Back to top

Sabbath Bible Lessons

Fianarana avy amin’ ny Epistily nosoratan’ i Jakoba

 <<    >> 
Lesona 13 Sabata 28 Desambra 2024

Maharitra noho ny finoana

TSIANJERY: “Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fi-asan’ ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra” (Jakoba 5:16).

“Ny vavaka mafana atao am-panetren-tena dia hamonjy ny fanahy amin’ ny fahafatesana, ary ny fi-aiken-keloka sy ny fanonerana izany dia hanarona fahotana maro.”—The Review and Herald, December 16, 1902.

Atolotra ho vakiana:   The Ministry of Healing, pp. 225–233; 
  Testimonies for the Church, vol. 3, pp. 271–293. 

Alahady 22 Desambra

1. FANANTENANA

a. Inona no toetra tena nahafantarana manokana an’i Joba – ary inona no resahan’ izany amintsika mi-kasika an’ Andriamanitra? Jakoba 5:11.

“Miandry amin’ ny fitiavana tsy mety tofoka Izy [ny Tompo], ary vonona handray ny fibebahany. Miandry fankasitrahana avy amintsika Izy, tahaka ny reny miandry tsikim-pisaorana avy amin’ ny zanany malala. Tiany ny hahafantarantsika fa feno fitiavana sady manina fatratra antsika ny fony. Miantso antsika Izy mba hitondra ny zava-mahory antsika ho eo amin’ ny fitiavany, ny ferintsika ho eo amin’ ny fanasitranany, ny halementsika ho eo amin’ ny heriny, ny fahafoanantsika ho eo amin’ ny fahafenoany. Tsy misy diso fanantenana izay rehetra manatona Azy. ‘Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangahiahy ny tavany

“Tsy hitaraina foana ireo izay mitady an’ i Jehovah ao amin’ ny mangingina, ka milaza amin’ ny Tompo izay ilainy ary mangataka fanampiana aminy.”—Sambatra, pp. 75.

b. Amin’ ny fomba ahoana no hamerenan’ i Jakoba ireo tenin’ i Kristy mikasika ny fahamarinana? Jakoba 5:12; Matio 5:37.

“Ny zavatra rehetra ataon’ ny Kristianina dia tokony ho tantera-pahazavana tahaka ny tana-masoandro.”—Sambatra, p. 61.


Alatsinainy 23 Desambra

2. FINOANA MIFANOHITRA AMIN’ NY FIHEVERANA

a. Raha marary dia amin’ ny fomba ahoana ary nahoana isika no hampaherezina hanatona eo amin’ ilay Mpanome aina lehibe? Jakoba 5:13–15; Salamo 103:1–3.

“Ankehitriny Andriamanitra dia maniry hampody ny aretina ho amin’ ny fahasalamana tahaka izay nitenenan’ ny Fanahy Masina ireo teny ireo tamin’ ny mpanao salamo. Kristy ihany no mpitsabo be famindram-po ankehitriny toy ilay Izy nanao ny asany tety an-tany. Ao Aminy dia misy balsama manasitrana ny aretina rehetra, mamerina hery amin’ ny tsi-fahatomombanana tsirairay avy. Ireo mpianany amin’ izao fotoana izao dia tokony hivavaka ho an’ ireo marary tahaka ny nivavahan’ ireo mpianatra fahiny. Dia ho tonga ny fahasitranana; satria ‘ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary.’ Manana ny herin’ ny Fanahy Masina isi-ka, ny fahazoana antoka avy amin’ ny finoana, izay azo itakiana ireo teny fikasan’ Andriamanitra. Ny teny fika-san’ ny Tompo manao hoe: ‘Hametra-tanana amin’ ny marary izy, dia ho sitrana ireny’ (Marka 16:18), dia azo itokiana ankehitriny toy ny tamin’ ny andron’ ny apostoly.”—The Ministry of Healing, p. 226.

b. Inona no fandanjalanjana tsy maintsy hitandremantsika rehefa mitady fahasitranana? Salamo 66:18.

“Tsy mendrika ny famindram-pon’ ny Tompo isika, saingy rehefa manolo-tena ho Azy dia raisiny. Hiasa ho an’ ireo manaraka Azy sy amin’ ny alalan’ izy ireo Izy.

