Back to top

Sabbath Bible Lessons

Fianarana avy amin’ ny Epistily nosoratan’ i Jakoba

 <<    >> 
Lesona 7 Sabata 16 Novambra 2024

Mivavaka mialohan’ ny hiteny

TSIANJERY: “Mampianara ahy, dia hangina aho; ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.” (Joba 6:24).

“ ‘Raha misy olona tsy tafintohina amin’ ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany re-hetra koa.’ Ny fahazavana izay mitsilo ny diantsika sy ny fahamarinana izay mibaiko ireo feon’ ny fieritrere-tantsika dia, na hanameloka sy hanimba ny fanahintsika, na hanamasina sy hanova azy. Miaina akaiky kelin’ ny fikatonan’ ny varavaram-pahasoavana isika ka tsy tokony hionona amin’ ny asa ivelambelany.”—Testimonies for the Church, vol. 1, p. 308.

Atolotra ho vakiana:   Testimonies for the Church, vol. 2, pp. 50–55, 314–318; vol. 5, pp. 55–59, 175–177. 

Alahady 10 Novambra

1. MAMPILEFITRA NY IZAHO

a. Inona no tokony ho ao an-tsain’ ireo olona mailaka hifehy mandrakariva ny hafa? Jakoba 3:1; Marka 9:35.

“Tanan’ Andriamanitra ho tompon’ andraikitra ny amin’ ny hery miasa mangina halefany manodidina azy ny tsirairay avy ka ho adinina ny aminy sy ny amin’ ny hafa koa.”—Counsels to Parents, Teachers, and Students, p. 102.

“Mandeha ho azy amin’ ny maha olona ny mifantoka amin’ ny izaho sy ny mifikitra amin’ ny heviny. Saingy miala eo amin’ ny fiainan’ ireo mianatra lesona avy amin’ i Kristy ka maniry ho ampianariny ny fitiavan-tena. Tonga mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra izy ireo, ary Kristy no velona ao anatiny. Toy ny rahalahy mi-tovy faniriana sy fahaiza-manao ary miatrika fakam-panahy sy fisedrana ka mitady fangorahana sy mila fanam-piana daholo no fijerin’i Kristy ny olona rehetra,

“Tsy tokony hanambany na oviana oviana ny mpiara-belona amintsika isika. Rehefa hitantsika fa nisy fahadisoana natao, dia tokony hataontsika araka izay hery rehetra ananantsika ny hanampiana ireo naniasia, amin’ ny alalan’ ny fitantarana amin’ izy ireo ny fanandramana nolalovantsika – sy ny fomba nanaovantsika fahadisoana goavana ary ny nahazoantsika faherezana sy fanantenana noho ny faharetana sy ny firahalahiana ary ny hatsaram-panahy sy fanampiana nataon’ ireo namana tamintsika.”—The Signs of the Times, May 11, 1904.


Alatsinainy 11 Novambra

2. MAMBOLY FAHAZARANA TSARA KOKOA

a. Inona no fananarana mafy nomanina ho an’ ireo maika ny amin’ ny hafa kanefa manda tsy hanaiky ny fahadisoan’ ny tenany? Mpitoriteny 7:20; Jakoba 3:2 (tapany voalohany).

“Tsy hijery ny kileman-toetranareo manokana ve ianareo ka hitafy ny fiadian’ ny fahamarinana ho an’ ny tenanareo? Moa ve tsy tokony hijery sy hanakiana ny amin’ ny toe-panahinareo manokana sy ny toetranareo ary ny fiteninareo tahaka ny nataonareo tamin’ ny hafa ianareo, raha tsy izany dia ho afa-baraka Andriamanitra ka ho diso fanehoana ny Fahamarinany? Ny fizahana ataonareo dia hitondra fandrosoavana goavana raha tan-terahinareo. Amin’ izay ny fahamarinana, izay teny velona, dia ho tahaka ny afo voatahiry amin’ ny taolanareo, ka hamirapiratra mazava tsara, amin’ ny fomba miavaka, ho fanehoana an’ i Kristy amin’ izao tontolo izao. . . .

“Tsy misy amin’ ireo manao ny tenany ho mpitsikilo na dia iray aza ve mahita ny hiafaran’ ny toerana norai-sin’ izy ireo amin’ ny nahatongavany ho hery mpifehy? Nankaiza ny masom-panahin’ izy ireo? Nahoana izy ireo no mahita ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahiny fa tsy mahita ny andry eo amin’ ny azy?”—Testimonies to Ministers, pp. 295, 296.

b. Inona no mampiseho fa nahatratra ny hahavon’ ny fahatanterahana ara-pitondran-tena ny olona iray – ary amin’ ny fomba ahoana ihany no hahatanteraka izany? Jakoba 3:2; 1 Korintiana 13:5 (tapany faharoa).

