Back to top

Sabbath Bible Lessons

Fianarana avy amin’ ny Epistily nosoratan’ i Jakoba

 <<    >> 
Lesona 12 Sabata 21 Desambra 2024

Mifantoka amin’ ny lanitra

TSIANJERY: “Mahareta koa hianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ ny Tompo” (Jakoba 5:8).

“Ilainao ny ho tafiana mandrakariva amin’ ny fahamarinan’ i Kristy. Ilainao ny hirakitra ao an-tsaina fa za-nak’ Andriamanitra ianao ka tokony hanana halemem-panahy, hatsaram-panahy ary faharetana. Jereo akaiky tsara mba tsy hitoeran’ ny fitiavan-tena sy fitsiriritana ao anatinao.”—Manuscript Releases, vol. 13, p. 288.

Atolotra ho vakiana:   Early Writings, pp. 72, 73. 

Alahady 15 Desambra

1. FOTOANA HANAOVANA TOMBANA INDRAY!

a. Inona no hitranga tsy hoe ela amin’ ny zavatra nomen-daka ambony sy notsiriritina hatry ny fony fahagola – ary tokony hampahatsiahy inona amintsika izany? Isaia 31:6, 7.

“Ny fitiavam-bola feno fitiavan-tena ka nampiasaina tamin’ ny fomba diso no fototry ny ratsy rehetra. Fita-hiana ny harena raha raisintsika amin’ ny maha an’ ny Tompo azy, ka raisina amin’ ny fisaorana ary amin’ ny fisaorana ihany koa no hamerenana ho an’ Ilay Mpanome.

“Kanefa tombam-bidy manao ahoana moa no ananan’ ny harena tsy hita pesimpesenina raha angonina ao amin’ ny trano lafo vidy na any amin’ ny banky izy ireny? Manao ahoana ny lanjany raha oharina amin’ ny fa-monjena fanahy iray izay nahafatesan’ ny Zanakalahin’ Andriamanitra?”—Testimonies for the Church, vol. 6, p. 453.

“Ireo misafidy hanala tsiny ny tenany ka hanohy ao amin’ ny fahotana sy ny fanarahana an’ izao tontolo izao dia ho avela miaraka amin’ ny sampiny. . . . Rehefa ho tonga amin’ ny Voninahiny sy ny voninahitry ny Rainy i Kristy, hodidinin’ ireo anjeliny rehetra any an-danitra, izay miaraka Aminy arahin’ ny feon’ ny trompetra, dia ho re eo an-tsofina ireo mozika tsara feo indrindra izay hanaitra ny rehetra; tsy hisy na dia iray aza tsy ho liana. Tsy hambabo ny fanahy noho izany ny harena. Ireo volamena misavovona izay nambambo ny maso dia tsy hanintona intsony. Ireo trano tsara tarehy izay natsangan’ ireo mpirehareha teto an-tany, ka nataony sampy, dia ho tonga tsinontsinona sy zava-maharikoriko.”—Ibid., vol. 2, p. 41.


Alatsinainy 16 Desambra

2. DIENY MBOLA TSY TARA LOATRA . . .

a. Amin’ ny fomba hoana no hanehoan’ ny Soratra Masina an-tsary ireo mangatak’ andro ka tsy afaka nanome voninahitra an’ Andriamanitra tamin’ ny fananany intsony? Hosea 4:17; Matio 25:11, 12.

b. Lazalazao ny fiafaran’ ireo mifikitra amin’ ny fananany ara-materialy – ao anatin’ izany ireo mino ny fahamarinana ankehitriny. Jakoba 5:3.

