Fanatitry ny Sabata voalohany hanaovana foibe Union Colombie
Colombie dia firenena iray ao Amerika Atsimo izay manana mponina mihoatra ny 51 tapitrisa. Ny indostria mihodina ao dia toy ny famokaran-tsolika, fanodinan-javatra, fanaovana lamba, ny tao-trano fanorenana, ny fambolena, ny banky ary asa maro. Ao anatin’ ireo mponina ireo dia 73% no Katolika, 9.1% tsy Kristiana, 6.9% no fiangonana Evanjelika pentekotista, 6.5% no tsy manana fivavahana, 2.9% dia Protestanta, ary ny 0.9% no milaza ho tsy mino an’ Andriamanitra. Fihaikana lehibe ho an’ ny Fiangonan’ Andriamanitra aty izany toe-javatra izany.
Tamin’ ny 1960 no tonga teto Colombie ny hafatry ny anjely fahatelo raha mbola nandalo olana ara-tsaina vokatry ny ady an-trano ny firenena. Teo anivon’ izany korontana izany dia nahatratra 100 mambra izahay tamin’ ny 1971 rehefa nahazo ny fanoratana azy ara-panjakana ny fiangonana. Tamin’ izany fotoana izany dia vitsy ny mpiasa kanefa tena nanana faherezana sy hafanam-po tanteraka izy ireo ary nanolotra ny zavatra rehet-ra ho amin’ ny asa izay tiany. Ankasitrahanay mandrakariva ny fanohanan’ ireo pasitora izay nandao ny fireneny sy ny zavatra tiany ka tonga am-pifaliana nanohana ny asa taty Colombie – nanolotra ny tenany tamin’ ny fo manontolo hanaparitaka ny hafatra taty.
Noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia tafatsangana ny Union Colombie tamin’ ny 2006 ary ankehitriny dia manana Sahan’ asa telo. Ao an-drenivohitra Barbosa, Santander no misy ny foibe Union misy anay.
Ahafahana manompo ireo rahalahinay sy ireo liana amin’ ny fahamarinana izay tsy mitsaha-mitombo dia hitanay fa ilaina maika ny hanitatra ny toerana misy ankehitriny. Vao tsy ela dia nanana saha tato amin’ ny birao izahay, sekoly misionera ary departemanta misahana haino aman-jery. Tato ihany koa no nandraisanay fivori-am-be, seminera ary fisintahana ara-panahy nataon’ ireo mambra sy ireo liana vao haingana tamin’ ny fahamari-nana.
Efa vita ny ampahany amin’ ny trano eo amin’ io tany io, eo an-dalam-panamboarana ny efitra fanampiny, saingy tsy ampy vola hamitana azy izahay. Izany no mahatonga anay miantso ny fahalalahan-tanan’ ireo fi-anankavian’ ny fiangonana maneran-tany. Ny fanohanana ataonareo amin’ ny fanatitra mafatra-po dia hamela anay hahazo toerana hafa hanompoana ireo fanahy izay noana ny fahalalana ny Tompo.
Mankasitraka betsaka ny fanomezanareo izahay. Ny mandrakizay ihany no hampiseho ny habetsaky ny fanampiana sy ny fanatitra nataonareo
Ireo rahalahy sy anabavinareo avy aty amin’ ny Union Colombiana