“Na aiza na aiza no ahafahan’ ny lela tsy voafehy mahita toerana hanaovany ny asany tsy masina dia tsy ho afaka hitoetra ao ny fifaliana avy amin’ ny Tompo

“Aoka ilay miahiahy, izay mieritreritra sy miresaka ny faharatsiana eo amin’ ireo rahalahiny hahatsiaro fa manao ny asan’ ny devoly indrindra izy. Aoka ny mambry ny fiangonana tsirairay avy hiasa am-pahavononana matotra tsara, ka hitady fanampiana amim-bavaka, hanasitranana io taova marary io, dia ny lela. Aoka ny tsi-rairay avy hahatsapa fa adidiny sy tombontsoa ho azy ny manadino ireo tsy fitovian-kevitra madinika sy tsy manisy resaka akory ireo fahadisoana. Aza halehibiazina ny fahadisoana madinika ataon’ ny sasany, fa saintsaino ny tsara ao aminy. Isaky ny misaintsaina ireny fahadisoana ireny sy miresaka momba azy isika dia miha mahazo vahana izany. Vohitra kely no atao tonga tendrombohitra avo; ratram-po sy tsy fahatokiana no vokany.”—Australasian Union Conference Record, April 15, 1903.

“Manaova fanekena amin’ Andriamanitra fa hiambina tsara ny fiteninao ianao. ‘Raha misy olona tsy taf-intohina amin’ ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.’ Jakoba 3:2. Tadidio fa tsy misy fiteny mamaly faty hahatonga olona anankiray hahatsapa ho nahazo fandresena na oviana na oviana. Aoka hiteny amin’ ny alalanao Kristy. Aza avela ho very ny fitahiana izay ho avy amin’ ny tsi-fisainana zava-dratsy.”—Testimonies for the Church, vol. 7, p. 243.


Talata 12 Novambra

3. MANOMBOKA AO AMIN’ NY FAKANY IZANY

a. Farito ny lalan-diso hanaraka ato afara raha vao mitahiry lolom-po isika ary hazavao ny fomba toka-na hisorohana izany. Hebreo 12:15; Jakoba 3:3–5.

“Nokolokoloinao tao ny lolom-ponao tamin’ ny vadinao sy ny hafa nanao fahadisoana taminao ka tsy vita-nao ny nandinika raha naniasia sy nanao fahadisoana ratsy lavitra noho ny fahadisoana nataonao ianao. Mangidy amin’ ireo nanao tsy rariny taminao ny sainao, ka navelanao hivoaka avy amin’ ny fihetseham-ponao ny fan-initsiniana sy ny fanakianana. Mety hanamaivana kely ny fonao feno vesatra izany, saingy hamela ratra ao amin’ ny fanahinao. Taova kely ny lela, saingy nokolokoloinao ny fomba fampiasa azy tsy araka ny tokony ho izy mandra-pahatongany ho toy ny afo mandoro

“Ny zavatra rehetra dia mirona ho amin’ ny fandrosoanao ara-panahy. Fa Andriamanitra mahita hoe sarotra manao ahoana ny hanam-paharetana sy hamela heloka, ary fantany ny fomba hamindrana fo sy hanampiana. Mangataka anao Izy hanavao ny fiainanao, hanitsy ireo kileman-toetranao. Faniriany ny hahatonga ny fanahinao matanjaka sy tsy azo hozongozonina hilefitra eo amin’ ny Fahasoavany. Tokony hitady ny fanampian’ Andri-amanitra ianao satria ilaina noho ny korontana sy savorovoro ny fiadanana sy ny filaminana. Ny fivavahan’ i Kristy dia manery anao hampihena ny fihetseham-po tampoka fa kosa hampitombo ny fahaiza-mandanjalanja masina sy ny fahaiza-mitsara milamina.”—Testimonies for the Church, vol. 4, p. 139.

b. Inona no tokony ho fantantsika mikasika ireo teny avoakantsika? Jakoba 3:6.

“Ireo teninao no hilaza ary ireo fihetsikao no hampiseho hoe aiza ny misy ny harenao.”—Ibid., vol. 1, pp. 698, 699.

