverana eo amin’ ny toerana mampidi-doza ary ny hiafarany dia manakiana sy mandà ny asan’ ny Fanahy Masina.”—Ibid., p. 323.
“Rehefa resahana momba ny fahasalamana ny olona dia matetika miteny hoe: ‘Mahafantatra zavatra be lavitra mihoatra noho izay ataonay izahay.’ Tsy tsapan’ izy ireo fa mbola ho hampamoahina ny amin’ ny tara-pahazavana tsirairay avy momba ny fahasalamany ara-batana izy ireo ary ny fahazarany tsirairay koa dia miharihary eo anatrehan’ Andriamanitra.”—Testimonies for the Church, vol. 6, p. 372.
Talata
10 Desambra
3. HARENA NOMENA LANJANY BE LOATRA
a. Inona no fampitandremana mikasika ny fakam-panahy mihodidina ireo nahazo fitahiana mihoatra noho ny hafa eo amin’ ny resaka fananana ara-materialy? Jakoba 5:1.
“Ireo pasitora dia tsy tokony hampiasa fandokandokafana na ho mpanaja olona tafahoatra. Nisy loza nitatao nahadiso, ary mbola misy ankehitriny, dia ny fiangarana kely atao amin’ ny olona noho ny harenany, na fandokandokafana azy ireo amin’ ny fomba manokana, na amin’ ny teny aza. Misy loza mitatao amin’ ny fan-kasitrahana olona manokana mba hahazoana tombontsoa, raha manao izany izy ireo dia ho tandindomin-doza ny ho aviny mandrakizay. Mety ho ankasitrahan’ ny olona iray mpanankarena amin’ ny fomba manokana ny pasitora ka mety hisokatra be loatra aminy; hahafaly ilay pasitora izany, ary izy indray dia handokadoka ny asa soa hataon’ ilay mpanome. Mety ho asandratra amin’ ny fanehoana amin’ ny boky aman-gazety ny anarany, na izany aza dia mety koa tsy ho mendrika tanteraka izany fanandratana izany ilay mpanome an-kalalahan-tanana. Ny fahalalahan-tanany dia tsy hanangana azy avy amin’ ny lalina ho amin’ ny fiainana amin’ ny fitsipika madio hanao ny tsara noho ny volany, hampandroso ny asan’ Andriamanitra satria tiany izany, fa avy amin’ ny hery manosika feno fitiavan-tena haniriany ho tonga mpanome. Mety ho noho ny fientanam-po no nanomezany ary tsy noho ny fitsipika lalina ny fahalalahan-tanany. Mety ho voahetsika am-po izy noho ny fahenoana fahamari-nana manaitra ka nampisokatra ny fitehirizam-bolany; fa na izany aza dia tsy lalina ny hery manosika azy. Noho ny fahataitairana no nanomezany; misokatra noho ny fahatairana tampoka ny poketrany ary mikatona toy izany koa. Tsy mendri-piderana izany olona izany satria olona kahihitra amin’ ny endriny rehetra izy, ary raha tsy mibebaka lalina izy dia haheno ny fanambarana mahamenatra toy izao izy sy ny poketrany: ‘He hianareo man-an-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo. Ny harenanareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin’ ny kalalao.’ Amin’ ny farany dia feo toy izany no ho re anaty fahadiso-am-panantenana goavana. Ireo izay mandokadoka ny fahalalahan-tanan’ izy ireo noho ny fahataitairana dia ma-nampy an’ i Satana hamitaka azy ireo sy manao izay hieritreretany fa tena nahafoy tena tokoa izy ireo, nala-la-tanana, kanefa tsy fantatr’ izy ireo akory na ireo fitsipika voalohany momba ny fahalalahan-tanana na ny fandavan-tena.”—Testimonies for the Church, vol. 1, pp. 475, 476.
b. Amin’ ny fomba ahoana no hampitomboantsika ny laharam-pahamehana eo amintsika manoloana ny vola? Ohabolana 11:4.