“Saingy rehefa miaina amin’ ny fankatoavana ny Teniny ihany isika no afaka mitaky ny fahatanterahan’ ireo teny fikasany . . . . Raha ampahany ihany sy amin’ ny fo mizarazara no hankatoavantsika Azy dia tsy ho tan-teraka eo amintsika ireo teny fikasany.”—Ibid., p. 227.

“Ny fomba niasan’ i Kristy dia tamin’ ny alalan’ ny fitorian-teny sy fanamaivanana ireo fahoriana amin’ ny alalan’ ny asa mahagagan’ ny fanasitranana. Saingy nomena toromarika aho fa tsy ho afaka hiasa amin’ io fomba io isika; satria hampiasa ny hery amin’ ny fanaovana fahagagana i Satana. Tsy afaka miasa amin’ ny alalan’ ny fanaovana fahagagana ny mpanompon’ Andriamanitra ankehitriny satria ireo asa fanasitranana sandoka, izay ho lazaina fa avy amin’ Andriamanitra, dia ho atao.

“Noho izany antony izany no nahatonga ny Tompo nanondro fomba hataon ny vahoakany eo amin’ ny asa fanasitranana ara-batana nampifandraisina amin’ ny fampianarana ny teny. Tokony hisy toeram-pitsaboana ho atsangana, ary miaraka amin’ ireny toerana ireny no hampifandraisina amin’ ireo mpiasa hitondra ny tena asa misionera ara-medikaly marina. Amin’ izany fomba izany no hahatongavan’ ny hery fiarovana amin’ ireo olona tonga mitsabo tena ao amin’ ny toeram-pitsaboana.

“Io no fomba nataon’ Andriamanitra hanatanterahana ny asa misionera ara-medikaly ho an’ ny fanahy maro.”—Medical Ministry, p. 14.


Talata 24 Desambra

3. KARAZANA FAHEREZANA ANANKIROA SAMY HAFA

a. Lazao ireo endri-panasitranana izay mampalahelo fa tsy jerena. Jakoba 5:16.

“Fahadisoana manao ahoana ny an’ ireo mihevitra fa ny fiaiken-keloka dia hanaisotra ny hajan’ ireo sy hampihena ny hery miasa manginany amin’ ireo mpiara-belona. Ny fifikirana amin’ ny hevi-dison’ ny tena, na dia efa hita aza ny fahadisoana, izay maro no tsy mahavita miaiky izany, fa misafidy ny hanilika ny fahadisoana nataony amin’ ny hafa, dia vao mainka mampangidy ny fiainany sy manamaloka ny an’ ny hafa. Tsy hanimba ny lazanao ny fiaikenao ny fahotanao. Halaviro izany laza diso toerana izany. Mianjerà eo amin’ ilay Vatolampy ka aoka ho torotoro dia hanome anao ny tena laza mamy avy any an-danitra Kristy. Aoka tsy hisy avonavona, na fiheveran-tena ho zavatra, na fanamarinan-tena hihazona olona amin’ ny fiaikena ny helony, mba hahazoany mi-taky ny teny fikasana hoe: ‘Izay manafina ny fahotany tsy ambinina, fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po’ (Ohabolana 28: 13). Aza manafina na inona na inona amin’ Andriamanitra, ary aza atao an-tsirambina ny fiaikenao ny fahadisoanao amin’ ireo rahalahinao. ‘Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifam-pivavaha, mba ho sitrana hianareo. (Jakoba 5: 16). Maro ny fahotana tsy nibebahana no hifanehatra amin’ ny mpanota amin’ ny andro fampamoahana farany; tsara kokoa raha miatrika ny fahotanao ankehitriny, miaky azy ireny sy manaisotra azy, dieny mbola manao fifonana ho anao ny Sorona mpisolovava. Aza mijanona mianatra ny sitrapon’ Andriamanitra momba io lohahevitra io. Ny fahasalaman’ ny fanahinao sy ny famonjena ny hafa dia miankina amin’ ny dingana ataonao mikasika io lohahevitra io.”—Selected Messages, bk. 1, pp. 326, 327.

b. Rehefa niasa saina mikasika ny fihemorana ara-panahy nahazo ny fireneny Elia dia inona no nataony – ary tamin’ ny fomba ahoana no nitehirizan’ Andriamanitra azy? 1 Mpanjaka 17:1–3.