“Nentin’ ny fientanam-po tampoka ny rahavavy F. ka nahita fahadisoana maro sy fanakianana maro loatra ireo rahavaviny sy anadahiny. Hiteraka fikorontanana ao am-piangonana izany.”—Ibid., vol. 2, p. 51.

“Aoka ireo mahita fifaliana amin’ ny fifosafosana sy fanendrikendrehana ireo mpanompon’ i Kristy hahatsi-aro fa vavolombelona mahita ny asan’ izy ireo Andriamanitra. Ny fanendrikendrehana ataon’ izy ireo dia tsy mandoto ny fanaka tsy misy fanahy tsy akory fa mandoto mivantana ny toetran’ ireo izay novidian’ i Kristy tamin’ ny Ràny. Ny tanana izay nanoratsoratra teo amin’ ny rindrin’ ny lapan’ i Belsazara dia mandray an-tsoratra am-pahatokiana tsara ny tsy fahamarinana tsirairay avy sy ny ratsy atao amin’ ireo vahoakan’ An-driamanitra.”—Ibid., vol. 5, pp. 244, 245.


Alarobia 13 Novambra

4. NA DIA MISY POROFO AZA IZANY . . .

a. Inona no antso avo atao mikasika ny fironanana mahazatra mampidi-doza amin’ izao androntsika izao? Salamo 15:1–3; 1 Korintiana 13:6.

“Ny lela izay mifaly amin’ ny fanimbana ny hafa, ny lela haingam-pivadihana miteny hoe, henoko, ary ho-tantaraiko, no lela izay nambaran’ ny apostoly Jakoba fa ho levonin’ ny afobe. Manaparitaka fampiadiana na aiza na aiza izany. Mba mihevitra ve ny mpifosafosa fa mandoto olona tsy manan-tsiny izy? Tsy hanatsahatra ny asa ratsiny izy, na dia manimba sy manakivy ireo izay efa rendrika ao anatin’ ny enta-mavesatra aza. Ny maha maika azy dia ny hanome fahafaham-po ny fitiavana te hanapotika ny hafa. Na dia ireo milaza ho Kristiana aza dia manakatona ny masony amin’ izay rehetra madio sy masina ary ambony sy maha te ho tia fa manome tom-bam-bidy ny zavatra azo tsiniana sy tsy dia tsara loatra, ka mamoaka izany ho hitan’ izao tontolo izao.

“Ianareo ihany no nanokatra ny varavaranareo hidiran’ i Satana. Nomenareo toeram-boninahitra ao anatin’ ny fanadihadiana sy ny fivoriana fitsaratsarana ataonareo izy. Tsy mba nomenareo haja ny fahatsaran-toetra efa nitoetra hatramin’ ny taona ela nijoroana ho mahatoky. Fialonana, lela mamaly faty no nampisy loko ny asa sy hery manosika sy nanome tsiro ny hevitry ny tena manokana. Nataon’ izy ireo tonga mainty ny fotsy ary tonga fotsy ny mainty. Rehefa maneho ny tatitra ataony izy ireo, dia misy sasany milaza hoe: ‘Marina izany.’ Ny fan-ekena fa marina ilay toe-javatra ve manamarina ny asanareo? Tsia, tsia. Raha alain’ Andriamanitra avokoa ireo fiampangana izay mety ho marina momba anao ka ho velabelariny eo amin’ ny fitsarana fanasaziana anao, dia ho lehibe kokoa sy ho lalina kokoa mihoatra noho izay nataonao tamin’ i ralahahy---- ny ferinao. Na dia zava-misy marina aza dia mety ho taterina haneho hevitra diso. Tsy manan-jo hanangona ireo tatitra rehetra momba azy ianao ka hampiasa ireny hamotehana ny lazany sy hanimbana ny toerana misy azy. Raha toy ny toe-tsaina izay nasehonao tamin’ ny rahalahinao no nataon’ Andriamanitra taminao dia ho potika tsy nisy famindram-po ianao. Tsy manameloka anao ve ny feon’ ny fieritreretanao? Tsy mino aho. Mbola tsy tonga ny fotoana nampihen-danja io fomba satanika io. Raha araka izay nanehoanao azy marina aza ny maha-izy ny rahalahy ----- izay fantatro fa tsy izany, dia tsy mbola manamarina ny fihetsika nataonao izany.