“Amin’ ny alalan’ ny fampiharana no hampivelatra sy hanamafy ny toe-tsaina tia manao soa man-dra-pahatongan’ izany ho lasa fitsipika ka hanjaka ao amin’ ny fanahy. Tena mampidi-doza ho an’ ny fanahy tokoa ny mamela ny fitsiriritana sy ny fitiavan-tena ahita fitoerana ao amin’ ny fo.”—Ibid., vol. 3, pp. 548, 549.
Alarobia
11 Desambra
4. MANDAO NY SAMPY
a. Inona matetika no antony ahazoan’ ny olona harena? Jakoba 5:2 (tapany voalohany).
“Amin’ izao taranaka izao dia ny faniriana te hahazo tombontsoa no mitelina ny hafanam-po. Amin’ ny ala-lan’ ny hosoka matetika no hahazoana harena. Maro ireo miady amin’ ny fahantrana, miasa mafy hahazoana karama kely, tsy afaka mampahazo antoka na dia izay ilaina kely indrindra eo amin’ ny fiainana aza. Ny asa sy ny tsy fananana, tsy misy fanantenana ho amin’ ny zavatra tsara kokoa, no manavesatra ny entan’ izy ireo. re-hefa azon-tebiteby sy voaterin-javatra izy ireo dia tsy mahita toerana ahitana fitsaharana. Ary izany rehetra izany no mitranga dia mba ahafahan’ ireo mpanan-karena manohy ny rendrarendrany sy manatanteraka ny faniriany hitsinjo ny ho avy!
“Ny fitiavam-bola sy ny fitiavan-drendrarendra dia nahatonga ity tontolo ity ho fialofan’ ny mpangalatra sy ny mpandroba. Efa nasehon’ ny Soratra Masina ny fitiavan-karena sy ny herisetra hanjaka mialohan’ ny fivere-nan’ i Kristy fanindroany.”—Prophets and Kings, pp. 650, 651.
b. Inona no hery manosika mafy an’ izao tontolo izao ankehitriny – ary inona no antso ilain’ ireo olona voatosik’ izany? 1 Timoty 6:9, 10; Deoteronomia 8:18, 19.
“Tsy manameloka olona mpanankarena na iza na iza Andriamanitra raha toa ka azony tamin’ ny fomba ma-dio ny harenany. Tsy ny vola, fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra. Andriamanitra no manome hery ny olona hahazoany harena; ary raha ampiasainy amin’ ny fomba tsy misy fitiavan-tena, amin’ ny maha mpitan-tam-pananan’ Andriamanitra azy izany harena izany rehefa tonga eo an-tanany dia manjary fitahiana ho an’ ilay manana azy sy ho an’ izao tontolo izao. Saingy maro, no saron’ ny faniriana harena eto amin’ izao tontolo izao, no tonga tsy miraika intsony amin’ ny fitakian’ Andriamanitra sy ny fanampiana ireo mpiara-belona aminy. Fitaovana hanomezam-boninahitra ny tenany no fiheverany ny hareny. Manangana trano miampy trano izy ireo, ary mividy tany miampy tany; fenoiny rendrarendrany ao an-tranony, kanefa dia maro ireo olona manodidina azy no miaina anaty fadiranovana sy heloka bevava, anaty aretina sy fahafatesana. Noho izany ireo izay manolo-tra ny fiainany ho amin’ ny fanompoana ny izaho dia mampivelatra ny toetran’ ilay ratsy ao anatiny fa tsy ny toetran’ Andriamanitra.
“Mila ny filazantsara ireny olona ireny. Ilainy ny hampitodihana ny masony hiala amin’ ny fahatsinontsinon’ ny zavatra ara-materialy fa hibanjina ny maha zava-dehibe ireo harena maharitra. . . .