“Vontom-pahoriana ny fanahiny ka mitalaho tamin’ Andriamanitra izy hanisy fetrany ny faharatsian’ io va-hoaka io izay nomeny voninahitra fahiny, ary mba hofaiziny aza raha ilaina izany, hitarihana azy hahita amin’ izao andro ankehitriny izao ny fanalavirany ny zavatry ny lanitra. Nirian’ ilay lehilahin’ Andriamanitra tokoa ny hibebahan’ ireo nihemotra alohan’ ny hilentehany lalina ao amin’ ny fahotana izay hanome fo an’ Andriamanitra handevona azy ireo tanteraka. . . .

“Nahazo baiko hilaza tamin’ i Ahaba ny famaizana avy any an-danitra miandry azy i Elia. . . . Nony tonga tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka izy, dia tsy mba nangataka fihaonana manokana taminy na niandry ny ham-pandrosoina araka ny fomba fandraisam-bahiny. Fitafiana tsotra dia tsotra fitondran’ ny mpaminany tamin’ izany fotoana izany no teny an-kodiny, ary nandalo teo anoloan’ ny mpiambina izy nefa tsy voajeriny; nijoro nandritra ny fotoana kely foana teo anatrehan’ ny mpanjaka izay sina izy.”—Mpaminany sy Mpanjaka, pp. 96.


Alarobia 25 Desambra

4. MIANATRA AVY AMIN’ I ELIA

a. Nahoana ny vavaka nataon’ i Elia tamin’ Andriamanitra hamohazana ny fireneny izay nihemotra no nomena ho ohatra ho antsika? Jakoba 5:17.

“Ny antso niverimberina, ny fananarana, ny fampitandremana natao tamin’ ny vahoakan’ i Isiraely, dia tsy nahatarika azy ho amin’ ny fibebahana, ka tonga ny fotoana nitenenan’ Andriamanitra taminy tamin’ ny alalan’ ny famaizana. Raha mbola nanambara ireo mpiankohoka tamin’ i Bala fa ny haren’ ny lanitra: ny ando sy ny orana, dia tsy avy amin’ Andriamanitra fa avy amin’ ny herin’ ny zavaboary, ary noho ny hery mpamorona ananan’ ny masoandro no mampahalonaka ny tany sy mampahavokatra azy, dia nitambesatra aoka izany tamin’ ny tany voaozona ny loza aman’ atambo avy tamin’ i Jehovah. Tokony hahalala ny vahoakan’ i Isiraely mivadi-pinoana fa hadalana ny mitoky amin’ i Bala sy ny momba ireo fitahiana tsy maharitra ela. Man-dra-piverin’ izy ireo amim-pibebahana amin’ Andriamanitra, ka hiaikeny fa Izy no loharano niavian’ ny fitahiana rehetra, dia tsy hisy ando na ranonorana hilatsaka ambonin’ ny tany.”—Mpaminany sy Mpanjaka, p. 96.

b. Taorian’ ny nanaovan’ Isiraely ny fenekeny tamin’ Andriamanitra dia amin’ ny fomba ahoana no mahatonga ny vavaka nataon’ i Elia ho ohatra ho antsika ankehitriny? Jakoba 5:18; 1 Mpanjaka 18:39–45.

“In’ enina nivavaka mafy Elia, kanefa mbola tsy nisy famantarana fa hivaly ny fangatahany, saingy tamin’ ny finoana matanjaka no nanolorany ny fangatahany teo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana. Raha kivy teo amin’ ny fahaenina izy dia tsy ho novaliana ny vavaka nataony saingy naharitra hatramin’ ny fahatongavan’ ny valiny izy. Manana Andriamanitra izay tsy manampi-tsofina amin’ ny fangatahantsika isika; ary raha za-hantsika toetra ny Teniny dia hanome voninahitra ny finoantsika Izy. Tiany raha atambatra amin’ ny fikasany ny fikasantsika rehetra ka ho azony atao ny hitahy antsika am-pahazoana antoka tsara; satria tsy hitady voninahitra ho an’ ny tenatsika isika rehefa tonga eo amintsika ny fitahiana, fa hamerina ny fiderana rehetra ho an’ Andri-amanitra. Matetika Andriamanitra no tsy tonga dia mamaly ny vavaka ataontsika rehefa miantso Azy isika; satria raha manao izany Izy, dia hihevitra isika hoe zontsika ny mahazo ny fitahiana rehetra sy ny fankasitrahana izay omeny antsika. Ka raha tokony handinika ny fontsika isika sao misy ratsy mitoetra ao, na fahotana mahazo va-hana, dia lasa tonga tsy mivaky loha isika, ka tsy vitantsika ny mahatakatra fa miankina Aminy isika, ary mila ny fanampiany.

