Alahady
29 Septambra
1. IREO MPIANATR’ I KRISTY
a. Iza avy moa ireo lehilahy anakitelo nantsoina hoe ‘Jakoba’ izay nikambana tamin’ i Kristy – ary iza amin’ ireo matetika no resahantsika? Matio 10:2, 3; 13:55.
b. Milazà karazana fotoana manokana niarahan’ i Jakoba rahalahin’ i Jaona tamin’ i Jesosy ka na-naovany fanandramana. Lioka 8:51–55; Matio 17:1, 2; Marka 14:32–34.
“I Jaona, zanak’ i Zebedio no anankiray amin’ ny mpianatra roa voalohany izay nanaraka an’ i Jesosy. Izy sy i Jakoba rahalahiny no anisan’ ilay antoko voalohany nandao ny zavatra rehetra mba hanompo Azy. Tamim-pifaliana no nandaozany ny tokantranony sy ny Havana aman-tsakaizany mba hahazoany miaraka Aminy; efa niara-nandeha sy niara-niresaka taminy Izy; efa niaraka taminy tao amin’ ny fivoriana ampahibemaso. Efa nampitony ny tahony Izy, nanafaka azy tamin’ ny loza nananontanona azy, nanamaivana ny fahoriany, nampionona azy teo amin’ ny alahelony, ary nampianatra azy tamim-paharetana sy tamim-pitiavana, man-dra-pahatonga ny fony ho toa voafatotra tamin’ ny Azy, ary naniriany mafy ho akaiky Azy indrindra amin’ ny fanjakany noho ny firedaredan’ ny fitiavany Azy.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 554.
“Teo akaikin’ ny fidirana teo amin’ ny saha, dia nilaozan’ i Jesosy izy rehetra, afa-tsy ny mpianatra teo, ary nobaikony hivavaka ho an’ ny tenany sy ho Azy. Niaraka tamin’ i Petera sy i Jakoba ary i Jaona Izy, nankao amin’ ny toerana mitokatokana fialana sasatra tao amin’ ny saha. Ireo mpianatra telo lahy ireo no mpiara-dia tamin’ i Kristy akaiky Azy indrindra … Amin’ izao tolona mafy ataony izao dia nirin’ i Kristy ny fanatrehan’ izy ireo teo anilany. Matetika no efa nandany ny alina manontolo niaraka taminy teo amin’ io fialokalofana io izy ireo.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 699.
Alatsinainy
30 Septambra
2. MISOTRO AMIN’ NY KAPOAKA
a. Fariparito ny tanjon’ i Jakoba zanak’ i Zebedio niaraka tamin’ ny Jaona rahalahiny tany am-boalohany. Marka 10:35–38.
“Isaky ny misy fotoana anaovany izany, dia maka toerana eo akaikin’ ny Mpamonjy i Jaona, ary i Jakoba kosa dia naniry mafy ny homem-boninahitra amin’ ny fifandraisana ety Aminy
“Mpanaraka an’ i Kristy ny renin’ izy ireo, ary efa nanao asa fanompoana ho Azy tamin-kalalahana avy tamin’ ny fananany. Tamin’ ny fitiavan-dreny sy ny hambom-pon’ ny reny ho an-janany tao aminy, no nitsiriritany mba ho azy ireo ny toerana be voninahitra indrindra ao amin’ ilay fanjakana vaovao. Nampirisihiny izy ireo hanao fangatahana ny amin’ izany
“Niaraka nankeo amin’ i Jesosy ny reny sy ny zanany, ka niangavy Azy mba hanaiky ny fangatahana izay nametrahany ny fony
“ ‘Inona moa no tianareo hataoko aminareo?’ hoy ny fanontaniany
“Namaly ny reniny hoe: ‘Mandidia mba hipetrahan’ ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny ankavianao, ao amin’ ny fanjakanao.’