“[Jakoba 5:1–3 vakio] hitako fa mihatra manokana amin’ ireo mpanankarena izay mino ny fahamarinana an-kehitriny ireo teny mahatahotra ireo. Antsoin’ ny Tompo hampiasa ny harenany ho fampandrosoana ny Asany izy ireo. Misokatra eo anatrehany ny fotoana azo araraotina saingy manakatona ny masony amin’ izay ilain’ ny asa izy ireo ka mifikitra haingana amin’ ireo harenany eto an-tany. Lehibe noho ny fitiavany ny fahamarinana sy ny fitiavany ny mpiara-belona ary ny fitiavany an’ Andriamanitra ny fitiavany izao tontolo izao. Mitaky ny fananan’ izy ireo Izy saingy mihazona izany noho ny fitiavan-tena sy fitsiriritana izy ireo. Manome kely izy an-kehitriny dia milamina ny feon’ ny fieritreretany saingy tsy naharesy ny fitiavany izao tontolo izao. Tsy nanao fandavan-tena ho an’ Andriamanitra izy ireo. Nanangana olona hafa manome tombam-bidin’ ny fiainana man-drakizay Andriamanitra, dia olona afaka mahatsapa tsara ny tombam-bidin’ ny fanahy ka mandrotsaka ny fananany ho fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra. Ho tapitra ny asa; ary tsy ho ela dia tsy hisy ilàna azy intsony ny harena sy tany be ary ny trano maro sy ny sisa izay nohazonin’ izy ireo. Hitako fa nitodika tamin’ ny olona toy izany tamin-katezerana ny Tompo ka namerina ireo teny hoe: ‘He! hianareo manan-karena.’ Niantso Izy fa tsy nihaino hianareo. Nanakona ny Feony ny fitiavana izao tontolo izao. Ankehitriny dia tsy misy ampi-asany anareo, ka avelany handeha hianareo ka baikony hoe: ‘He! hianareo manan-karena.’

“Indrisy hitako fa zavatra mahatahotra izany hoe nilaozan’ ny Tompo – mahatahotra ny voatazon’ ny zava-mora simba eto, kanefa raha mbola niteny Izy hoe amidio sy anomezo, dia azontsika natao ny nividy ny haren’ ny lanitra. Naseho ahy fa rehefa hifarana ny asa, ka handeha amin-kery lehibe ny fahamarinana, dia hi-tondra ireo fananany ireny olona manan-karena ireny ka hametraka izany eo an-tongotry ny mpanompon’ An-driamanitra ary hangataka azy ireo hanaiky izany. Ny valin-teny avy amin’ ireo mpanompon’ Andriamanitra amin’ izay dia hoe: “He! hianareo manan-karena. Tsy ilaina ny harenanareo. Nohazoninareo izany tamin’ ny fotoana nahafahanareo nanao ny tsara ho fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra. Nijaly ireo mahantra; tsy nahazo fitahiana tamin’ ireo harenanareo izy ireo. Tsy hanaiky ny fanananareo Andriamanitra an-kehitriny.’ ”—Testimonies for the Church, vol. 1, pp. 174, 175.


Talata 17 Desambra

3. MIANATRA ILAY FITSIPIKA VOLAMENA

a. Manao ahoana no fomba ifandraisan’ ireo olona nahazo fanambinana amin’ ireo olona ampiasainy – na ireo olona mividy ao aminy – ary inona no tsy maintsy ataontsika ao an-tsaina mandrakariva? Jakoba 5:4–6; Matio 7:12.

“Tsy ao amin’ ny harena rehetra izay azo Andriamanitra. Satana matetika dia misy ifandraisany be lavitra amin’ ny fanangonan-karena noho Andriamanitra. Ny ankamaroan’ izy ireny dia azo noho ny fampahoriana ny mpikarama amin’ ny karamany. Ny olona mpananan-karena dia mahazo fananana amin’ ny fanaovana tsy rariny amin’ ireo mpiasany, ka maka manambaka olona rehefa afaka manao izany, mba hanampiana betsaka ny fananany izay hihinana ny nofony toy ny afo

“Maro ireo olona tsy naneho fahamarinan-toetra tsara sy asa mihaja. Ny olona toy izany dia tsy maintsy mitady làlana hafa ary miasa haingana mba hahazoana fotoana. Maro ireo mpitandrina ny Sabata no manao fahadisoana eto. Manararaotra na dia ireo rahalahiny mahantra aza, ary ireo efa manana mihoatra aza dia mbola maka betsaka mihoatra ny tokony ho tombam-bidin-javatra, mihoatra noho izay tokony ho vidiny, kanefa ireny rahalahiny ireny dia sahirana sy miasa saina noho ny tsi-fahampiana. Fantatr’ Andriamanitra izany rehetra izany. Ny asa feno fitiavan-tena tsirairay avy, ny fanambakana, dia hisy valiny