“Nampietry ny tenany Elia ka tonga teo amin’ ny toerana izay tsy ahafahany mandray ny voninahitra ho azy. Izany no fepetra ahafahan’ Andriamanitra mihaino ny fivavahantsika, mba hahafahantsika manome ny fiderana ho Azy avy eo.”—The SDA Bible Commentary [E. G. White Comments], vol. 2, pp. 1034, 1035.


Alakamisy 26 Desambra

5. MAMPIVELATRA NY FITIAVANA TAHAKA NY AN’ I KRISTY

a. Eo anivon’ ny fahadisoam-panantenana mihatra amintsika noho ireo olona tsy tanteraka eo amin’ izao tontolo izao lavo, dia inona no antso farany ataon’ i Jakoba namaranany ny taratasiny ho antsika? Jakoba 5:19, 20.

“Aoka tsy hisy fotoana hanakiviana an’ izay nanao meloka. Aza avela hiditra ao amin’ ny rahalahinao ka handratra azy ny fahamafisam-pon’ ny Fariseo. Aoka tsy hisy fanarabiana feno fankahalana hitsimoka ao an-tsaina na ao am-po. Aoka ny kaikitry ny esoeso mba tsy ho hita eo amin’ ny feo. Raha mamoaka ny teny avy aminao ianao, raha miseho ho tsy miraika na mampiseho fiahiahiana na tsy fahatokisana ianao, dia mety hitondra fahaverezana ho an’ ny fanahy iray izany. Mila rahalahy anankiray manana fo mangoraka toy ny an’ Ilay Ra-halahy Zokintsika izy mba hanohina ny fony. Aoka izy hahatsapa ny famihinana mafy avy amin’ ny tanana mi-tondra firaisam-po aminy ary aoka izy handre bitsibitsika hoe: aoka isika hivavaka. Hampanan-karena ny fanan-dramana ataon’ ny roa tonta Andriamanitra. Ny fivavahana dia mampiray antsika samy isika sy mampiray antsi-ka amin’ Andriamanitra. Ny fivavahana dia mitondra an’ i Jesosy eo anilantsika, ka manome ho an’ ny fanahy reraka sy sahirana, hery vaovao hoenti-mandresy an’ izao tontolo izao, ny nofo ary ny devoly. Ny fivavahana dia mampiala ny fanafihana ataon’ i Satana

“Rehefa mihodina ka manala ny masontsika tsy hijery ny tsy fahatanterahan’ ny olombelona isika, fa mibanjina kosa an’ i Jesosy, dia misy fanovana avy amin’ Andriamanitra maka toerana ao amin’ ny toetra amam-panahintsika. Ny Fanahin’ i Kristy no miasa eo amin’ ny fo, ka mahatonga azy hitovy endrika Aminy. Amin’ izay aoka ny ezaka ataonao mba hanandratra an’ i Jesosy. Aoka ny mason’ ny saina hitodika ho eo amin’ ny ‘Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao.’ Jaona 1:29. Raha miditra amin’ izany asa izany ianao dia tsarovy fa ‘izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ ny lalan’ ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.’ Jakoba 5:20. . . .

“Ny famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra dia misarika ny fon’ ilay nanao fahadisoana ho eo ankaikin’ Ilay Fitiavana tsy manam-petra. Mikoriana ao amin’ ny fanahin’ ny mpanota ny fiboiboiky ny fangorahan’ An-driamanitra, ary avy eo dia mankany amin’ ny fanahin’ ny hafa.”—Henoinareo ny Fanoharana, pp. 211, 212.


Zoma 27 Desambra

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Tamin’ ny fotoana manao ahoana teo amin’ ny fiainako no efa nahitako ny fahatsaran’ ny famindram-pon’ Andriamanitra tamiko?

2. Amin’ ny endriny ahoana no mety hahameloka ahy mikasika ny fiheveran-diso momba ny fahasala-mako?

3. Tamin’ ny fomba ahoana no namaliana ny vavaka nataon’ i Elia ho an’ ny fireneny?

4. Nahoana no nilain’ i Elia ny nivavaka imbetsaka mba hiverenan’ ny ranonorana?

5. Amin’ iza no tokony hanehoako toetra fangorahana bebe kokoa, ary nahoana?

 <<    >>