“Nentin’ i Jesosy tamim-pitiavana izy, tsy nanome tsiny azy ireo noho ny fitiavan-tenany Izy amin’ izy nita-dy hiangarana mihoatra noho ny rahalahiny. Namaky ny tao am-pony Izy, fantany ny halalin’ ny firaiketany taminy. Tsy fitiavan’ olombelona tsotra ny fitiavany; na dia voaloton’ ny toetra ara-nofo eo amin’ ny fantsona maha-olombelona aza, dia mitosaka avy tamin’ ny loharanon’ ny fitiavany manavotra izany. Tsy nanome tsiny Izy, fa handalina sy hanadio kosa. Hoy Izy: ‘Hainareo va ny hisotro amin’ ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ ny batisa izay hanaovana Ahy batisa?’ Tadidiny ny teniny nifono zava-miafina, izay nanondro fitsapana sy fahoriana, nefa namaly tamim-pahatokiana izy hoe: ‘Hainay ihany.’ Tiany horaisina ho voninahitra ambony indrindra ny hanaporofo ny toetrany mahatoky amin’ ny fandraisana anjara amin’ izay rehetra hianjady amin’ ny Tompony
“ ‘Raha ny kapoaka izay sotroiko dia hosotroinareo ihany ary ny batisa izay hanaovana Ahy Batisa dia ha-naovana anareo ihany,’ hoy Izy; – nanoloana Azy ny hazo fijaliana ho solon’ ny seza fiandrianana, jiolahy roa no namany eo amin’ ny ankavanana sy eo amin’ ny ankaviany.”—Ilay Fitiavana Mandresy, pp. 554, 555.
b. Araka izay nilazan’ i Kristy azy nialoha mihitsy dia inona no nitranga tamin’ i Jakoba sy Jaona ra-halahiny taorian’ ny fiakaran’ ny Tompo tany an-danitra? Asan’ ny Apostoly 12:1, 2; Apokalipsy 1:9.
“Nandray anjara amin’ ny fahorian’ ny Tompony i Jaona sy i Jakoba, ny anankiray no voalohany tamin’ ny rahalahiny matin’ ny sabatra; ny anankiray no hiaritra ela indrindra amin’ izy rehetra ny asa mafy sy ny fan-omezan-tsiny, ary ny fanenjehana.”—Ilay Fitiavana Mandresy, 555.
Talata
1 Oktobra
3. IZA NO NANORATRA NY EPISTILY?
a. Manao ahoana no hamariparitan’ ny Soratra Masina an’ i Jakoba zanak’ i Alfeo – anankiray amin’ ireo roambinifolo lahy (fa tsy mbola i Jakoba zanak’ i Zebedio rahalahin’ i Jaona)? Marka 15:40.
“Nisy an’ i Matio Levi mpamory hetra izay nantsoina avy eo amin’ ny fiainana iray feno fandraharahana ary mpiasa mahatokin’ i Roma; i Simona Zelôta, ilay fahavalo tsy nanaiky lembenana tamin’ny mpanjanaka; i Pe-tera mafana fo, nirehidrehitra sy nihevitra ho mahavita tena, sy Andrea; Jodasy avy any Jodia izay nahay, ha-vanana ary fetsy; Filipo sy Tomasy, izay nahatoky sy matotra, na dia sarotra nino am-po aza; Jakoba zandriny sy Joda, izay tsy dia nisy lanjany firy teo anivon’ ireo rahalahy, kanefa lehilahy natanjaka, nanan-kery na teo amin’ ny kilemany na teo amin’ ireo toetra tsaran’ izy ireo; tao koa Natanaela, tovolahy tso-po sy feno fahatokiana; ary ireo zanak’ i Zebedio roalahy izay be herim-po sy fitiavana.”—Education, pp. 85, 86.
b. Nahoana ny mpanoratra ny epistilin’ i Jakoba (izay nolazaina fa apostoly hatramin’ ny nahafantarany ny Tompo nivantana) no toa rahalahin’ i Kristy ihany – ary amin’ ny fomba ahoana no ahitantsika taratra fa novain’ ny hery miasa mangina avy amin’ ny Tompo ny toetrany araka izay hamariparitany ny tenany ihany? Jakoba 1:1 (tapany voalohany).