“Hitako fa tena tsy ara-drariny ary halozana ny tsy mihevitra ny zava-misy eo amin’ ny rahalahy. Raha mi-asa saina izy, na mahantra, kanefa efa manao izay azony atao, dia tokony hisy fanampiana atao aminy, ary ny vidin-javatra rehetra mety ho alainy amin’ ny mpanan-karena aza dia tsy tokony ho alaina aminy daholo; fa tokony hisy famindram-po ataon’ izy ireo aminy. Ho ankasitrahan’ Andriamanitra ny asa feno hatsaram-panahy toy izany, ary tsy ho very tsy akory ny valisoan’ ilay mpanome. Saingy fampamoahana mahatahotra no miandry ireo mpitandrina Sabata izay manao asa kely sy feno fitsiriritana.”—Testimonies for the Church, vol. 1, pp. 175, 176.

b. Tamin’ ny fotoana voalohany dia nanao ahoana no fomba nifampizaran’ ireo mpino? 2 Korintiana 8:1, 2.

“Naseho ahy ny fotoana tany aloha izay tsy nisy afatsy vitsy kely no nihaino sy nandray ny fahamarinana. Tsy nanana betsaka tamin’ ny fananana teto amin’ izao tontolo izao izy ireo. Nifampizaran’ ireo olom-bitsy izay zavatra nilain’ ny asa. Ary nilain’ ny sasany tamin’ izy ireo ny nivarotra ny tranony sy ny taniny, ka nividy mora kokoa mba hialofany sy ho ataony fonenana, ka nomeny malalaka ho an’ ny Tompo, hanapariahana ny fahama-rinana, sy hanampiana ny fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra ny fananan’ izy ireo. Rehefa nijery ireo naneho fandavan-tena aho, dia hitako fa niaritra tsy fisiana izy ireo ho tombontsoan’ ny asa. Hitako fa nisy an-jely nijoro teo anilan’ izy ireo, nanondro azy ireo ny tany ambony, ka niteny hoe: ‘ Manana rakitra any an-danitra ianareo! Manana harena izay tsy ho azon’ ny harafesina any an-danitra ianareo! Mahareta hatramin’ ny farany dia ho lehibe ny valim-pitianareo.’ ”—Ibid., p. 176.


Alarobia 18 Desambra

4. TOETRA TSARA ILAINA ANKEHITRINY

a. Eo amin’ ny fampivoarana ny toetrantsika dia nahoana no tena zava-dehibe ny faharetana? Jakoba 5:7.

“ ‘Indro ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ ny tany ka maharitra amin’ izany mandra-pahazoany ny ranonorana aloha sy aoriana.’ Jakoba 5:7. Toy izany koa, ny Kristiana dia tokony hiandry amim-paharetana ny famokaran’ ny Tenin’ Andriamanitra ao amin’ ny fiainany. Matetika rehefa mivavaka isika ka hahazo ny fahasoavan’ ny Fanahy, dia miasa Andriamanitra hamaly ny fivavahantsika ary mametraka antsika eo amin’ ny toe-javatra hampitombo ireo voa ireo; nefa tsy takatsika ny fikasany, gaga isika, ary ketraka. Nefa tsy afaka hitombo ireo fahasoavana ireo raha tsy manaraka ny fomba fitomboana sy famoazan’ ny vokatra. Ny anjarantsi-ka dia ny mandray ny tenin’ Andriamanitra ka mamikitra aminy mafy, milefitra tanteraka amin’ ny fifehezany ary amin’ izay dia ho tanteraka ny fikasany ao amintsika .

“ ‘Raha misy tia Ahy, hoy i Kristy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.’ Jaona14:23. Hanombo antsika ny herin’ ilay saina matanjaka kokoa sy tena tantera-ka, satria manana firaisana velona amin’ ny fototry ny hery maharitra rehetra isika. Ao amin’ ny fiainantsika mi-araka amin’ Andriamanitra dia ho baikon’ i Jesosy Kristy isika. Tsy hivelona intsony amin’ ny fiainana ma-hazatra ombam-pitiavan-tena isika, fa i Kristy no ho velona ao anatintsika. Miseho eo amintsika ny toetra amam-panahiny. Amin’ izay isika dia hamoa ny vokatry ny Fanahy Masina. ‘Ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny ary ny sasany avy zato-heny.’ ”—Henoinareo ny Fanoharana, p. 42.

b. Rehefa vesaran’ ahiahy na fahasahiranana noho ireo fisesisesin’ ny faharatsiana eto amin’ ity planeta ity isika dia nahoana no manampy betsaka ny fahatokiana am-paharetana? Jakoba 5:8; Lioka 21:19.