“Misy olona sasany voaomana hiasa ho amin’ ny sarangan’ olona ambony kokoa. Tokony hitady ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra izy ireny mba hahalalany ny fomba hanatrarana ireny olona ireny, tsy hoe hifanerasera tsindraindray amin’ izy ireo fotsiny, fa amin’ ny ezaka ataon’ ny tena manokana sy ny finoana ve-lona dia hamoha azy ireo mba hijery izay ilain’ ny fanahiny, ary hitarika azy ireo hahalala ny fahamarinana ao amin’ i Jesosy.”—The Ministry of Healing, pp. 212, 213.
Alakamisy
12 Desambra
5. MIJERY AMBADIKY NY ARA-MATERIALY
a. Lazalazao ny vokatry ny fahazoana harena amin’ ny tsy marina. Jakoba 5:2 (tapany farany).
“Ny fahazoana harena amin’ ny fomba tsy ara-drariny, amin’ ny alalan’ ny fakana tombony be loatra amin’ ny varotra, amin’ ny alalan’ ny fampahoriana ny mpitondra tena sy ny kamboty, na amin’ ny alalan’ ny fanan-gonan-karena noho ny fanaovana antsirambina izay ilain’ ny sahirana dia azo antoka fa handray ny tambiny vo-alaza ao amin’ ny tsindrimandrin’ ny apostoly.”—Testimonies for the Church, vol. 2, p. 682.
b. Inona no hafatra manokana omen’ Andriamanitra mikasika ny harena? 1 Timoty 6:17–19.
“Ny ambany sy ny mahantra indrindra amin’ ireo mpianatr’ i Kristy marina, izay manan-karena amin’ ny asa tsara, dia fitahiana bebe kokoa sy sarobidy kokoa eo imason’ Andriamanitra noho ny olona mirehareha amin’ ny harem-beny. Manan-kaja kokoa eo amin’ ny kianjan’ ny lanitra izy ireo noho ireo mpanjaka ambony sy nasandratra indrindra kanefa tsy manan-karena amin’ Andriamanitra. . . .
“Ireo manangon-karena na manotona vola be amin’ ny fividianan-tany kanefa mampihafy ny ankohonany amin’ izay ilaina eto amin’ ny fiainana dia manao zavatra toy ilay lehilahy adala. Tsy avelan’ izy ireo hankafy ireo zavatra izay nomen’ Andriamanitra azy ireo betsaka ny ankohonany. Na dia efa manan-javatra maro aza izy ireo dia matetika ny ankohonany no miasa mafy mihoatra ny heriny mba hanangonana harena bebe kokoa. Tonga amin’ ny faratampon’ ny fiasany ny saina sy ny taolana ary ny nofo mba hanangonan-karena ka natao an-tsirambina ny fivavahana sy ireo adidy Kristiana. Miasa, miasa, miasa, no faniriana lalina manomboka marai-na mandra-paha alina.
“Maro ireo tsy maneho faniriana lalina hianatra ny sitrapon’ Andriamanitra sy hahatakatra ireo fitakiany amin’ izy ireo. Misy olona sasany miezaka mampianatra ny fahamarinana amin’ ny hafa kanefa tsy mankatoa ny tenin’ Andriamanitra ho azy ireo akory. Arakaraky ny maha-betsaka ny mpampianatra toy ireny ao amin’ ny asan’ Andriamanitra no tsy mampahomby izany asa izany.”—Ibid., pp. 682, 683.
Zoma
13 Desambra
FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA
1. Rehefa mifantoka amin’ ny fahadisoan’ ny hafa aho dia inona no ataoko amin’ izany?
2. Hazavao ny fomba hampahalahelovana ny Fanahy Masina rehefa tsy mandray ny fahazavana avy an-danitra.
3. Amin’ ny fomba ahoana no mety hahavoafandrika ireo mpanankarena sy ny pasitorany?
4. Nahoana no miha mitombo ny fahihirana ary nahoana no tokony hisoroka mandrakariva izany isika?
5. Lazalazao ny hatsarana sy ny tombon-tsoan’ ny fanetren-tenan’ i Kristy.