“Rehefa maheno fanitsininiana mikasika ny rahalahintsika isika dia tsy raisintsika izany . . . [Psalm 15:1–3 quoted.]”—Testimonies for the Church, vol. 5, pp. 57, 58.

b. Amin’ ireo fahotana fito voatanisa ho fahavetavetana eo anatrehan’ i Jehovah dia firy amin’ izy ireo no misy ifandraisany amin’ ireo tenintsika? Ohabolana 6:16–19.


Alakamisy 14 Novambra

5. FITAOVAM-PIADIANA IRAY MANDRATRA

a. Amin’ ny fomba ahoana ary nahoana no tsy maintsy sorohantsika ny fahazaran-dratsy mahazatra amin’ ny fifosafosana? Joba 6:24; Ohabolana 11:13; 26:20–22.

“Tontolo feno fifosafosana manao ahoana no ho voasoroka raha toa ny olona tsirairay ka mahatsiaro fa ilay mitantara aminy ny fahadisoan’ ny hafa dia hanaparitaka malalaka ny fahadisoany ihany koa amin’ ny fotoana ahafahany manao izany. Tokony hisaintsaina zavatra tsara momba ny olona rehetra isika, indrindra ireo ra-halahintsika, mandra-pahatongantsika ho voatery tsy maintsy hieritreritra zavatra hafa. Tsy tokony hanamarina tatitra ratsy maimaika isika. Izy ireny matetika dia vokatry ny fialonana na tsy fifankahazoana, na mety ho vo-katry ny fanatavezan-dresaka na ampahany amin’ ny tena zava-misy marina. Rehefa homena toerana indray mandeha ny fialonana sy fiahiahiana ratsy dia hamoha be toy ny voa nafafy. Raha misy rahalahy anankiray maniasia dia tonga izany ny fotoana hanehoanao fiheverana marina azy. Mankanesa ao aminy amin-katsaram-panahy, miaraha mivavaka ho azy, tadidio ny vidiny sarobidy naloan’ i Kristy ho famonjena azy. Amin’ izany fomba izany no mety hamonjenao fanahy iray hiala amin’ ny fahafatesana sy hanaronanao fahotana maro.

“Ny teny anankiray, atao indray mipi-maso, eny na dia ny lantom-peo aza, dia mety hiankinan’ ny aina ma-noloana ny lainga, ka hitsatoka ao am-po toy ny tsipìka maranitra, ary hamela ratra tsy mety sitrana. Noho izany, ny ahiahy iray, ny fanankianana iray dia mety hidona any amin’ ny olona iray tokony hanaovan’ Andriamanitra asa tsara, kanefa nosimbaina ny hery miasa mangina avy aminy ka tonga simba izay ilàna azy. Amin’ ireo kara-zam-biby sasantsasany, raha misy maratra sy mianjera ny anankiray amin’ izy ireo, dia hatokan’ izy ireo toerana ka potipotehin’ ireo namany izy. Toe-tsaina mamohetra toy izany koa no asehon’ ny lehilahy sy ny vehivavy mi-tondra ny anarana Kristiana. Maneho hafanam-po toy ny an’ ny Fariseo izy ireo ka hitora-bato ny hafa izay tsy meloka kokoa noho izy. Misy olona maro manondro ny fahadisoana sy ny tsy fahombiazan’ ny hafa mba hanankonana ny azy ireo na hahazoana sitraka fa mafana fo ho an’ Andriamanitra sy ny fiangonana izy ireo.”—Testimonies for the Church, vol. 5, pp. 58, 59.

“Ny fotoana izay matetika ratsy lavitra noho izy nolaniana tamin’ ny resaka tsy misy dikany sy maivamai-vana ary fifosafosana ratsy dia tokony ho nolaniana tamin-javatra ambony kokoa.”—Ibid., p. 176.


Zoma 15 Novambra

FAMERENANA ATAON’ NY TENA MANOKANA

1. Nahoana no tokony ahenako ny fironana mihevi-tena ho mahalala ny zavatra rehetra?

2. Milazà endri-toetra itoviana amin’ i Kristy izay iankinan’ ny aina kanefa matetika odian-tsy hita.

3. Rehefa manala-baraka ny mpino namantsika amin’ ny hafa isika dia manao ahoana no fijerin’ An-driamanitra?

4. Inona no ilaiko hianarana avy amin’ ny Salamo 15 – ary nahoana no zava-dehibe izany?

5. Amin’ ny fomba ahoana no mety hahameloka ahy amin’ ny famafazana fifandirana eo anivon’ ireo mpirahalahy amin’ ny finoana ary nahoana no tsy maintsy ajanoko izany?

 <<    >>