“Tsy neken’ ireo rahalahiny Kristy; satria tsy nitovy tamin’ izy ireo. Niasa nanao izay nanamaivanana ireo fahoriana rehetra izay hitany Izy ka nahita fahombiazana mandrakariva. Kely ihany ny volany azony nomena, kanefa matetika no nanomezany ho an’ ireo noheveriny ho mila fanampiana kokoa noho ny Tenany ny anjara sakafo kely izay nananany. Nihevitra noho izany ireo rahalahiny fa ho lasa lavitra kokoa ka hanimba ny azy ireo ny hery miasa mangina ho entiny; satria izy ireo dia miteny am-pahasiahana amin’ ireo mahantra, manambany ireo fanahy izay tafahaona aminy, fa Kristy kosa mitady ireny madinika ireny ka manao teny fampaherezana ho azy ireo. Teo anivon’ ny mpiankohonana, raha mbola azony natao ny nanao mihoatra, dia nataony tam-pahanginana sy miafina araka izay azo natao izany, ka na dia rano mangatsiaka iray kaopy aza dia nomeny ireo mahantra fadiranovana izay nezahany nampiana, ka ny sakafony mihitsy no napetrany teo an-tanan’ ireny.”—This Day With God, p. 59.
c. Tamin’ ny fomba ahoana no nanehoan’ i Paoly fanajana an’ i Jakoba rahalahin’ i Jesosy? Galatiana 1:17–19; Asan’ ny Apostoly 21:18.
Alarobia
2 Oktobra
4. MANAZAVA IREO HEVITRA SASANTSASANY
a. Inona no maneho fa i Jakoba, rahalahin’ i Kristy, dia olona nanana hery miasa mangina tao amin’ ny fivoriam-be manan-danja iray tamin’ ny fiangonana voalohany? Asan’ ny Apostoly 15:5, 6, 13, 19, 20.
“Tamin’ io fotoana io Jakoba no toa voafidy hilaza ny fanapahan-kevitra farany tao amin’ ny filan-kevitra. Fehezan-teniny no nanambara fa ny lalàna mikasika ny fombam-pivavahana, ary amin’ ny fomba manokana ny didy momba ny famorana, dia tsy tokony hanerena ny Jentilisa na haroso aminy akory aza. Niezaka i Jakoba handatsaka tao an-tsain’ ny rahalahiny fa nisy fiovana be tao amin’ ny fiainan’ i Jentilisa tamin’ ny fitodihany tamin’ Andriamanitra. Noho izany dia tokony hisy fitandremana be tsy hanorisory azy amin’ ny fanontaniana mahavery hevitra sy miteraka fisalasalana tsy dia misy antony firy, sao kivy izy amin’ fanarahana an’ i Kris-ty.”—Vavolombelona Mahery, p. 173.
b. Inona no fiheveran’ ny maro, izay diso, ka nolavina tamin’ ny alalan’ ny anjara toerana manokana izay notanan’ i Jakoba tao amin’ io fivoriam-be manan-danja io? Matio 16:18.
“Jakoba no nitarika ny filan-kevitra, ary izao no fanapahan-keviny farany: ‘Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin’ ny jentilisa izay miverina ho amin’ Andriamanitra.’
“Namarana ny adi-hevitra izany. Eto isika dia manana izay hoenti-manohitra ny fampianarana tanan’ ny Fi-angonana Katolika Romana, izay milaza fa i Petera no lohan’ ny fiangonana. Ireo izay mihambo ho mpandimby an’ i Petera, toy ny papa, dia tsy manana tenin’ ny Soratra Masina hoenti-manorina ny fihamboany. Tsy misy ao amin’ ny fiainan’ i Petera manamarika ny filazana fa nasandratra ambonin’ ny rahalahiny ho solontenan’ ny Avo Indrindra izy. Raha ireo izay milaza ho mpandimby an’ i Petera no nanaraka ny ohatra navelany, dia ho nianina fotsiny amin’ ny fitoviana laharana amin’ ny rahalahiny izy.”—Vavolombelona Mahery, p. 172.
“Tsy nankinin’ Andriamanitra tamin’ i Petera manokana ny asan’ ny filazantsara. Taty aoriana, raha namerina ny teny izay nolazaina tamin’ i Petera Izy dia nampihariny mivantana tamin’ ny fiangonana izany. Ny votoatin’ izany koa dia nambara tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy amin’ ny maha-solotenan’ ny mpino azy. Raha efa nanolotra fahefana manokana na toy inona na toy inona tamin’ ny anankiray amin’ ny mpianany mihoatra noho ny hafa Jesosy, dia tsy hahita azy ireo mifanditra matetika isika momba izay ho lehibe indrindra. Ho nilefitra teo amin’ ny sitrapon’ ny Tompony izy ka hanaja izay anankiray nofidiany.”—Ilay Fitiavana Mandresy, p. 419.