“Nanjary sahisahy nandika ny lalàn’ Andriamanitra izao tontolo izao. Noho ny faharipony, dia nohitsakitsa-hin’ ny olona ny fahefan’ Andriamanitra. Nifampahery teo amin’ ny fampijaliana sy ny fahalozana tamin’ ny lovany izy ireo, manao hoe: ‘Hataon’ Andriamanitra ahoana no fahalala? Ary manam-pahalalana ve ny Avo In-drindra?’ Salamo 73:11. Nefa misy faritra izay tsy azony hihoarana. Akaiky ny fotoana izay hahatrarany ny fetra voalaza. Na dia ankehitriny aza dia efa saiky nihoatra ny faritry ny faharipon’ Andriamanitra izy ireo, ny fetran’ ny fahasoavany, ny fetran’ ny famindrampony. Hisalovana Jehovah mba hiaro ny voninahitry ny tenany, hanafaka ny vahoakany sy handresy ny fireharehan’ ny tsy fahamarinana.”—Henoinareo ny Fanoharana, pp. 150.


Alakamisy 19 Desambra

5. OHATRANA NATAO HANATANJAKA ANTSIKA

a. Eo amin’ ny fahafaha-manaon’ ny fiangonana dia amin’ ny inona matetika no ifantohantsika – ary inona no tokony ataontsika ao an-tsaina fa tsy izany? Levitikosy 19:18; Jakoba 5:9, 10.

“Maty martiora i Abela, ilay Kristianina voalohany indrindra, zanak’ i Adama. Niara-dia tamin’ Andriamani-tra i Enoka, ary nankahala azy izao tontolo izao. Nendrikendrehina ho mpitompo teny fantatra sy mpamendro-fendro vahoaka foana i Noa. ‘Ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomazina koa.’ ‘Ny sasany nampijalina ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra.’ Hebreo 11:36, 35

“Hatrany hatrany dia noharatsiana sy nenjehina ny iraka voafidin’ Andriamanitra; kanefa na dia nampijali-ana aza izy, dia tsy nahasakana ny fahalalana an’ i Jehovah tsy hiely tamin’ ny manodidina rehetra izany. Aoka hiara-mirohotra ny mpianatr’ i Kristy, ka hiroboka eo amin’ ny ady amin’ i Satana, fa tsy misy na inona na inona azon’ ny devoly atao hanoherana ny fahamarinana, ka hahavoatery ny olona handinika azy sy hiady hevitra aminy, na dia eo aza ireo fanaratsiana maro anotofana azy ankehitriny. Ho voahetsiketsika ny sain’ ny maro; ary ny fanoherana sy ny faniniana enti-mamono ny fahamarinana dia vao mainka hanjary fiasana amboarin’ Andri-amanitra hamohafoha ny sain’ izay matoritory

“Matetika dia matetika no ahitana izany vokatra izany ao amin’ ny tantaran’ ireo irak’ Andriamanitra. Re-hefa notoraham-bato, noho ny didin’ ny Sinedriona, i Stefana ilay be herim-po, dia tsy nisy fatiantoka ho an’ ny fitoriana ny Filazantsara tsy akory tamin’ izany. Fa ny fahazavan’ ny lanitra izay hita mampamirapiratra ny en-driny sy ny fitiavan’ Andriamanitra niseho tao amin’ ny fivavahana farany nataony, dia toy ny zana-tsipika ma-ranitra nitsatoka tao am-pon’ ilay mambran’ ny Sinedroana feno rehareha nijoro teo, dia i Saoly ilay Fariseo mpanenjika, ka nahatonga azy hanapa-kevitra hilatsaka koa ho miaramilan’ i Kristy, ary hitondra ny anarany any amin’ ny Jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’ i Isiraely.”—Sambatra, pp. 33, 34.


Zoma 20 Desambra

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Inona no tokony ataoko an-tsaina mikasika ny tombam-bidin’ ny volako?

2. Inona no hevitra ao ambadiky ny fihaikan’ i Kristy ao amin’ ny Jakoba 5:1?

3. Inona no fahalemena mety hahameloka ahy amin’ ny resaka fifaneraserana ara-bola?

4. Amin’ ny farany, amin’ ny fomba ahoana no hahatonga ny faharetana ho toetra hamirapiratra eo amin’ ireo vahoakan’ Andriamanitra?

5. Tamin’ ny fomba ahoana no nahafahan’ ireo maritiry nenjehina nampifantoka ny fijeriny nandritra ny tantara?

 <<    >>