Alakamisy
3 Oktobra
5. ISIRAELIN’ ANDRIAMANITRA
a. Nosoratana ho an’ iza moa io epistily io – ary amin’ ny fomba ahoana no mahatonga izany hahakasika ireo rehetra manaiky an’ i Jesosy ho Tompo? Jakoba 1:1 (tapany faharoa); Galatiana 3:27–29.
“Teo anivon’ ny Isiraelin’ Andriamanitra dia nisy maro izay tsy mba avy amin’ ny taranak’ i Abrahama ara-nofo.”—Prophets and Kings, p. 367.
“Ny fiainan’ i Kristy dia nampitoetra fivavahana anankiray izay maneho ny tsy fisian’ ny fanilikilihana, fivavahana iray izay nampiseho fa olona afaka sy mifandray ary mifamatotra am-pirahalahiana sady mitovy eo anatrehan’ Andriamanitra na Jiosy na Jentilisa.”—Testimonies for the Church, vol. 9, p. 191.
“Asehon’ ny finoana kristiana fa misy fifamatorana ety dia ety eo amin’ ny Tompo sy ny mpanompo, eo amin’ ny mpanjaka sy ny vahoakany, eo amin’ ny mpitory ny filazantsara sy ny mpanota tsy mendrika izay nan-dray famelan-keloka teo amin’ i Kristy.”—Vavolombelona Mahery, p. 400.
b. Ao amin’ ny faminaniana dia inona no anarana omena ireo Isiraely ara-panahy amin’ ny farany – ary manao ahoana no famariparitana ny fanandramana ho lalovan’ izy ireo mialoha kelin’ ny fiverenan’ i Kristy? Apokalypsy 7:4.
“Tsy ela dia henontsika ny feon’ Andriamanitra toy ny firohondrohon’ ny ranobe, izay nanome antsika ny andro sy ny ora hihavian’ i Jesosy. Ireo olo-masina velona, izay miisa 144 000, dia nahafantatra sy nahatakatra ilay feo, raha toa kotroka sy horohoron-tany no fiheveran’ ireo ratsy fanahy azy. . .
“Voaisy tombokase sy tafaray tsy misy tomika ireo 144 000. Teo amin’ ny handrin’ izy ireo ny soratra hoe Andriamanitra, Jerosalema vaovao, ary kintana be voninahitra nisy ny anaran’ i Jesosy vaovao. Ny fifaliana sy ny fahamasinana hita teo amintsika dia naharomotra ny ratsy fanahy ka nahatonga azy ireo hihazakazaka hanin-jitra ny tanany amin-kerisetra hanipy antsika ao an-tranomaizina, kanefa rehefa nanatsotra ny tanantsika tamin’ ny anaran’ ny Tompo isika dia lavo tsy nisy mpanampy teo amin’ ny tany izy ireo. Tamin’ izany no nahafanta-ran’ ny sinagogan’ i Satana fa tia antsika Andriamanitra, isika izay afaka nifanasa togotra sy nifampiarahaba tamin’ ny fifanorohana masina ka dia nivavaka teo an-tongontsika izy ireo.”—Testimonies for the Church, vol. 1, p. 59.
Zoma
4 Oktobra
FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA
1. Tamin’ ny fomba ahoana no nitomboan’ i Jakoba zanak’ i Zebedio bebe kokoa ho tonga tahaka an’ i Kristy?
2. Tamin’ ny fomba ahoana no nitomboan’ i Jakoba, ilay rahalahin’ i Jesosy hafa, ho tonga tahaka an’ i Kristy bebe kokoa?
3. Inona avy ireo porofo ao amin’ ny Soratra Masina izay maneho fa tsy Petera no lohan’ ny apostoly?
4. Amin’ ny fomba ahoana no hanazavan’ i Paoly ny firaisana sy ny fitoviana tombam-bidy amin’ ireo Kristiana rehetra?
5. Inona no maneho an-tsary ny fandresena farany ho an’ ireo Isiraelin’ Andriamanitra?